Simba ny demaokrasia ao Albania, miala ao amin'ny parlemanta ny mpanohitra ka manao famoriam-bahoaka goavana

Fihetsiketsehan'ny mpanohitra Albaniana tao Tirana, 21 Febroary 2019. Sary avy amin'i Ivana Dervishi / BIRN Albania, nahazoana alalana. 

Albaney an'arivony no nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka notarihan'ny mpanohitra tamin'ny 21 Febroary tao an-drenivohitra Tirana. Mitaky fifidianana vaovao izy ireo taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Voice of America sy ny Balkan Investigative Reporting Network nilaza fa niara-niasa tamin'ny andian-jiolahy tamin'ny tetikady fividianam-bato ireo manampahefam-panjakana tamin'ny fifidianana 2017.

Niampy ny fametraham-pialan'ireo mpanao lalàna mpanohitra 53 avy ao amin'ny fiarahamonin'ny elatra havia ao amin'ny Antoko Demaokraty sy ny Antoko Hetsika Sosialista Fampiatiana ny famoriam-bahoaka. Nikatona ny parlemanta nandritra ny tontolo andro, nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana ireo solombavambahoaka ka nandray fitenenana nanameloka ny hafetsena fividianam-bato voalaza fa nataon'ny governemanta. Nilaza izy ireo fa hiala amin'ny fe-potoam-piasan'izy ireo mba “hamerina izany any amin'ny vahoaka ary ho lasa olom-pirenena tsotra.”

Nanakiana ny fanapahan-kevitr'ireo mpanao lalàna ny vondrona Eoropeana sy ireo fahefana tandrefana hafa. Mikendry hanomboka fifampiraharahana feno mba hiditra ao amin'ny vondrona Eoropeana taona 2019 i Albania, mpikambana ao amin'ny OTAN.

Nampiredareda ny afo efa nilelalela teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny tantaran'ny VoA sy ny BIRN. Nandray ny asany tamin'ny taona 2013 ny Antoko Sosialista nahazo parlemantera maro an'isa, ka nahafahany nandany fanavaozana feno, anisan'izany ny fanavaozana ara-pitsarana izay manan-danja amin'ny fidiran'i Albania ao amin'ny Vondrona Eoropeana, ary lazain'ny mpanohitra fa manome tombontsoa ho an'ireo mpitsara  mpomba ny governemanta.

Na izany aza, mbola tsy nanokatra fanadihadiana ofisialy ny biraon'ny mpampanoa lalàna any Albania taorian'ny fiampangan'ny VoA sy ny BIRN.

Iray amin'ireo lehibe indrindra natao tany Albania nanomboka ny taona 1990 ny fihetsiketsehana 21 Febroary. Nanaraka ny fihetsiketsehana goavana iray hafa tamin'ny 16 Febroary ity, izay nahitàna hetsika maherisetra vitsivitsy notoherin'ny polisy tamin'ny etona mandatsa-dranomaso. Raha nilamina kosa ny fihetsiketseham-panoherana tamin'ny 21 Febroary, nosakanan'ny manampahefana nandritra ny ora maromaro ny aterineto sy ny finday mba hanakanana ireo mpanao gazety tsy hampita mivantana ny hetsika.

Raha manapa-kevitra hiroso amin'ny fanaovana ankivy ny mpanohitra, dia ity no fotoana voalohany hananan'i Albania parlemanta tantanin'ny antoko tokana hatramin'ny nirodanan'ny kominista tamin'ny taona 1992.

Manameloka ny fametraham-pialana ny Vondrona Eoropeana sy i Etazonia

Namoaka fanambarana ireo solontenan'ny Vaomiera Eoropeana, sampana mpanatanteraka ambony indrindra ao amin'ny Vondrona Eoropeana, Federica Mogherini sy Johannes Hahn, tamin'ny 21 Febroary mba handrisika ny mpanohitra tsy hanao ankivy ny fizotry ny raharaha politika ary manameloka ny fampiakaram-peo nasehon'ireo mpanao lalàna mpanohitra nandritra ny fihetsiketsehana.

