Mpikatroka Breziliana Ao Anatin'ny Tsy Fahatsiarovan-tena Rehefa Nodarohan'ny Polisy Kibay Nandritra ny Fihetsiketsehana Ny Lohany

Ankavia: fanafihana an'i Mateus Ferreira da Silva, sary nalain'i Luiz da Luz, nahazoana alalana ny famoahana azy. Ankavanana: Mateus Ferreira da Silva tamin'ny sary niparitaka be.

Nampidirina hopitaly notsaboina vonjimaika tamin'ity herinandro ilay mpianatra Breziliana 33 taona, rehefa nodarohan'ny polisy tamin'ny kibay ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana tao an-tanànan'i Goiânia tamin'ny Zoma, izay an-tapitrisany ny olona nanatevin-daharana ny fitokonana manerana ny firenena ho fanoherana ny fanavaozana ny fitsitsiana.

Niharan'ny ratra mafy eo amin'ny atidoha sy fahatapahan-taolana maromaro i Mateus Ferreira da Silva, mpianatra siansa sosialy ao amin'ny Oniversite Federalin'i Goiás. Nodidian'ny dokotera izy tamin'ny Asabotsy, ary ao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena izy ankehitriny. Voalaza fa atahorana mafy ny toe-pahasalamany.

Nahazo sary ny fanafihana ilay mpanao gazety mpaka sary ao an-toerana Luiz da Luz, ary niparitaka haingana manerana an'i Brezila nandritra ny andro vitsivitsy ny lahatsary. Mampiseho ny endrik'ilay polisy nidaroka kibay ihany koa ny sary: lehilahy iray fantatra fa ny Kapiteny Augusto Sampaio.

Taorian'ny zava-nitranga, nanambara ny polisy miaramila ao amin'ny fanjakana Breziliana Goiás fa naato tamin'ny asany i Sampaio, miandry ny vokatry ny fanadihadiana.

Mampiseho ny filaharan'ny sary fa nanapaka ny kibainy teo amin'ny tavan'ilay mpianatra, Matheus Ferreira ao Goiânia ilay polisy (sary: Luiz da Luz).

Raha tsaboina vonjimaika noho ny daroka nataon'ny mpanao fihetsiketsehana ny polisy iray, mety hipoitra fahitalavitra mandritra ny enim-bolana ny tavany ary voamarina avokoa ny famoretana rehetra

Nizara ny lahatsary narakitr'i Luiz da Luz ny pejy Faceboook “Desneuralizador”, fampahalalam-baovaon'ny mpikatroka avy ao Goiânia, lahatsary mampiseho ny fotoana taorian'ny nidarohana an'i Mateus teo amin'ny lohany, ary tonga naka azy ny fiara mpitondra marary.

Nipoitra tao amin'ny media sosialy ihany koa ny lahatsary iray hafa mampiseho ny fotoana mitovy avy amin'ny toerana hafa. Amin'ny horonantsary eto ambany, nitranga tamin'ny 00:50 ny daroka.

Efa nahangona vola 10 000 Reais Breziliana ($3 150) ho an'ny fianakavian'i Mateus, izay monina amin'ny fanjakana hafa mba handoavana ny fandaniana amin'ny fitsaboany sy hampiantranoana ny fianakaviany ao Goiânia, nandritra ny fidirany hopitaly ny mpiserasera aterineto.

“Mahereza Mateus. Manohitra ny Herisetran'ny Polisy”. Sary niparitaka be. Mpanoritra: Heitor Vilela, malalaka ny fampiasana azy.

Nanoratra tao amin'ny Facebook, Profesora Pablo Ortellado nahatsiaro tantara hafa momba ny herisetra nihatra tamin'ireo mpikatroka tao Goiás:

Goiás vive um surto de violência política: foi lá que o ativista Guilherme Irish foi assassinado pelo pai por apoiar a ocupação de escolas, foi lá que a PM integrava grupo de whatsapp para criminalizar professores, foi lá que uma escola ocupada foi sabotada com um cano de gás cortado para explodir — e agora, tivemos lá também o tristíssimo caso do Mateus Ferreira da Silva, internado em situação grave depois que foi agredido na cabeça com um cacetete por um policial militar.

Niaina firongatry ny herisetra ara-politika i Goiás: Tao ilay mpikatroka Guilherme Irish no novonoin'ny rainy ho fanohanana ny Hetsika Bodoy tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa; Tao ihany koa ny polisy miaramila nanatevin-daharana ny vondrona WhatsApp natao hanamelohana ny mpampianatra; tao ihany koa no nosomparana tamin'ny fandefasana etona ny sekoly iray nobodoina; Ary ankehitriny, miatrika tranga tena mampalahelo isika, dia i Mateus da Silva Ferreira, tsaboina vonjimaika rehefa nodarohan'ny polisy tamin'ny kibay ny lohany.

Famoretan'ny polisy

Tsy Goiás no hany fanjakana ao Brezila ahitana polisy manasazy an-kerisetra ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Zoma.

