Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”

(Fanamariana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2006)

Lahatsoratra tselika kely avy any Londona mba hampahafantarana anao fa ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai, ilay Mpanampy Manokana ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana (FM), nitarika ny Vondronasan'ny FM momba ny Fitantanana Mampiasa ny Aterineto, dia handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto (IRC) miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.

Nanana fanontaniana maro avy amin'ireo blaogera izahay ary nampitaina taminy ireo olona niditra tao amin'ilay fivoriana tamin'ny alalan'ilay IRC teto , izay nangatahanay hovaliany any ivelan'ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity. Hampafantarinay anao eo ihany ny antsipirihany rehefa vitanay ny fandaminana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.