· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2018

Koety: Mivavaka ho an'i Ejipta Malalaka

  21 Oktobra 2018

Toy ny ambiny manerana izao tontolo izao, manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-javatra ao Ejipta ireo Koetiana mpampiasa aterineto. Manolotra ny fanohanany ho an'ireo Ejiptiana mpanohitra ireo Tweeps (mpibitsika), amin'ny alalan'ny vavaka sy antso ho an'ny fiafaran'ny fitondran'i Mubarak.

Okraina: Fampihenana ny Vokadratsy sy Fampiharana ny Lalàna, Fizaràna Faha-2

Tamin'ny Oktobra farany 2008, nanoratra mikasika ny fiezahany hampianatra vondrona manampahefana tao amin'ny polisy ao Kyiv momba ny fandaharanasa mikasika ny fampihenana ny vokadratsy ny Okrainiana iray blaogera. Na toa tsy dia liana aza tamin'ity fomba fijery mbola-tsy-malaza mikasika ny fandraisana an-tànana ny zava-mahadomelina ity na tamin'ny fahazoany kapaoty maimaim-poana avy tamin'ireo mpikatroka aza ireo polisy nihaino ilay famelabelaran-kevitra, raha tarafina amin''ity lahatsoratra fanarahana (teny Rosiàna) nosoratan'i mazay ity, nisy vokany tsara ihany ilay resaka nony farany.

Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”

  17 Oktobra 2018

Lahatsoratra tselika kely avy any Londres mba hampahafantarana anao fa handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny IRC sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai .