Mankalaza Ny Famotsorana Ireo Ankizivavy Chibok 82 Nobaboin'ny Boko Haram Ny Nizeriana

Fametrahana zavakanto nataon'ilay mpanakanto Nizeriana Sarah Peace, izay mampiseho ny fanjavonan'ireo tovovavy Chibok [Sary navoaka ho azon'ny besinimaro ampiasaina]

Nankalaza ny famotsorana ireo tovovavy 82, teo am-pelatanan'ny milisy Boko Haram tamin'ny Asabotsy 6 May 2017 ny Nizeriana. Nivoaka lohateny manerantany ny fakàna an-keriny an'ireo tovovavy avy ao Chibok tanàna avaratra-atsinanana  ireo tamin'ny taona 2014,  ary natsangana ny tenirohy #BringBackOurGirls izay nanakoako teo amin'ireo olona an-tapitrisany manerana izao tontolo izao, ka anisan'ny nanao izany ny Vadin'ny filohan'i Etazonia teo aloha, Michelle Obama.

Navotsotra ireo ankizivavy ireo taorian'ny fifampiraharahana teo amin'ny governemanta sy ny Boko Haram, ka ny famotsorana ireo mpikambana tao amin'ny vondrona nogadrain'ny manampahefana Nizeriana no takalon'izany, araka ny fanambarana avy amin'ny Biraon'ny Filoha.

Tamin'ny Aprily 2014, nalain'ny Boko Haram an-keriny ireo ankizivavy mpianatra miisa 276 avy amin'ny sekolim-panjakana ambaratonga faharoa ao Chibok, ny Boko Haram dia vondrona nanatontosa hetsika mahery setra tamin'ny governemanta Nizeriana nandritra ny fito taona, izay nitarika fahafatesana an'arivony sy famindran-toerana olona miisa roa tapitrisa. Nandritra izany fotoana izany, afaka nitsoaka ny 57 tamin'ireo ankizy nalain'ny milisy ankeriny. Tamin'ny volana Oktobra, navotsotra ny 21. Na izany aza, taorian'ny famoahana ity andiany farany ity, mbola misy ankizivavy 113 tsy hita, araka ny fahafantarana azy.

Tsy ny feo iraisam-pirenena ihany no feo tokana nitondra fanentanana manerantany manoloana ny fakàna an-keriny. Fa tao koa ireo mpikatroka ao an-toerana, tahaka ny Dr. Obiageli “Oby” Ezekwesili sy ny hafa, izay nitarika fihetsiketsehana hatrany am-boalohany, ka “nitaky fandraisana andraikitra haingana avy amin'ny governemanta mba hamotsorana ireo ankizivavy mpianatra ireo“. Ankehitriny, nisy vokany ihany ny hetsik'izy ireo.

Tamin'ny Asabotsy, nilaza ny fanambarana ofisialy avy amin'ny governemanta fa “nitera-bokatra” ny fifanarahana tamin'ny Boko Haram:

After lengthy negotiations, our security agencies have taken back these girls, in exchange for some Boko Haram suspects held by the authorities. The released #ChibokGirls are due to arrive in Abuja tomorrow Sunday May 7, and will be received by the President. President Muhammadu Buhari expresses his deep gratitude to all who played a part in ensuring the success of this operation, as follows: Security agencies, the military, the Government of Switzerland, the International Committee of the Red Cross, and local and international NGOs.

Taorian'ny fifampiraharahana ela, afaka nitondra ireo ankizivavy ireo ny sampan-draharahan'ny fiarovana, ho takalon'ny famotsorana ireo Boko Haram voarohirohy nogadrain'ny manampahefana. Tokony ho tonga rahampitso Alahady 7 May ireo  #ChibokGirls navotsotra ary horaisin'ny filoha. Maneho ny fankasitrahany feno ho an'ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fiantohana ny fahombiazan'ity hetsika ity ny Filoha Muhammadu Buhari, dia ireto avy izany: Ny sampan-draharahan'ny fiarovana, ny miaramila, ny governemantan'i Soisa, ny Komitin'ny Vokovoko Mena Iraisampirenena sy ireo Fikambanana tsy miankina iraisampirenena sy ao an-toerana.

Nandray anjara ho mpanelanelana tamin'ny fifampiraharahana ny Komitin'ny Vokovoko Mena Iraisampirenena:

Mandray anjara ho mpanelanelana tsy mitanila, nitondra ireo #ChibokGirls 82 tany amin'ny governemantan'i #Nigeria izahay @ICRC

Faly i Dr. Ezekwesili:

?????????
TENA MARINA izany!
TENA ZAVA-MISY izany!!
Andian-TSIKA hafa # TAFAVERINA ireo ankizivavin'i Chibok, ry vahoaka!
MIFALY ISIKA & MIDERA NY TOMPO miaraka amin'ny Ray aman-dRenin'izy ireo! FG,????

Nidera an'i Dr. Ezekwesili sy ny vondrony noho ny “faharetan'izy ireo sy ny fahavitrihan'izy ireo” tamin'ny tolona ho famotsorana ireo ankizivavy mpianatra nalaina an-keriny i Stephanie Busari, mpanao gazety:

Midera ny faharetana sy ny fahavitrihan'ny @BBOG_Nigeria notarihan'ny  @obyezeks aho. Raha tsy teo izy ireo, mety adino ireo ankizivavy  #ChibokGirls

Aisha Yesufu, mpiara-miasa amin'i Dr. Ezekwesili ao amin'ny Vondrona “Avereno ny Tovovavinay”, nisioka hoe:

Avy amin'ilay ankizivavy 15 taona Aliyyah ny tena hafatra fiarahabana mahafana fo. Ahoana no ahafahako hijanona [tsy hitaky] ny #ChibokGirls? Ahoana?