Vakio ny fanambarako niarahana tamin'i ⁦@FedericaMog⁩ tamin'ny fivoaran-draharaha farany ao #Albania. Manameloka tanteraka izay lahateny ataon'ny mpitarika politika mitaky herisetra izahay. Manakana ny demaokrasia sy manohintohina ny fandrosoana natao hidirana ao amin'ny #EU ny fialàna amin'ny fe-potoam-piasana.

Hentitra ny masoivoho amerikana rehefa niantso ireo “solombavambahoaka rehetra mba hiala amin'ny disadisa ara-politika, hiala amin'ny antso handao ny fe-potoam-piasan'izy ireo, ary hiaro ireo foto-kevitra sy fitsipika fototra ho an'ny demaokrasia mavitrika.” Raha tsy manao ny asanareo ianareo, dia tsy mahomby amin'ny fanompoana ny vahoakanareo”. Hoy koa ny fanambarana ofisialy nanampy hoe:

Furthermore, the decision by the opposition to relinquish their mandates seriously hinders the functioning of democracy in Albania. The Parliament is the place where reforms and relevant developments should be discussed and taken forward, not boycotted. These decisions and acts are counterproductive, go against the democratic choice of Albanian citizens and undermine the progress the country has made on the European Union path.

Ankoatra izay, manakana tanteraka ny fiasan'ny demaokrasia any Albania ny fanapahan-kevitry ny mpanohitra hiala amin'ny fe-potoam-piasan'izy ireo. Ny Parlemanta no toerana tokony handinihana sy hampandrosoana ny fanavaozana sy ny fivoarana manan-danja ka tsy tokony hialàna. Tsy mitera-bokatra ireo fanapahan-kevitra sy fihetsika ireo, manohitra ny safidin'ny olom-pirenena Albaney mankany amin'ny demaokrasia ary manohintohina ny fandrosoana nataon'ny firenena hidirana ao amin'ny Vondrona Eoropeana.

Namaly ny fanambarana tamin'ny kabary ny lohandohan'ny mpanohitra Lulzim Basha:

Ask me whatever you want and I will do so. But do not ask me to accept for my people someone you would not accept for your people! We want for our country what is demanded from our European and American allies. We are not the people of violence, we will never accept a PM gangster caught in the act of buying votes.

Angataho amiko izay tianao ary ho ataoko. Saingy aza mangataka amiko mba hanaiky ho an'ny vahoakako, olona izay tsy ekenao ho an'ny vahoakanao! Tianay ho an'ny firenenay izay angatahan'ireo mpiara-dia aminay Eoropeana sy Amerikana. Tsy vahoaka tia herisetra izahay, tsy hanaiky praiminisitra jiolahimboto velively tratra amin'ny hetsika fividianam-bato.

Maro ireo mpikatroka sy mpanao fanadihadiana miombon-kevitra fa nihemotra ny demaokrasia any Albania nanomboka tamin'ny fanavaozana ny fehezan-dalana mifehy ny fifidianana tamin'ny taona 2008, izay nanolo ny rafi-pifidianana mahaleotena ho rafitra mifandanja ara-paritra, no sady nampihena ny faritra 40 ao anatin'ny mpifidy ho faritra 12 monja. Ny antoko lehibe indrindra no nahazo tombony tamin'ny rafitra, ary milaza ireo mpitsikera fa notanterahana tamin'ny fomba tsy misy mangarahara ny dingana ara-panaovan-dalàna nampisy ilay fepetra vaovao.

Manjaka ao Albania ihany koa ny tsy firaharahiana ara-politika: milaza ireo fanadihadiana fa tsy matoky ny antoko politika ankehitriny ny 62 isanjaton'ny olom-pirenena. Nampiseho ny fikarohana iray hafa fa ny tsy fisian'ny asa ho an'ny tanora any Albania no avo indrindra ao Eoropa ary iray amin'ny Albaney roa no te-hifindra any amin'ny firenena manankarena kokoa.

Satria mandroso mankany amin'ny tany tsy fantatra ny mpanohitra Albaney, dia ho hita eo raha handray fepetra mitondra vahaolana ny maro an'isa mba hamahana ny olana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.