Nandravarava tanteraka sy namono olona rehefa nitety an'i Mozambika, Malawi ary Zimbaboe tany atsimon'i Afrika ny rivodoza tropikaly Idai.
Farafahakeliny olona miisa 162 no namoy ny ainy nandritra ilay oram-batravatra nandravarava nanerana an'i Mozambika sy Zimbaboe. Saika voafafa tanteraka ny tanàndehiben'i Beira tao Mozambika.
#UPDATE A cyclone that slammed into Mozambique last week has damaged or destroyed 90 percent of the city of #Beira, the Red Cross says, as the death toll in the country and neighbouring Zimbabwe rose to 157 https://t.co/vZYLj71n4A #CycloneIdai pic.twitter.com/LiWR2MWIsY
— AFP news agency (@AFP) March 18, 2019
VAOVAO FARANY: Nandrava sy nanimba ny 90 isan-jaton'ny tanàndehiben'i Beira ny rivodoza izay namely an'i Mozambika tamin'ny herinandro lasa teo, hoy ny Vokovoko Mena raha sady niakatra ho 157 ny isan'ny maty tao amin'ny firenena sy tany Zimbaboe mpifanolo-bodirindrina aminy.
Ity misy sarintany ahitana ny fandalovan'ilay rivodoza :
Sofala, Manica, Zambezia and Inhambane provinces in #Mozambique have been hardest hit by #CycloneIdai
Initial reports indicate significant damage to Beira and surrounding areas, including destroyed houses.https://t.co/dAj2RpQKar pic.twitter.com/1eTv9wdmso
— OCHA Southern & Eastern Africa (@UNOCHA_ROSEA) March 16, 2019
Ny faritanin'i Sofala, Manica, Zambezia sy Inhambane any Mozambika no tena voa mafy tamin'ny fandalovan'ny rivodoza Idai.
Ny tatitra voalohany no manondro faharavana goavana ao Beira sy ny faritra manodidina, tafiditra amin'izany ny trano rava
Tao Zimbaboe fotsiny no nahitana olona maty miisa 89 farafahakeliny, izay mbola atahorana ny hiakaran'ny antontan'isa, any amin'ny distrikan'i Chimanimani any Manicaland, 406 km any atsinanan'ny renivohitr'i Zimbaboe, Harare, satria dia lasan'ny oram-baratra tropikaly ny trano sy tetezana maro nanomboka ny Zoma teo.
Some people still attempt to cross this bridge in Chimanimani #Zimbabwe despite the danger
Cyclone #Idai pic.twitter.com/sVC6dDW6jr— harumutasa/aljazeera (@harumutasa) March 17, 2019
Mbola misy ny olona sasany miezaka miampita ny tetezana ao Chimanimani ao Zimbaboe na dia eo aza ny mety ho zava-doza vokatry ny rivodoza.
Olona mihoatra ny 300 no tsy hita araka ny governemanta.
Nilaza ny Firenena Mikambana ao Zimbaboe fa olona maherin'ny 8.000 no niharan'ny tondra-drano any amin'ireo faritra atsinanan'ny firenena.
“Mampalahelo fa olona maro no namoy ny ainy ary fananana maro no simba ,” hoy ny Firenena Mikambana ao Zimbaboe, tao amin'ny sioka:
#UN in #Zimbabwe is on the ground in Chimanimani district and other areas to support ~8,000ppl affected by flooding & landslides caused by #Cycloneidai. Sadly, lives have been lost & properties destroyed. Please take heed to SMS & media alerts by Civil Protection
— UN Zimbabwe (@UNZimbabwe) March 16, 2019
Any an-toerana any amin'ny distrikan'i Chimanimani ny Firenena Mikambana ao Zimbaboe sy any amin'ny faritra hafa mba hanampy ireo olona miisa 8.000 niharan'ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany vokatry ny rivodoza Idai. Mampalahelo fa olona maro no namoy ny ainy ary fananana maro no simba. Miangavy anareo mba hanaraka tsy tapaka ny fanairana amin'ny alalan'ny hafatra SMS sy ny fampitam-baovao avy amin'ny Fiarovana Sivily.
Araka ny voalazan'ny governemanta, tany Chimanimani no namely mafy indrindra ary nahitana olona betsaka indrindra namoy ny ainy ny rivodoza Idai izay namely ny tanana Ngangu. Trano an-jatony no simba noho ny fianjeran'ny fotaka sy ny vato.
Avy any amin'ny Oseana Indiana ny oram-baratra ary nitarika ny oram-batravatra izay nanomboka tany Mozambika ny Alakamisy, niaraka tamin'ny rivotra manana hafainganam-pandeha 160 kilaometatra isan'ora, ary voalaza fa niteraka onjan-dranomasina tafakatra hatramin'ny 9 metatra ny haavony.