Tao Rio de Janeiro, nitifitra bala fingotra sy baomba mandatsa-dranomaso tao amin'ny fihetsiketsehana tao afovoan-tanàna ny polisy misahana ny rotaka, toerana izay nanangan'ireo mpanao fihetsiketsehana sehatra ho an'ny mpandahateny. Raha niteny tamin'ny alalan'ny fanamafisam-peo, niangavy tamin'ny polisy ilay depiotem-panjakana Flavio Serafini, avy ao amin'ny Antoko Sosialista sy ny Fahalalahana (PSOL) ao Brezila mba hanajanona ny herisetra mihatra amin'ny mpanao hetsi-panoherana. Raha ùbola niteny i Serafini, nandefa etona mandatsa-dranomaso tao an-toerana ny polisy, ka nahavoa ny olona naka ity lahatsary eto ambany ity:

Ny lahatsary maharitra 25 minitra avy amin'ny mpaka sary iray tsy fantatra dia nalaina tamin'ny fotoana samihafa nandritra ny famoretana tao Rio ary mampiseho ny fkasana hivondrona tsy nahomby nataon'ny mpanao fihetsiketsehana noho ny rahona miha-matevin'ny baomba mandatsa-dranomaso.

Nanaparitaka fihetsiketsehana tao São Paulo ihany koa ny polisy, satria nanao diabe mankany amin'ny trano fonenan'ny filoha Michel Temer, ao amin'ny tanàna saranga ambony ao Alto de Pinheiros (sy ambenan'ny polisy marobe hatramin'ny nitondrany tamin'ny volana Mey tamin'ny herintaona) ny olona.

Nogadrain'ny polisy ihany koa ireo mpikatroka avy ao amin'ny Hetsiky ny Mpiasa Tsy Manan-kialofana ao Brezila ary nampangaina ho mikasa handoro sy hanapoaka baomba izy ireo avy eo. Araka ny filazan'ny pejy Facebook‘ny Hetsika, mbola any am-ponja ireo mpikatroka ireo.

Nitsikera ny fitantarana momba ny fihetsiketsehana nataon'ny fampahalalam-baovao oligarka ao Brezila ihany koa ireo mpikatroka, anisan'izany ny tatitra avy amin'ny Folha de S. Paulo, iray amin'ireo gazety zokiny indrindra ao amin'ny firenena.

Polisy manamboninahitra eo anoloan'ny sakan-dalana ao Rio de Janeiro. Sary avy amin'i  Erick Dau/The Intercept, nahazoana alalana

Araka ny tatitra momba an'i Mateus Ferreira nivoaka tao amin'ny Folha de S. Paulo tamin'ny Alahady, voalaza fa lehilahy “nanao fitafiana toy ny polisy manamboninahitra” ilay mpiherisetra. Nolavina izany fiteny izany taty aoriana.

Profesora Idelber Avelar nanoratra tao amin'ny Facebook mikasika ny fanasongadinana manokana ny fihetsiketsehana tao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra: fifamoivoizana mikorontana, vaky fitaratra, fa tsy ny famoretan'ny polisy na ny fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana no notaterina:

Mais uma vez, a imprensa brasileira escolheu cobrir protestos de rua dando destaque a esse insólito protagonista, a vidraça. Folha de São Paulo e Estado de São Paulo escolheram a imagem de uma vidraça sendo quebrada para ilustrar suas primeiras páginas. Já O Globo preferiu a imagem de um ônibus incendiado.

Não há razão jornalisticamente plausível para que uma vidraça quebrada receba mais destaque que a reunião de milhares de pessoas em uma praça para defender uma pauta. Você pode continuar sendo radicalmente contra qualquer arranhão em qualquer patrimônio material e, mesmo assim, reconhecer esse fato. De novo, o termo “vandalismo” recebe um destaque absurdamente desproporcional e os já tradicionais atos de violência da Polícia Militar são noticiados como “manifestantes entram em confronto com PM”.

Nisafidy indray hanangom-baovao momba ny fihetsiketsehana an-dalambe ny gazety Breziliana tamin'ny fifantohana tamin'ity mpandray anjara tsy mampino ity: ny fitaratra: nisafidy sarina varavara-pitaratra vaky ny Folha de S. Paulo sy ny Estado de S. Paulo mba handravahana ny pejy voalohan'izy ireo. Ny O Globo kosa tetsy andaniny nisafidy sarina fiara fitateram-bahoaka nodorana.

Tsy misy antony azo ekena amin'ny asa fanaovan-gazety ny manamarina varavarankely fitaratra vaky nahazo fanangonam-baovao bebe kokoa noho ny fanangonana olona an'arivony tao amin'ny kianja mba hiaro zavatra iray lehibe. Afaka manohitra tanteraka ny famakiana fananana azo tsapain-tanana ianao, arymbola mankasitraka ny zava-misy koa. Ary nahazo fifantohana tsy mifandanja ny teny hoe “fandrobana” ary notantaraina ho “mpanao fihetsiketsehana mifandona amin'ny Praiminisitra” ny hetsika herisetra miavaka nataon'ny polisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.