· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2018

Goatemala : Nitokona ireo mpampianatra rehefa noravàna ny sekoly tranainy iray

  23 Oktobra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niverina nitokona indray ny 8 Mey 2007 ireo mpampianatra tamin’ny sekolim-panjakana tany Goatemala, nangataka ny ‘’famotsoran-keloka’’ tamin’ity indray mitoraka ity. Nangataka ny hanafoanana ireo sazy niampangan’ny governemanta azy izy ireo satria noho ny fandikan-dalàna tamin’ny fanaovana fitokonana tsy ara-dalana....

Hitondra Soa Ho An'ny Vehivavy Frantsay Tokoa Ve Ny Lalàna Momba Ny Fanadalàna An-dàlambe ?

GV Mpisolovava  23 Oktobra 2018

Sarotra ampiharina ilay lalàna : tsy tratra ambodiomby, ny fotoana ahitan'ilay niharam-boina ireo andiany manao fisafoana, dia na lasa ireo nahavita ny heloka na mandà Sarotra ny fampiharana ilay lalàna, hoy ireo mpitandro filaminana belza niresahanay : tsy misy mihitsy ny tratra ambodiomby... ary mandrapaha-hitan'ilay niharam-boina mpitandro filaminana manao fisafoana, sy rehefa tonga ny mpanao fisafoana : na lasa ireo mpanao heloka na mandà

Japana: Nitsena fanoherana henjana ny fihetsiketsehan'ny ankavanana hiringiriny manerana ny firenena

  23 Oktobra 2018

Nikarakara fihetsiketsehana tao an-tanàn-dehibe manerana an'i Japana tamin'ny Alahady 14 Oktobra ireo  vondrona manohitra ny fanavakavahana mba hanakana ireo andiana diabe ataon'ny vondrona mpanavakavaka ankavanana hiringiriny ampahibemaso amin'ny fifindra-monina ao Japana, na dia nampanantena aza ny governemanta Japoney fa handray mpiasa vahiny 500.000 hanampy hiatrika ny tsy fahampian'ny mpiasa.

Azerbaidjan: Ireo Haino Aman-Jery Miaro Ireo Mafana Fo Sy Blaogera Voatazona Am-Ponja

  23 Oktobra 2018

Na dia saika hita ao amin'ny Facebook avokoa aza ny ankamaroan'ny hetsika rehetra izay mbola hanohizan'ny mpampiasa aterineto ny fifampizaràna lahatsary ahitana ilay blaogera Adnan Hajizade sy ilay tanora mafana fo Emin Milli, notanana am-ponja herinandro lasa izay ary voaheloka higadra roa volana an-tranomaizina alohan'ny hitsarana azy, zara raha nisy hetsika vitsivitsy hita teny amin'ny filazambaovao mahazatra, kanefa efa miova izany amin'izao fotoana izao. Na izany aza, ny filazambaovaon'olontsotra aloha no tena mbola loharanom-baovao.