Ejipta : Nosamborin’ny tafika ary navotsotra avy eo i Wael Abbas

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Febroary 2011).

Anisan’ny fitantaranay momba an’i Ejipta ity lahatsoratra ity.

Notazonina teo amin’ny adiny iray teo androany ilay bilaogera Ejipsiana fanta-daza Wael Abbas izay nanampy tamin’ny fampahafantarana ireo fampijaliana sy ny herisetran’ireo mpitandro ny filaminana, izay nampitombo ny ahiahin’ireo mpisera Aterineto manerana izao tontolo izao. Anisan’ireo voatazona omaly ilay bilaogera Sandmonkey izay teny an-dalana hitondra fanampiana ara-pitsaboana ho any amin’ny kianja Tahrir.

Wael Abbas

Wael Abbas

Niparitaka haingana ny siokany hoe ‘’nosamborin’ny tafika’’ ary nahatonga ireo namany hilatsaka tao an-kianja tao anatin’ny hadalan'ny fikarohana azy.

Navoaka nanomboka tamin’izay i Wael Abbas, saingy sorena izy tamin’ny fanakanana azy ‘’isaky ny misy ny sakana’’, satria noahiahiana ho vahiny izy sy ny namany. Nampitombo ny adiny tamin’ireo mpanao gazety ny fitondrana Ejipsiana, niaraka tamin’ny famoretana nifantoka tamin’ireo mpikatroka politika sy ny fiarahamonim-pirenena omaly, ary ny mpanao gazety iraisam-pirenena ihany koa tetsy andaniny, ka namela ireo mpanao fihetsiketsehana tsy nisy mpitarika, ary nanampim-bava ny mpanao gazety tetsy ankilany. Tahaka ny zava-nitranga teo aloha dia tsy nahomby ihany koa izany ary feno ny hafaliana androany raha nilahatra nandritra ny tontolo andro aza ireo olona an-tapitrisany mba hiantso ny fialan’i Moubarak.

Nanohy nampita mivantana  ireo fihetsiketsehana tao amin’ny Bambuser i Wael Abbas, tahaka ireo mpikatroka maro hafa ao amin’ny Aterineto. Hita eto ireo lahatsariny.

Ireto ny sasany tamin’ireo fanehoan-kevitra tao amin’ny Twitter, taorian’ny fanambarana momba ny fisamborana azy :

@OuiamY: Le leader de la contestation de la jeunesse Wael Abbas et Michael Nabil arrêtés. C'est ça la liberté promise par le régime de Moubaraks ? #jan25 #tahrir

@OuiamY : Nosamborina ny mpitarika ny hetsi-panoheran’ny tanora Wael Abbas sy i Michael Nabil. Izany no fahalalahana nampanantenain’ny fitondrana Mobarak ?

@RamyYaacoub: Dernière heure : il paraît que le blogueur Wael Abbas (@waelabbas) a été arêté par l'armée #Egypt #Jan25

@Ramy Yaacoub : Vaovao farany : toa nosamborin’ny tafika ilay bilaogera Wael Abbas.

@ahmed: Wael Abbas (@waelabbas) vient de tweeter qu'il avait été arrêté par l'armée ! #Egypt #Jan25

@ahmed : Vao avy nisioka i Wael Abbas fa nosamborin’ny tafika izy !

Nitohy niraradraraka hatrany ireo sioka rehefa nandeha ny fotoana:

@ghazamfar: #Egypt: Le blogueur arrêté Wael Abbas OK — 5 autres avec lui — Pourrait être sous la garde de la police militaire http://tinyurl.com/6egmefh #Jan25

@ghazmfar: Egypta: Nosamborina ilay bilaogera Wael Abbas – olona 5 hafa niaraka taminy- Mety notanan’ny polisy izy ireo.

Dia tonga ny vaovao tsara avy eo:

@weddady: Quelqu'un peut-il SVP confirmer qu'il est libre ? RT @aonahrawy: @waelabbas vient d'être libéré de garde à vue @monaeltahawy @3arabawy @ShawkattRaghib

@weddady : Misy olona afaka manamarina ve AZAFADY fa afaka izy ?
@aonahrawy : Navotsotra rehefa notanana vetivety i Waelabbas

Lasa ihany koa ny fanontaniana momba ireo fampanantenana natao hanoherana ireo herisetra atao amin’ny mpanao gazety sy ireo mpanao fihetsiketsehana :

@bencnn: #Egypt centre de presse dément politique officielle ciblant les journalistes. “Les actes de violence contre les journalistes sont inacceptables, les médias toujours bienvenus”

@bencnn : Nanda ny politika ofisialy hanaovana lasibatra ireo mpanao gazety ny foiben’ny gazety ao Ejipta. ‘’ Tsy azo ekena ny herisetra atao amin’ireo mpanao gazety, tongasoa hatrany ny fampahalalam-baovao’’

@Indiffirent: Alors où est Wael Ghonim & pourquoi Wael Abbas a été arrêté RT@AlArabiya_Eng Le Premier ministre égyptien : le gouvernement s'engage à ne pas réprimer les manifestants#Jan25

@Indiffirent : Aiza ary i Wael Ghonim ary nahoana no voasambotra i Wael Abbas. Ny Praiminisitra Ejiptiana : manaiky ny tsy hanao famoretana amin’ireo mpanao fihetsiketsehana ny governemanta

Nandritra izany fotoana izany, nitohy hatrany ny fikarohana an’ilay mpiasan'ny  Google Wael Ghonim , izay nanjavona hatramin’ny 25 Janoary (2011).

@monasosh: Recherches pour @Ghonim continuent, si vous avez UNE info envoyez email à infoaboutwael@google.com ou appelez le +44 20 7031 3008. Faisons revenir notre ami #Jan25

@monasosh : Mitohy ny fikarohana an’i @Ghonim, mandefasa mailaka any amin’i infoaboutwael@google.com na miantsoa ny laharana +44 20 7031 3008 raha manam-baovao ianao. Ataovy izay hiverenan’ny namantsika

Nanome ny lisitr’ireo olona nosamborina hatramin’ny nanombohan’ny fihetsiketsehana tamin’ny 25 Janoary (2011) ny @ircpresident :

أسماء المعتقلين بعد 25 يناير منها @om_elhol @nadeen_aboshady @waelabbas @Ghonim http://on.fb.me #Jan25
Ity no lisitr’ireo olona nosamborina taorian’ny 25 Janoary (2011)

crédit Photo credit: Hossam ElHamalawy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.