Rahoviana i Ejypta vao hamotsotra ilay mpanao gazety mpaka sary Mahmoud Abu Zeid aka Shawkan?

Sary nozarain'ny fanentanana ho an'ny famotsorana an'i Shawkan tao amin'ny Facebook.

Tany am-piandohan'ny volana Septambra, raha namoaka sazy an-tranomaizina dimy taona ho an'ilay mpaka sary mpanao gazety Mahmoud Abu Zeid ny Fitsarana Ady Heloka Bevava tao Kairo, dia nisento ireo mpanohana azy.

Nogadraina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna i Mahmoud Abu Zeid, fantatra ao amin'ny aterineto amin'ny anarana Shawkan ary notsaraina noho ny fakàna sary ny fanaparitahana mihoso-drà ny sit-in tao Rabaa El Adaweya tamin'ny taona 2013, izay nahafatesana olona 817 farafahakeliny notafihan'ny mpitandro ny filaminana tamin'izany ary nandratra olona maro hafa. Niasa tao amin'ny Demotix i Shawkan tamin'izany fotoana izany.

Satria efa nandany dimy taona an-tranomaizina miandry ny fitsarana azy ity lehilahy 31 taona ity, dia nisy ny fanantenana fa tsy higadra fanampiny intsony izy. Saingy androany, iray volana mahery taorian'ny didim-pitsarann'ny fitsarana Kairo, mbola migadra i Shawkan.

Notsaraina niaraka tamin'ireo olona 739 hafa voampanga tamin'ny antsoina hoe “Raharaha Fanenjehana an'i Rabaa” i Shawkan. Nosamborina izy tamin'ny 14 Aogositra 2013 raha nitatitra ny sit-in, izay nahitana ireo mpanohana ny filoha Ejipsiana teo aloha Mohamed Morsi nanao hetsi-panoherana ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila izay namarana ny fitondrany tamin'ny 3 jolay tamin'io taona io. Efa nandany efa ho efa-taona teo ho eo tamin'ny fanagadrana mialoha ny fitsarana i Shawkan, fanagadrana mialoha ny fitsarana izay manitsakitsaka ny lalàna Ejiptiana mamaritra ny fetra farany ambony indrindra ho roa taona.

Tamin'ny 8 septambra 2018, voaheloka noho ny fiampangana tsy ara-drariny momba ny famonoana olona sy ny fifandraisana amin'ny Mpirahalahy Miozolomana, izay nofaritan'ny governemanta Ejiptiana ho vondrona mpampihorohoro izy.

Nandritra io fitoriana io ihany, mpikambana malaza 75 sy mpikambana ao amin'ny Mpirahalahy Miozolomana no voasazy ho faty, ary voampanga 47 hafa no voasazy higadra mandra-pahafaty.

Na dia nanantena aza fa ho avotsotra tsy ho ela izy, mbola tsy tapitra ny fijalian'i Shawkan, ary tsy misy fanazavana ampahibemaso hoe nahoana i Shawkan no mbola any am-ponja hatramin'izao. Manohy mitaky ny famotsorana azy ireo mpanohana azy.

#Egypt: Iray volana mahery taorian'ny didim-pitsarana tsy ara-drariny nanameloka azy 5 taona am-ponja efa natao, mbola any am-ponja ilay mpaka sary mpanao gazety @ShawkanZeid. Tokony havotsotra tsy misy hatak'andro izy

Tamin'ny fanambarana nivoaka tamin'ny 11 Oktobra, niantso ny manampahefana Ejiptiana hamotsotra an'i Shawkan sy nanameloka ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fitsarana azy ny tambajotra Arabo misahana ny Torohay momba zon'olombelona (ANHRI):

The first blow came when officials, officers, and soldiers had been excluded in the indictment or the formal statement of accusations, despite the hundreds of victims who fell on 14 August 2013, the day the sit-in was dispersed. The second blow is that hundreds of defendants had already exceeded the maximum period of pretrial detention by law. And finally, those who already served their full sentences are being deprived of the right to be released, in a blatant disregard of the judiciary decisions.

Nitranga ny fipoahana voalohany rehefa tsy nampidirina tao anatin'ny fanambarana fiampangana ofisialy ireo manampahefana, manamboninahitra, sy miaramila na dia teo aza ireo olona an-jatony lavo tamin'ny 14 Aogositra 2013, andro nanaparitahana ny sit-in. Ny fipoahana faharoa kosa dia ireo voampanga an-jatony efa nigadra nihoatra ny fe-potoana ambony indrindra amin'ny fitazonana am-ponja vonjimaika. Ary farany, ireo izay efa nanefa ny saziny feno dia mbola tsy nomena ny zony hivoaka, manitsakitsaka ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.

Ny manjo an'i Shawkan dia mitovy amin'ireo maro hafa izay mbola mikorontana amin'ny gadra Ejiptiana. Ireo izay nosamborina noho ny fiampangana ara-politika tao Ejipta kosa dia niharan'ny fanitsakitsahan-dalàna maro, anisan'izany ny fisamborana tsy ara-drariny, ny fanjavonana an-katerena, ​​ny fampijaliana, ny fitazonana am-ponja mitarazoka ary fanagadrana mitokana.

Tamin'ny 10 Oktobra, nandritra ny enin-taona nifanesy, nankalaza ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany tany am-ponja i Shawkan, rehefa feno 31 taona izy. Tsingerintaona anankifiry no mbola hankalazainy any am-ponja?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.