· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2017

Bangladesh: Mankalaza Ny Andron'ny Tenin-dReny

  10 Oktobra 2017

Ny 21 no Ekush ho an'ny Bangla, ary midika faha-21 ny hoe Ekushey. Ao Bangladesh, 'Ekushey' dia mitovy dika amin'ny 'Ekushey Febroary' ihany, andro izay ankalazan'ny Bangla ny Hetsika mikasika ny Fiteny sady fanomezam-boninahitra ho an'ireo namoy ny ainy noho ny anarany tamin'ny faha-21 Febroary 1952.

Thailandy: Fandrahonana sy Fanitsakitsahana ny Fahalalahan'ny Aterineto

  05 Oktobra 2017

Notaterin'i Aim Sinpeng fa nitohy ny fanivànana aterineto ao Thailandy na eo aza ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ireo fifidianana farany teo. Tohizan'ny governemanta ny fibahanana traonkala an'arivony noho ny fanitsakitsahana ny lalàna ao an-toerana. Marobe ihany koa ireo bilaogera no nosamborina fa nolazaina ho nanevateva ny fianakavian'ny mpanjaka.

Lahatsary: Tsy Manana Hialofana Saingy Tsy Voatampim-Bava

  03 Oktobra 2017

Avy any Kolombia hatrany Kanadà, mandalo ny Royaume-Uni sy Etazonia, maro ireo fandraisana andraikitra teraka mba hanomezana fitenenana ireo olona farahidiny sy adinon'ny fiarahamonina: ny ankizy, ny vazimba teratany, ireo mpifindramonina ary ny vondrom-piarahamonina pelaka.