· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2017

Shina: Ny Fanavotana Ny Lahatsary 

  14 Oktobra 2017

Haingana dia efa nivoaka ny vaovao tamin'ny alalan'ny bilaogy Shinoa  sy ny BBS rehefa nivoaka hanao hetsi-panoherana ny fanambarana farany ofisialy momba ny fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'i Dai Haijing, mpampianatra sekoly ambony ny olom-pirenena  an'aliny ao Ruian, Zhejiang na dia teo aza ny fandrarana avy amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra'.

Iran: Nivoaka Ny Efitra Ireo Diplaomaty Nandritra Ny Kabarin'i Ahmadinejad

Nipoitra tamin'ny lohatenim-baovao lehibe indray ny filoham-pirenena Iraniana Mahmoud Ahmadinejad androany, raha nanondro an'i Isiraely ho "fanjakana mpanavakavaka" tamin'ny kabariny nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny fanavakavahana tany Genève, Soisa. Nivoaka ny efitra ireo solontena avy amin'ny firenena Eoropeana maromaro ho fanoherana ny fanamarihan'i Ahmadinejad.