Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Iran: Eo An-dalana Ny Fanomanana Ny Fihetsiketsehana Andron'ny Mpianatra

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)

Hokarakaraina amin'ny 7 Desambra manerana izao tontolo izao ny fihetsiketsehana “Andron'ny Mpianatra” [16 Azar] ao Iran izay manohitra ny famoretana mpianatra ao Iran. Tamin'ny taona lasa, an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fitondrana Islamika tamin'ny alalan'ny fihetsiketsehana nandritra ny Andron'ny Mpianatra, ary nihiaka teny filamatra nanohitra an'i Ali Khamenei, mpitarika ny Repoblika Islamika, sy nanohitra ny politikan'ny raharaham-bahinin'ny governemanta. Nihiaka ihany koa izy ireo hoe “Aiza ny safidiko?”.

Antso maitso avy ao Londra

 Nandefa mailaka faobe sy nanasa ireo mponin'i Londra ny London Green Movement:

16 Azar has always been regarded as the symbol of Iranian student movement combating tyranny and demanding democracy and freedom since 1953, nevertheless each and every repressive attempt has been made, however unsuccessful, to silence the students’ voices by the dictator! Once again, we will gather to stand by Iranian students in their struggle for democracy and freedom, remembering those courageous souls who stood up for their rights and spoke out against brutal IRI repression and despotism, likes of Majid Tavakoli and over 70 other students who have been imprisoned ever since and many more who have been expelled from universities across Iran for practicing their right to freedom of speech and assembly!

16 Azar dia noheverina hatrany ho mariky ny fihetsiketsehan'ny mpianatra Iraniana miady amin'ny didy jadona sy mitaky ny demaokrasia sy ny fahalalahana hatramin'ny taona 1953, na izany aza, nisy ny ezaka famoretana rehetra nataon'ny mpanao didy jadona, na dia tsy nahomby aza, mba hampanginana ny feon'ny mpianatra! Hiverina hiaraka amin'ireo mpianatra Iraniana indray isika amin'ny adin'izy ireo ho amin'ny demaokrasia sy ny fahalalahana, hahatsiaro ireo fanahy be herim-po izay nijoro hiaro ny zon'izy ireo sy nanohitra ny famoretana mahery vaika sy ny tsy refesi-mandidin'ny IRI,  tahaka an'i Majid Tavakoli sy ireo mpianatra 70 mahery izay nogadraina hatramin'izay ary ireo maro hafa izay voaroaka tany amin'ny oniversite manerana an'i Iran noho ny nampiharan-dry zareo ny zon'izy ireo amin'ny fahalalahana miteny sy ny fivoriana!

Nisy ihany koa ny lahatsary Youtube nalefa tamin'izany ahitana andian-tsary avy amin'ny hetsi-panoherana Iraniana.

https://youtube.com/watch?v=2ocs4jcP3o4

Hetsi-panoherana ny seza foana

Politicsofresistance any Holandy nanoratra hoe:

In response to the persistent harassment of Iranian students, we have held a protest of empty chairs at the Rietveld Academy of Art and Design in Amsterdam. Students would enter the building and see a class of empty chairs. Some of them would read the information and get on with their business. Others would also sit down and write something for a student in Iran. These messages will be sent to a few of them or their families.

Ho setrin'ny fanorisorenana maharitra ataon'ny mpianatra Iraniana, nanao fihetsiketseham-panoherana seza foana izahay tao amin'ny Akademia Rietveld miompana amin'ny zavakanto sy ny haibika tao Amsterdam. Hiditra ao amin'ny trano ireo mpianatra ary hahita kilasy iray foana tsy misy olona ny seza. Ny sasany amin'izy ireo dia mamaky vaovao ary manohy ny asany. Ny hafa koa dia mipetraka ary manoratra zavatra ho an'ny mpianatra ao Iran. Ho alefa any amin'ny vitsivitsy amin'izy ireo na ny fianakaviany ireo hafatra ireo .

Namoaka sary maromaro (eo ambony ny iray) ihany koa ity tranonkala ity ary nilaza hoe:

Around 100 students are currently in prison. Over 100 have been expelled and an unaccounted number have been banned from entering universities in IRAN.

Mpianatra manodidina ny 100 no migadra amin'izao fotoana izao. Maherin'ny 100 no voaraoka ary isa tsy tambo isaina no voaràra tsy afaka mianatra any amin'ny oniversite ao IRAN intsony.

Velona ny Oniversite

Abai, an Iranian blogger says [fa] the plans for 16th of Azar show that the university is still alive despite all wounds on its body. The blogger mentioned the name of several jailed and persecuted bloggers, such as Majid Tavakoli.

Abai, bilaogera Iraniana nilaza fa ny drafitra amin'ny faha-16 Azar dia mampiseho fa mbola velona ny oniversite na dia eo aza ny ratra rehetra amin'ny vatany. Nanonona ny anaran'ireo bilaogera nogadraina sy nenjehina maromaro, tahaka an'i Majid Tavakoli ihany koa izy.

Tao amin'ny YouTube, lahatsary iray hafa milaza fa maneho ny fivorimborian'ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tehran mihiaka hoe “Miala ny mpanao didy jadona” tamin'ny 6 Desambra.

https://youtube.com/watch?v=qfUdC-X3fvg%3Ffs%3D1

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.