Palestiniana Mpanao Gazety Manoritsoritra Ireo Andro Maro Nijaliany, Ireo Tsindrona Mistery Nataon'ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana Azy

Tany aloha dia efa nosamborin'ireo manampahefana ao Israely i Sami al-Saai noho ny “fihantsiana korontana” tao amin'ny Facebook. Sary : sariny ao amin'ny mombamomba azy amin'ny Facebook
Miatrika fiampangàna maro avy amin'ireo vondrona mpiaro zo ny Palestinian Authority (PA) noho ny nampiharany fampijaliana “feno habibiana” tamin'i Sami al-Saai, toniandahatsoratra no sady mpitatitra vaovao.
Ny 2 Febroary 2017, nosamborin'ny Sampam-Pitsikilovana Palestiniana tao an-tanàna niaviany tao Tulkarem tany Amoron'i Jordàna i Al-Saai, rehefa nandefasana fiantsoana hanaovana fanadihadiana. Niampangàna azy ny ‘fihantsiana korontana ifanaovan'ny sekta” tao anaty lahatsoratra Facebook. Ny 8 Febroary, namoaka didy famotsorana azy takalozana fandoavana onitra ny fitsaràna iray. Naloan'i Al-Saai ny onitra, saingy tsy navotsotra izy fa nafindra ho any amin'ny fonjan'i Jericho.
Taorian'ny nandaniany 20 andro tany ampigadràna, navotsotra avy any amin'ny fonjan'i Jericho i Al-Saai ny 22 Febroary teo, toerana izay nolazainy fa nampijalian'ny Sampam-Pitsikilovana Palestiniana azy .
Araka ny Lalàna Fotora ao Palestina, na iza na iza voampanga ho nanao heloka bevava dia mitovy amin'ny tsy manantsiny mandra-pivoakan'ny porofo manameloka azy. Mbola iantohan'ilay lalàna misimisy kokoa aza ny hoe “ny lalàna irery ihany no mamaritra ny heloka sy ny sazy” ary ny “didim-pitsaràna irery ihany no mametraka ny sazy” (Andininy faha-15).
Al-Saai dia miasa ho an'ny Al Fajer Al Jadeed, TV mahaleotena ao an-toerana, izay itaterany momba ny fivoaran'ny raharaha politika ao amin'ny fari-piadiian'i Tulkarem. Tamin'ny 2016, tao anaty tetikasa iray tsy misy ifandraisany amin'ny asany ao amin'ny Al Fajer Al Jadeed, dia nandefa andianà tatitra momba ireo Palestiniana migadra noho ny resaka politika any Israely sy any Amoron'i Jordàna izy ho an'ny Hamas, ilay hetsik'ireo mpitolona Islamista mifehy an'i Gaza ary tena fahavalo politika voalohany ho an'ny antoko politika nasionalista Fatah, izay mifehy ny Palestinian Authority (PA). Ahian'i Al-Saai ho fanarontsaronan-javatra entina hisamborana azy fotsiny io asa io.
Rehefa nandeha tany am-ponja nitsidika azy ny reniny no nivoaka voalohany ireo tatitra momba ny fampijaliana an'i Al-Saai, teo no nilazany tamin'ny reniny hoe isanandro izy no ampijaliana ary terena hibaboka ireo heloka tsy nataony velively. Nolazain'ny reniny fa nodarohana ny zanany lahy ary nahantona tamin'ny tolànam-baravarana sy varavarankely. Noterena hijoro nandritry ny fotoana elabe, tsy navela natory nandritry ny andro maro, ary natokana taminà efitra tery dia tery sy mangatsiaka tsy misy fandriana na lamba firakotra. Nolazain'i Al-Saai an-dreniny ihany koa fa in'efatra isanandro izy no notsindronina zava-mahadomelina tsy fantany.
Raha niteny tamin'ireo haino aman-jery ao an-toerana, nampitandrina ny vadiny fa mety ho fatin'ny fampijaliana atao azy izy. “Manokafa trano fiandrasampaty ho ahy, tsy ho ela dia handre momba ny fahafatesako ianareo,” hoy i Al-Saai tamin'ny vadiny tao anaty hafatra iray nasainy nampitain'ny reniny ho azy.
Nandà mafy ireny tatitra ireny ny Fampanoavana ao Palestina, tamin'ny filazàna fa nisafo tany amin'ny fonjan'i Jricho izy ary tsy nahita porofo ny fisian'ny fampijaliana ireo mifonja ao.
