Sekoly 100 Mahery May Tanaty Herisetra Fanoherana Fifidianana Tao Bangladesh

Guards carry ballot boxes and equipment to a polling station that will be used for the 10th parliamentary elections. Image by Naveed Ishtyak. Copyright Demotix (4/1/2014)

Miaramila milanja ireo vata fandatsaham-bato sy ny fitaovam-pifidianana ho ampiasaina mandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka andiany faha-10. Sary avy amin'i Naveed Ishtyak. Fizakàmanana Demotix (4/1/2014)

Nahitàna onjanà herisetra ny alin'ny fifidianana ireo solombavambahoakam-pirenena andiany faha-10 tao Bangladesh satria maherin'ny 100 ireo sekoly navadika ho biraom-pifidianana tany amin'ireo distrika 20 no nodoran'ireo mpanohitra ary tomponandraikitra taminà biraom-pifidianana iray no maty noho ny daroka nanjo azy tao Thakurgaon.

Ireo fifidianana voalahatra hatao ny 05 Janoary no tena henjana, nahitàna antoko marobe avy amin'ny mpanohitra notarihan'ny Bangladesh Nationalist Party (BNP) nanao ankivy ny fifidianana ary ny mpanohana azy ireo niditra tamin'ny fanaovana hetsi-panoherana feno herisetra nanerana ny firenena.

Nanameloka mafy ny fandoroana sekoly ireo mpampiasa tranonkala. Nanoratra i Farhana Azim Shiuly tao amin'ny Facebook:

নির্বাচন প্রতিহত করার জন্য দেশে অনেক ভোট কেন্দ্র পুড়িয়ে দেয়া হচ্ছে। এমন খবর শুনে টিভির সামনে বসে দেখলাম আগুনে যা পুড়ছে তা তো ভোটকেন্দ্র নয়। আগুনে জ্বলে যাচ্ছে সারি সারি স্কুল ঘর। বছরে ১ দিনের জন্য যাকে আমরা ভোটকেন্দ্র নামে ডাকি, বাকি ৩৬৪ দিনই তার নাম স্কুল। রাজনীতির নামে মানুষ পুড়েছে। এখন পুড়ে যাচ্ছে মানুষ গড়ার কারখানা।

Maro be ireo biraom-pifidianana voadotra nanerana ny firenena mba hanakànana ny fifidianana. Reko ny vaovao ary nitorevaka nanoloana ny TV aho nahita fotsiny hoe ireo sekolim-panjakana eo an-tanàna ireo trano nirehitra ireo raha ny marina. Efitrano fianarana maromaro no levon'ny afo. Izay nantsointsika hoe biraom-pifidianana indray andro tany amin'ny taona maro teo aloha dia toeram-pianarana no tena marina. Efa hitantsika ny hoe olona dorana tsy amin'antony noho ny resaka politika. Ankehitriny dia ny laboratoara fanofanana olona indray no dorana.

Joydeep Dey Shaplu, mpanoratra sady mpanabe, dia nanameloka ireo fandoroana ary nampahatsiahy fa efa tsy manana sekoly ampy sy sahaza ho an'ny vahoaka be ao aminy i Bangladesh :

যুদ্ধক্ষেত্রে স্কুল পোড়ানো হয় কিনা আমার জানা নেই। তবে যাই করা হোক, একবার ভাবা হয়, যুদ্ধের পর শান্তির সময় কি করে দেশ চলবে। এই বোধটাও আজ আমাদের নেই। দু'দিনের রাজনীতির জন্য তিল তিল করে গড়ে ওঠা শিক্ষাব্যবস্থাকে ধ্বংস করে ফেলা হচ্ছে। চোট পেলে সেরে যায়, বিকলাঙ্গ হলে তো কিছুই করার থাকে না। আন্দোলনের নামে পুরো জাতিটা বিকলাঙ্গ হয়ে গেলে কাদের নিয়ে দেশ চালাবেন আপনারা?

Tsy fantatro raha nisy sekoly nodorana nandritra ny ady. Fa na inona na inona natao, misy eritreritra iray ity, ahoana no fomba handrosoan'ny firenena aorian'ilay ady. Ato anatin'ny firenentsika, ny sehatra an-dalam-pivoaran'ny fanabeazana (ao anatin'ny ady ataony amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra) no potehana. Hirifiry kely manasitrana, saingy raha toa ianao tsy maha-hetsika, hijaly mandritry androm-piainanao manontolo. Raha ny firenena no giazanao tsy ho afa-mihetsika noho ny resaka hetsi-panoherana, ahoana no hitondranao ity firenana ity hiroso?

Ao amin'ny Twitter, Jabed Sultan Pias (@piasbd) mpiasa amin'ny media no nanoratra fa ravan'ny afo ny sekoliny voalohany tao amin'ny tanàna nahaterahany :

1. Ny sekoly voalohany nianarako, Sekolim-panjakana Ambaratonga Fototra Madanpur, Netrokona. Nodoran-dry zareo omaly ilay sekoly mamiko loatra.

