Andro faha-2: Hetsika ho an'ny Demokrasia tao Nepal

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006 )

Mihoatra ny arivo no voasambotra, maro ireo voadaroka, maro no maty, ary nandrahona hampihatra ny lalàna miaramila ny Minisitry ny Atitany i Kamal Thapa. Raha nisy fotoana nahafahan'ny vondrompiarahamonina iraisam-pirenena hanolo-tanana ho fanehoana firaisankina, fotoanany izao. Noresahan'ny ny Demokrasia Ho an'i Nepal, DFN teo anivon'ny zanaka nepaley am-pielezana sy ny naman'i Nepal ny mikasika ny tranga roa tany New York : ny April 8: Ny Taombaovao, ny 9 Aprily

Nomen'ny blaogin'ny Global Voices iray tolotra avy amin'ny sampandraharaha maneran-tanin'ny BBC ilay blaogera mba handray anjara amin'ny resaka iray momba an'i Nepal: BBC Calls. Manana sary i Phalano.com: Sarin'ny Andro 1, Sarin'ny Andro 2

Manana fandrakofana amin'ny antsipirihany momba ilay hetsika an-dalambe ny INSN: Patan: 1990 Niverenana Nojerena, Tatitra mikasika ireo FisamboranaManambara ny Fahaleovantenan'i Kirtipur ireo Mpanohitra, Andro 1: Iray maty, An'arivony ireo Nosamborina Manerana ny Firenena, Roa Naratra Noho ny Tifitry ny Polisy, Mpanao Fihetsiketsehana Miatrika Ireo Polisy Manerana ny Lohasaha.

Manana fandrakofana tsara vitsivitsy momba ilay hetsipanoherana ny United We Blog, UWB, : Kirtipur sy Patan Amin'ny Alalan'ny Fakantsary, Ny Adalàm-Panjakana, Fanavaozana Mikasika ny Fikomiana Faobe Tamin'ny Andro Faha-2 , Diarin'ny Fikomiana Faobe Tamin'ny Andro 1, An-tsary: Fikomiana ny volana Aprily I.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.