Tonga Any Libanona Ny Hetsi-panoherana Ao Venezoela

“Vonoina izahay”. Pikantsary tao amin'ny lahatsary nozarain'i Vine Venezuela tao amin'ny YouTube izay mampiseho ny mpanao fihetsiketsehana roa eo anoloan'i Tarek William Saad.

Ny fahatongavan'ny mpanelanelana ao Venezoela, Tarek William Saab, tany Beirota dia tsy nankasitrahan'ny Venezoeliana tao Libanona loatra, izay nikarakara hetsi-panoherana mba hiampangana ny herisetra mitohy atao amin'ny fihetsiketsehana ao amin'ity firenena Amerika Latina ity.

Voalaza fa nanolotra kabary momba ny zon'olombelona tao Beirota ilay mpanelanelana, izay manana anaram-boninahitra ofisialy hoe Mpiaro ny Vahoakan'ny Repoblika Bolivariana ao Venezoela (Defensoría do Pueblo de República Bolivariana de Venezuela). Nanameloka ny diany tao anatin'ny krizy politika nankany Libanona  izay efa nahitana hetsi-panoherana naharitra herinandro maromaro ireo mpitsikera, ary voalaza fa efa namoizana ain'olona miisa 30 tamin'ny 4 May 2017.

Nanomboka ny hetsi-panoherana farany indrindra tao amin'ny firenena izay nahitana safotofoto ara-politika nandritra ny taona maro, rehefa nofoanan'ny Fitsarana Tampony ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 30 Martsa. Na dia teo aza ny fanapahan-kevitra tsy naharitra ela, nanome aingam-panahy tamin'ny fanoherana tsy mitsaha-mitombo tamin'ny politikan'ny governemantan'i Maduro izany, izay nitantana krizy ara-toekarena nandritra ny telo taona ary naharaketana heloka bevavan'ny herisetra betsaka indrindra sy fahantrana.

Nanapaka ny kabarin'i Saab sady nihazona ny sainam-pirenena Venezoelana nivadika (iray amin'ireo marika famantarana fanta-daza ao anatin'ny hetsi-panoherana amin'izao fotoana izao izany) ny vehivavy Libaney-Venezoeliana roa, ary niantsoantso hoe “Maty ny vahoakanay ! Vonoina izahay! Aiza izany zon'[olombelona] izany ry Tarek? “

Ny Kianjan'ny Maritiora ao Beirota, toerana iray manan-tantara izay nanaovan'ny hetsika YouStink [maimbo ianareo] tao Libanona hetsi-panoherana tamin'ny lohataonan'ny taona 2015, ary nahitana olona marobe nively vilany (fomba mahazatra amin'ny hetsi-panoherana ao Amerika Latina).

Mampiseho ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny trano fandraisam-bahiny izay nisy an'i Saab ity lahatsary manaraka ity, izay teo akaikin'ny Kianjan'ny Maritiora .

LAHATSARY. Manohy ny hetsi-panoherana manohitra an'i Tarek William Saab ireo Venezoeliana teo ivelan'ny trano fandraisam-bahiny izay nijanonany tao Beirota, Libanona.

Haingana dia niparitaka ny lahatsarin'ny vehivavy roa ary nahatonga ny #Libano (#Libanona) ho lasa lohahevitra malaza tao Venezoela. Nanararaotra  ny fahafahana mba hanasongadinana ny famoretana nitranga tao Venezoela tamin'io fotoana io ihany koa ny mpisera sasany tamin'ny naha tao Beirota azy :

Jereo, Tarek William Saab, [izao no zava-mitranga] raha mihinana voanjobory [hummus] aty Libanona ianao

Ireo izay tsy manaja ny Zon'olombelona #Venezuela, dia tsy afaka miresaka momba izany, na misolontena ny firenena any #Libanona

Ahoana ny mba eritreritrao nandeha ho any Libanona, nefa tsy tonga saina tamin'ny zava-misy toy izany ianao fa miezaka ny hanakana ny Twitter?

Fahasahiana izany. Tokony hiantoka ny Zon'olombelon'ireo Venezoeliana i Tarek WILLIAM Saab kanefa tsy nanao izany izy fa nandeha sy niresaka momba ny Zon'Olombelona tao #Libanona.

Tsy fantatro izay tena nahatalanjona ahy, ilay mpikabary miresaka momba ny zon'olombelona ao amin'ny firenena tahaka an'i Libanona sa ny herim-po tsy mampino an’ ireo vehivavy #DidyJadona

Tombanana ho 400.000 ka hatramin'ny 800.000 ireo Venezoeliana taranaka Libaney, ny mponina Libaney betsaka indrindra any Amerika Latina ivelan'i Brezila sy Arzantina. Manana fiaviana Syriana-Libaney i Tareck El Aissami, filoha lefitra amin'izao fotoana izao ao Venezoela .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.