Mpisera Twitter hafa liana tamin'ny vaovao:

Mieritreritra ny fiarahamonina Chibok androany maraina sy ny fankalazana mitohy hatramin'ny omaly alina

Miady amin'ny hafahafa rehetra, navotsotra ireo 82 #ChibokGirls  – gaga aho!

Tsy misy teny ahafahako milaza ny hafaliana tsapako noho ny vaovao famotsoran'ny Boko Haram ireo tovovavy #Chibok miisa 82

Na dia eo aza ny vaovao tsara, tsy taitra tamin'ny hetsiky ny governemanta nifandimby mikasika ny fepetra manoloana ny zava-nitranga ny sasany tao amin'ny media sosialy. Ikhide, mpahay haisoratra mpitsikera, niampanga ny “tsy fisian'ny mangaraharana tamin'ny dingana rehetra” tao amin'ny Facebook:

…On Chibok, our government has refused to talk to us. All legitimate questions have been dismissed and any thinking person who dares ask questions is demonized as a Chibok denier. What happened in Chibok? Our government will not tell us. Because no one will hold them accountable. Can you imagine this happening anywhere else in the world? How can you do this to your own people? 

Why should people believe the Chibok narrative when there is zero transparency in the whole process. No one truly knows what happened and the government is invested in lying and obfuscation. Can you imagine this happening in the U.K.? I have so many questions about this Chibok mess; each one has been ignored. This government expects no questions but demands respect and blind obedience. Why have they not released the girls that were ‘released’ the last time to their parents? That was months ago? What kind of country is this????

…Mikasika ny Chibok, tsy nety niresaka taminay ny governemanta. Nolavina avokoa ny fanontaniana ara-drariny rehetra ary noharatsiana ho toy ny Chibok faraidiny izay olona mandinika sahy mametraka fanontaniana. Inona no nitranga tao Chibok? Tsy hilaza amintsika ny governemantantsika. Satria tsy hisy olona hanondro azy ireo ho tompon'andraikitra. Azonao an-tsaina ve raha mitranga any ankafa eto an-tany izany? Ahoana no ahafahanao manao izany amin'ny mpiray firenena aminao?

Nahoana no tokony hino ny tantaran'ny Chibok ny olona kanefa tsy misy ny mangarahara tamin'ny dingana rehetra. Tsy misy tena mahafantatra ny zava-nitranga ary niditra tamin'ny lainga sy ny fampahamaizinana ny governemanta. Azonao an-tsaina ve raha mitranga ao amin'ny Fanjakana Mitambatra (U.K) izany.? Manana fanontaniana be dia be momba ny korontana Chibok aho; samy efa tsy noraharahiana avokoa izany. Tsy manantena fanontaniana ny governemanta, fa mangataka fanajana sy fankatoavana am-pahajambana. Nahoana no tsy navotsotr'izy ireo ireo tovovavy izay ‘navoaka’ tamin'ny fotoana farany hankany amin'ny ray aman-dreniny? Iray volana lasa izay? Karazana firenena inona ity????

Ny zavatra resahin'i Ikhide dia mety ho ilay zava-nitranga tamin'ny famotsorana ny andiany tamin'ny volana Oktobra, izay nogaidrain'ny governemanta tany am-boalohany. Tamin'izany fotoana izany, nilaza ny minisitra iray fa noho ireo “ekipa dokotera, psikology, mpiasa ara-tsosialy, manam-pahaizana momba ny ratram-po” handeha hizaha azy ireo no anton'izany. “Indrindra indrindra satria efa nogadraina fotoana ela izy ireo,” hoy ny minisitra. “Mifandray amin'ny ray aman-drenin'izy ireo izahay ankehitriny izay tafiditra ao anatin'ny asa fanamarinana nilaina.”

Tamin'ny volana Desambra, na izany aza, tafaray tamin'ny fianakaviany tamin'ny Krismasy izy ireo. Nisy ny tatitra nilaza fa “notazonina tany an-tranon'ny mpanao politika iray ny sasany tamin'ireo ankizivavy, ary tsy navela hivoaka ny trano,” araka ny tatitry ny BBC. Na izany aza, niverina an-tsekoly izy ireo tamin'ny volana Janoary mba “hanala fanadinana fifindra-kilasy.

Mikasika ireo ankizivavy navotsotra farany indrindra kosa, nandrisika ny governemanta Nizeriana mba hanaja ny fiainan'izy ireo manokana ny Amnesty International . Osai Ojigho, talen'ny firenena Amnesty International ao Nizeria, nilaza hoe:

“It is vital now that they receive adequate physical and psychosocial counselling and support so that they can fully reintegrate in their communities…The government should also respect their privacy and ensure that the released girls are reunited with their families and not kept in lengthy detention and security screening which can only add to their suffering and plight.

“Tena iankinan'ny ankehitriny ny fahazoan'izy ireo fanohanana sy torohevitra ara-batana sy ara-tsaina ampy, mba ahafahan'izy ireo miditra tanteraka indray ao anatin'ny fiarahamonina … Tokony hanaja ny fiainan'izy ireo manokana ihany koa ny governemanta ary hanome antoka fa tafaray tokoa tamin'ny fianakaviany ireo ankizivavy navotsotra ireo fa tsy nogadraina ela sy arahi-maso noho ny filaminana izay mety hanampy trotraka ny fijalian'izy ireo  sy ny manjo azy ireo indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.