Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Iran: Hetsika Maitso Vonona Amin'ny Fihetsiketsehana 11 Febroary

(Marihana fa efa tamin'ny volana Febroary 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

11feb

Vonona ny Hetsika Maitso hihantsy ny fitondrana Iraniana amin'ny hetsi-panoherana indray – amin'ity indray mitoraka ity, dia atao mandritra ny tsingerintaona faha-31-n'ny Revolisiona Islamista amin'ny 11 Febrorary (22 Bahman). Mandritra ity herinandro ity, hankalaza ny andro izay nanamarika ny fiafaran'ny fanjakana notohanan'ny tandrefana tao Iran sy ny fiandohan'ny Repoblika Islamika ny Fanjakana Iraniana. Araka ny tati-baovao avy ao Iran, nosakanana andro vitsy alohan'ny hetsi-panoherana ny fidirana amin'ny aterineto, ny mailaka, sy ny tolotra fandefasan-kafatra an-tsoratra.

Nanao fihetsiketsehana nanomboka ny volana Jona 2009 ny mpanohitra Iraniana mba hanohitra ny governemanta Iraniana sy ilay voalaza fa fanodinkodinana ny valim-pifidianana filoham-pirenena  .

Naneho hevitra momba ny andron'ny fihetsiketsehana ho avy sy namorona asa zavakanto ny median'olon-tsotra sy ny artista Iraniana.

Soheil Tavakoli, mpanakanto namorona horonantsary vaovao miavaka ahitana hosodoko nomerika (fizarana faha-3 amin'ny andian-tantara). Amin'ny faran'ny lahatsary, maminavina ny fandresena ho an'ny Hetsika Maitso sy Iraniana afaka ity mpanakanto ity – ka na ireo mpitondra fivavahana aza dia vonona ny halaina sary eo akaikin'ireo vehivavy manao zipo sy tsy manao voaly

United4Iran izay mandrindra sy manamafy ny feon'ny mpikatroka, ny mpampianatra ambony, ny ONG, ny mpanakanto sy ny hafa maniry ny hiasa momba ny resaka zon'olombelona sy ny zo sivily ao Iran, dia namoaka lahatsary ihany koa mba hampahafantatra ny fihetsiketsehana ivelan'i Iran mifandraika amin'ny 11 febroary.

Green Wave Voice ihany koa namorona sombin-kira fampahafantarana ny fihetsiketsehana 11 febroary izay nanamafisana ny teny hoe “herim-po”, “fitokisana” ary “demokrasia”.

https://youtube.com/watch?v=wmS4zR0wuTo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.