We have no idea how much damage Cyclone Idai has caused – human and otherwise – especially in the area around Beira. Roads are blocked, power lines are down, cell phones are offline. It could be much worse than we know so far. https://t.co/sOpkTvbZ6W
— Simon Allison (@simonallison) March 18, 2019
Tsy fantatray ny habetsahan'ny fahasimbana vokatry ny rivodoza Idai- na teo amin'ny olombelona na teo amin'ny zavatra hafa- indrindra tany amin'ny faritra manodidina an'i Beira. Tapaka ny lalana, tapaka ny herinaratra, tapaka ny tambajotra finday. Mety ho ratsy kokoa noho izay fantantsika hatreto.
Nohetsehana hanampy amin'ny famindrana ireo niharam-boina ny polisy sy ny miaramila.
Efa hita nihatsara tanteraka ny fahitana, araka ny filazan'ny minisiteran'ny serasera ary hanampy ireo angidimbin'ny tafika hamindra toerana olona bebe kokoa izany.
The Airforce of Zimbabwe and the Zimbabwe National Army are on the ground saving lives.
President @edmnangagwa has deployed an Elite Team from the ZDF, CIO & other security forces to deliver aid & rescue victims of Cyclone Idai
Military Engineers will also assist in rebuilding pic.twitter.com/5D35YO7RRx
— Kudzai Mutisi (@KMutisi) March 17, 2019
Nandefa Ekipa Sangany avy ao amin'ny Tafika Zimbaboeana hanavotra olona.
Naniraka vondro-tafika hafa ny Filoha Edmnangagwa mba hitondra fanampiana sy hamonjy ireo niharam-boina tamin'ny rivodoza Idai.
Hanampy amin'ny fanarenana ihany koa ireo miaramila injeniera
Nilaza ny minisitry ny governemanta Julio Moyo fa hita mitsingevana eny amin'ny renirano ireo razana ankehitriny ary tsy misy zavatra betsaka azo atao amin'izao fotoana izao.
Tapaka ny lalana, ny tetezana ary ny telefônina amin'izao fotoana ary trano an-jatony no rava.
Nilaza ny talen'ny Vokovoko Mena Iraisam-pirenena (IRC) ao Zimbaboe Paolo Cernuschi fa niezaka nanatratra ireo vondrom-piarahamonina voakasiky ny rivodoza ny ekipan'ny IRC ao Zimbaboe saingy henjana ny fahasimban'ny fotodrafitrasa ary tsy tody tany Chimanimani na Chipinge ny ekipa.
“Efa mivoatra ny fanamboaran-dalana maika ka hiezaka indray izahay rahampitso maraina,” hoy Cernuschi.
Our @theIRC teams here in #Zimbabwe are trying to reach the communities affected by #CycloneIDAI but the infrastructure damage is severe and our teams couldn’t reach Chimanimani nor Chipinge. Urgent road repairs in progress, so we’ll try again in the morning. pic.twitter.com/82VZATHION
— Paolo Cernuschi (@PaoloCernuschi) March 17, 2019
Miezaka manatratra ireo vondrom-piarahamonina voakasiky ny rivodoza Idai ny ekipanay IRC eto Zimbaboe saingy henjana ny fahasimban'ny fotodrafitrasa ary tsy tody tany Chimanimani na Chipinge ny ekipanay. Efa mivoatra ny fanamboaran-dalana maika ka hiezaka indray izahay rahampitso maraina
Nanangana komity iraisan'ny minisitera ny governemanta ao Zimbaboe tamin'ny Alahady maraina ary nametraka sobakomity miisa 10 taorian'izay hiandraikitra ireo faritra voadona mafy .
Hiandraikitra ireo faritra mifandraika amin'ny fiantohana ara-tsakafo, ny fanampiana ara-pitaovana, ny fiarovana sy ny fialofana, ny fitaterana, ny rano ary ny fanadiovana any amin'ireo faritra hafa voadona mafy ireo komity.
Nilaza ny manampahefana iray avy ao amin'ny Sampan-draharaha misahana ny Famantarana ny Toetr'andro fa efa nihena be ny herin'ny rivodoza ary nivadika avy any atsinanana nankany amin'ny faritra avaratratsinanan'i Zimbaboe.
“Rotsak'orana hatramin'ny 200 milimetatra no voarakitra tao Chipinge [any atsinanan'i Zimbaboe], 118 milimetatra tany avaratr'i Chipinge, ary 102 milimetatra tao Buhera [atsimo-atsinanan'i Zimbaboe],” hoy ilay manampahefana .
Nampitandrina izy fa mety mbola ho tratran'ny tondradrano ny faritra avo any atsinanan'ny firenena noho ny oram-batravatra ary nanoro hevitra ny vahoaka mba tsy handeha ho any amin'io faritra io.
Tsy dia nisy ny orambe tamin'ny Alatsinainy, niaraka tamin'ny orana madinika ary antenaina fa ho tsara kokoa ny toetr'andro manomboka Alatsinainy.
Mbola haharitra ny ezaka fanarenana ary mbola mitohy ny ezaka fanampiana.