Voampanga ho ‘niketrika ditra’, navotsotra ilay mpanao gazety Luis Carlos Diaz ao Venezoela

Luis Carlos Diaz (ankavanana) miaraka amin'i Marco Ruiz avy ao amin'ny Sendikà Nasionalin'ny Mpiasan-gazety(SNTP, ankavia), fotoany fohy taorian'ny famotsorana azy. Pikantsary avy amin'ny lahatsary navoakan'ny SNTP.

Teo amin'ny misasakalina tamin'ny 12 Martsa, nanamafy ny Sendikà nasionalin'ny Mpiasan-gazety ao Venezoelà fa navotsotry ny manampahefana Venezoelana ilay mpanao gazety sady mpiaro ny zon'olombelona Luis Carlos Diaz rehefa notazonina nandritra ny 24 ora teo.

Voampanga ho “nikonokonona ditra” (instigación a delinquir) izy ary navotsotra narahana fepetra fa hitatitra any amin'ny manampahefanan'ny fitsikilovana (SEBIN) isaky ny valo andro, ary hijanona ao amin'ny faritany Venezoelana. Voaràra tsy hiresaka momba ny zava-niainany tamin'ny fitazonana azy ihany koa izy.

Tsy hita ity mpanao gazety 34 taona ity ny harivan'ny 11 Martsa. Ny 12 Martsa tamin'ny 2:30 maraina, nitondra azy tany amin'ny efitranony miaraka amin'ny tanana mifatotra ireo mpitandro filaminana. Niditra tao amin'ny tranon'izy sy ny vadiny izy ireo, naka ireo fitaovana elektronika maromaro, ary avy eo niala ny efitra sy nitondra an'i Diaz niaraka tamin'izy ireo

Ora maro taty aoriana, nitangorona teo ivelan'ny biraon'ny fampanoavana ireo mpanao fihetsiketsehana am-polony ho firaisankina amin'ny vadin'i Diaz, Naky Soto, izay mpikatroka sady mpanadihady ara-politika malaza ihany koa.

Mpanao fihetsiketsehana nitangorona teo ivelan'ny biraon'ny fampanoavana mba hitaky ny famotsorana an'i Luis Carlos. Hoy ny vakin'ny afisy hoe: “Zon'olombelona ny miaro, mampahafantatra sy manome ny heviny.” Sary tao amin'ny Twitter. 

Nanomboka ny maraimben'ny 12 Martsa, nahita fanohanana marobe avy amin'ny tambajotran'ireo fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny zon'olombelona manerantany mitaky ny famotsorana azy ny aterineto. Nanome lalana ny #LiberenaLuisCarlos (Avotsory i Luis Carlos) ny tenirohy #DondeEstaLuisCarlos (Aiza i Luis Carlos), izay nanjary lohahevitra voalohany malaza indrindra teo amin'ny tontolon'ny twitter Venezoeliana sy anisan'ireo sioka nahatratra ny tampony manerantany.

Taorian'ny famotsorana azy, nisioka ho an'ireo namany tamin'ny alalan'ny kaontin'ny vadiny i Diaz, misaotra azy ireo noho ny fanohanana nasehoan'izy ireo.

Farany, efa fantatro fa manana namana mahafinaritra aho, saingy ny fanontaniako ankehitriny dia hoe: Ahoana no ahafahan'izy ireo mifandray?

Tsy nieritreritra mihitsy aho fa ho tonga amin'izao. Tena tsy mampino izany. Efa ora maro aho izay no namaky ny vaovao ary mbola tsy vita. Misaotra anareo.

Mpikambana ato amin'ny fiarahamonina Global Voices efa ela i Luis Carlos. Niasa ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fampiasana tambajotra nomerika nandritra ny folo taona mahery izy mba hitazonana ny fidiran'ny daholobe amin'ny fampahalalam-baovao eo anivon'ny krizy misy any Venezoela. Nampiantrano fandaharana lahatsary malaza be (taloha tao amin'ny YouTube, ankehitriny ao Patreon) izy sy i Soto izay anoloran'izy ireo vazivazy sy fanehoan-kevitra ara-politika.

Fantatra amin'ny fisainany, ny fahaiza-manaony amin'ny maha-mpiara-miasa sy mpanolotsaina azy, ary ny fahaizany tsy manam-paharoa amin'ny fahatakarana sy fanazavana ny tontolo manodidina ny fifandraisana nomerika ao Venezoela i Luis Carlos.

Faly ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices fa salama sy eo anivon'ny fianakaviany ny mpiara-miasa aminay. Hanohy hanara-maso ny raharahany isika amin'ny fivoaran'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.