Nolavin'ny Sendikàn'ireo Palestiniana Mpanao Gazety ihany koa ny hoe nampijaliana i Al-Saai. Tao anaty fanambaràna iray dia nilaza ilay sendikà fa rehefa nitsidika an'i Al-Saai tany am-ponja ny mpikambana vitsivitsy avy ao aminy, dia nanamafy i Al-Saai fa tsaho diso fotsiny ireo vaovao momba ny fampijaliana azy. Niverina tamin'ny fanambaràna nataony i Al-Saai taorian'ny famotsorana azy, tamin'ny fanazavàna fa natahotra ny hiteny izy noho izy niharan'ny fandrahonana.
Fotoana fohy taorian'ny namotsorana azy, niteny momba izay tena nanjo azy marina tany am-ponja izy tao anaty resaka an.telefaona nifanaovany tamin'i Fadi Arouri, Palestiniana iray mpaka sary fanao an-gazety ary iray amin'ireo mpamoaka hevitra be mpanaraka indrindra amin'ny Facebook ao Palestina. Hoy i Al-Saai tamin'i Arouri:
Nofatoran-dry zareo tady avy any an-damosiko ny tanako, dia iny indray afatotra aminà tady iray lavabe kokoa, ary nahanton-dry zareo tamin'ny valin-drihana aho tao am-ponja…Nofatorany tady aho, ny tànana any an-damosina, dia taritaritiny no sady tenenin-dry zareo handady toy ny alika
Nolazain'i Al-Saai ihany koa hoe nosokafan'ireo manampahefana ny kaontiny Facebook ary novakian-dry zareo izay resaka nifanaovany tamin'olona hafa tao, ary ny birao foibe mpanadihady ao amin'ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana dia nanamby azy “fiarovana, vola ary asa mahabe fanantenana eo amin'ny sehatry ny haino aman-jery ho takalon'ny fibabohany.”
Ny Sendikàn'ireo mpanao gazety, izay ny vina dia ny hiarovana “ny maha-matianina, ny zo maha-olona sy ara-toerkarena ary sosialin'ireo mpanao gazety, ary ny fanohanana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Palestina,” dia mbola naneho hevitra ihany tamin'ilay fanambaràna vaovao navoakan'i Al-Saai. Tao amin'ny fanambaràny tany aloha, nanizingizina ilay sendikà fa tsy nisy nifandraisany tamin'ny asa maha-mpanao gazety azy ny nisamborana an'ilay mpanao gazety, na resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ary ny mpanao gazety, noho ny asany, dia tsy olona natao tsy hanaja lalàna.
Tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Arouri, nanazava i Al-Saai hoe niasa taminà tetikasa iray maharitra volana efatra izy amin'ny fandefasana tatitra ho an'ny Hamas misy ny lisitr'ireo Palestiniana migadra noho ny politika ao Israely sy ao Tulkarem any Amoron'i Jordana. Fony izy tany am-ponja, niampanga azy ny Sampam-pitsikilovana Palestiniana ho nahazo famatsiambola hanangona sy hanakarama mpikambana vaovao ho an'ny Hamas. Nolavin'i Al-Saai ireny fiampangàna ireny ary nomarihany fa tsy misy lalàna mandràra ny mpanao gazety tsy hahazo miasa miaraka aminà fikambanana politika.
Tany aloha dia efa nosamborina noho ireo lahatsoratra navoakany tety anaty aterineto ihany koa i Al-Saai. Tamin'ny taona lasa, nosamborin'ny manampahefana israeliana izy ary nampangaina ho “nihantsy korontana” tamin'ny Facebook. Nomena sazy sivy volana am-ponja izy, ary navotsotra tamin'ny Novambra 2016.
Na misy na tsia ny fifandraisan'ny asa maha-mpanao gazety azy tamin'ny nisamboran'ny PA an'i Al-Saai tamin'ity indray mandeha ity, dia olana iray goavana ny fampijaliana ireo gadra Palestiniana, isan'izany ireo mpanao gazety sy mpikatroka, eo an-tànan'ny PA. Ny Human Rights Watch dia naharakitra tranga marobe ahitàna Paletsiniana mpanao gazety naiditra am-ponja, nilàna vaniny sy nampijaliana noho ny fanehoan-dry zareo fanakianana, na noho ny fifandraisan'izy ireny amin'ny Hamas, ilay antoko fahavalon'ny PA.
Ny Ivontoerana Palestiniana ho amin'ny Fampandrosoana sy Fahalalahan'ny Haino Aman-jery (MADA) dia naharakitra tranga 134 fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny haino aman-jery nataon'ny PA tamn'ny 2016 tao Amoron'i Jordàna, sy nataon'ny governemantan'ny Hamas tao Gaza. Hita amin'io, ankoatry ny hafa, ny fampiantsoana hatao fanadihadiana, ny fandraràna tsy handrakotra vaovao, ny fisamborana sy fitànana am-ponja, ny famelezana ara-bàtana, fangiazana fitaovana, ary ny fanaovana bemidina any an-tokantranon'ireo mpanao gazety na ireo tranonà haino aman-jery.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...