Koety: Mivavaka ho an'i Ejipta Malalaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2011)

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana 2011 tao Ejipta ity lahatsoratra ity.

Toy ny ambiny manerana izao tontolo izao, manaraka akaiky  ny fivoaran'ny toe-javatra ao Ejipta ireo Koetiana mpampiasa aterineto. Manolotra ny fanohanany ho an'ireo Ejiptiana mpanao hetsipanoherana ireo Tweeps (mpibitsika), amin'ny alalan'ny vavaka sy antso ho an'ny fiafaran'ny fitondran'i Mubarak.

Tsy gaga amin'ny fihetsik'ilay mpitoriteny manoloana ny hetsipanoherana Ejiptiana ao amin'ny moskeany eo an-toerana i @MrMMM . Maneho hevitra izy:

@MrMMM
خطيب الجمعة بمسجد العجيري بقرطبة سوى ريتويت لخطاب رئيس الوزراء المصري !!
Namerina nibitsika ny kabarin'ny praiminisitra Ejiptiana ny mpitoritenin'ny Mpivavaka isaky ny Zoma tao amin'ny Moske AlOjairi ao Qordoba

Mizara rohy mankany amin'ny vavaka iray tena mampihetsi-po nataon'ilay Koetiana Humood Al Khuder i @maaldallal:

@maldallal
المنشد الشاب الكويتي حمود الخضر: أقل ما يمكن أن أقدمه لشعب مصر الأحرار ” الدعـاء” لطفاً أنشر http://bit.ly/fQlBcW

Ilay Koetiana tanora Humood Alkhuder: ny hany azoko atao ho an'ireo vahoaka Ejiptiana malalaka dia ny Doa'a ( Vavaka )

Tsindrio ny rohy eto ambany raha hihaino ilay vavaka:

Doa for Egypt / Doa ho an'i Ejipta (amin'ny teny arabo)

Manambara i Zaid Al Zaid :

@zayed_alzaid
كل محافظات ومدن مصر وقراها تلتهب بالتظاهرات الآن وتطالب برحيل مبارك ، والرجل لايفهم
Mangataka an'i Mubarak mba hiala avokoa ny faritany sy tanàna Ejiptiana rehetra ary tsy hainy izany

Ary mibitsika ilay Koetiana Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, i Dr Jumaan Al Herbesh:

@AlHerbesh
الشعب المصري الان بجميع اطيافه يصنع ملحمة الحرية في مظهر مهيب في ميدان التحرير ويهتف(يا شهيد نام مرتاح واحنا نواصل الكفاح)
Mamorona tononkalo mampitolagaga momba ny zava-mitranga ho an'ny fahafahana ao anatina sehatra tsara voatra eo amin'ny Kianja Tahrir avokoa ireo vahoaka Ejiptiana rehetra ary mihiaka hoe: ”Oh ry Maritiora, mandria am-piadanana, hanohy ny ady foana izahay”

Manohy ny mivavaka ny hafa sasany:

@forzaq8
اللهم احفظ اهل مصر و وفقهم للخلاص من طاغيتهم #egypt
Hanampy ireo vahoaka ao Ejipta ary hanampy azy ireo hanaisotra ny mpanao didy jadona ao aminy anie Andriamanitra ZZZZZ

Namaly i Mishary Buyabis, iray amin'ireo kintana am-pisandratana ao amin'ny Twitter ao Koety noho ny fanehoankeviny maneso mikasika ny olana eny an-toerana, rehefa nanontaniana momba ny heviny mikasika ireo Ejiptiana manohy fihetsiketsehana, milaza fa:

@mbuyabis
@san3i المصريين أيقنوا أن التراجع الآن قد يكلفهم الكثير،،قرارهم بالاستمرار صائب
Tonga saina ireo Ejiptiana fa ho fatiantoka goavana ho azy ireo ny hiverin-dàlana ankehitriny, tsara ny fanapahankevitr'izy ireo ny hanohy

Ary mamarana i Kasek Ya Watan:

@KasekYaWatan
اجمل صوره رأيتها هو حماية المسيحيين للمصلين المسلمين .. هذا هو معنى الوحده الوطنيه
Ny sary tsara indrindra hitako dia ilay iray nisy Kristianina maro niaro Silamo raha toa ka nivavaka ireto farany – izany no dikan'ny firaisampirenena

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana 2011 tao Ejipta ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.