Shah Ali Farhad (@shah_farhad) mpisolovava, nibitsika fa tamin'ity indray mitoraka ity dia ireo sekoly no lasibatr'ireo mpanao hetsi-panoherana avy amin'ny mpanohitra:

Lasibatra ankehitriny ny sekoly! Maherin'ny 100 ny sekoly nodoran'ny jiolahimboton'ny BNP Jamaat manerana an'i #Bangladesh http://t.co/MIhBy3IEX0 #SaveBangladesh  #Terrorism

— Shah Ali Farhad (@shah_farhad) 4 Janoary 2014

Opposition party supporters set a van on fire at Shanti Nagar in Dhaka, ahead of the Bangladesh National Party led 18-Party Alliance’s countrywide 84-hours strike. Image by mamunur Rashid. Copyright Demotix (9/11/2013)

Mpanohana ny antoko mpanohitra mandoro fiara eo an-dalamben'i  Shanti Nagar ao Dhaka teo anoloan'ny biraon'ny antoko Bangladesh National Party nitarika fitokonamben'ireo vovonan'antoko 18 nandritry ny 84 ora. Sary an'i mamunur Rashid. Fizakàmanana Demotix (9/11/2013)

Lasa lasibatr'ireo mpanao hetsi-panoherana ihany koa ny hazo. An-jatony ireo hazo nanamorona ny lalambe no voatapaka hampiasaina ho toy ny sakan-dàlana nandritra ireo herisetra politika tao ho ato nanerana ny firenena. Nanoratra i Sheikh Rokon tao amin'ny Facebook hoe:

Eny, ankafizo ny ‘politika’ ry namako isany. An'arivony ireo hazo nanamorona ny làlana no notapahan-dry zareo hatao ‘sakana’. Ankehitriny indray manomboka mandoro sekoly ry zareo ‘hanakànana’ ny fifidianana. Tehaka! Tehaka! Tehaka!

Efa niaina fifidianana tsy nisy mpanohitra firy i Bangladesh tany aloha, tsy naherisetra kosa ny hetsi-panoherana. Nampahatsiahy ireo mpanao hetsi-panoherana mahery setra i Arif Jebtik:

[…] এরশাদের ১৯৮৮ সালের নির্বাচন ঠেকাতে আলাদা আলাদা অবস্থান থেকে চেষ্টা করেছিল বিএনপি, আওয়ামী লীগ, জামায়াত, বামদল সহ সবাই-কিন্তু সেই নির্বাচন ঠেকানো যায়নি।

খালেদা জিয়ার ১৯৯৬ সালের ১৫ ফেব্রুয়ারির নির্বাচন ঠেকাতে আলাদা আলাদা অবস্থান থেকে চেষ্টা করেছিল আওয়ামী লীগ, জামায়াত, বামদল-কিন্তু নির্বাচন বন্ধ হয়নি।

সুতরাং আগামীকালের নির্বাচন ঠেকাতেও বিএনপি-জামায়াত পারবে না।

কিন্তু এর আগের ঘটনাগুলোয় স্কুল পোড়ানো হয়নি।
এবার স্কুলগুলো পোড়ানো গেল-এটাই নগদ লাভ। জামায়াতকে কোলে তুলে নিয়ে রাজনীতি করে বিবর্তনে এই জায়গাতেই পৌঁছাল বিএনপি!

[..] Tamin'ny 1988 nandritra ny fitondran'ny Filoha Jeneraly Ershad, niezaka hanakana ny fifidianana ireo antoko politika lehibe rehetra (Awami League, BNP, Bangladesh Jamaat-e-Islami sy ny elatra havia) saingy tsy nahomby.

Nandritra ilay fifidianana nandeha ila nataon'ny BNP ny 15 Febroary 1996, samy niezaka daholo hanohitra ny fifidianana ny Awami League, Bangladesh Jamaat-e-Islami sy ny elatra havia saingy tsy nahavita.

Araka izany tsy hahavita hanakana ity fifidianana ity ny BNP-Jamaat.

Saingy tamin'ireo tranga rehetra teo aloha, tsy nisy sekoly nodorana.

Tamin'ity indray mitoraka ity, nahazo ny amboara ny BNP. Io no politikan-dry zareo hampahafantarana ny tolon'ny Bangladesh Jamaat-e-Islami.

Nokianin'i Fazlul bari, mpanao gazety, ny fandoroana sekoly ataon'ny Bangladesh Jamaat-e-Islami :

নির্বাচন ঠেকানো নিয়ে বিএনপি হাল ছেড়ে দিয়েছে’ এমন একটি রিপোর্ট ছাপা হবার পরই ‘হাল’ পুরোপুরি নিজের কর্তৃ্ত্বে নেয়া শুরু করে দিয়েছে যুদ্ধাপরাধীদের দল জামায়াত-শিবির! পেট্রোল বোমা, মানুষকে পুড়িয়ে মারার সন্ত্রাসের পর ভোট কেন্দ্রে আগুন দেয়া সহ অকল্পনীয় নানান সন্ত্রাস শুরু করে দিয়েছে দেশ বিরোধী এই অপশক্তি! […]

Nisy tatitra iray navoaka tsy ela akory izay, hoe niato tsy nanohitra ny fifidianana intsony ny BNP. Taorian'izay, niditra tamin'ny fanaovana fisehosehoana ny Jamaat, ilay antokon'ireo mpanao heloka bevava, hanehoany hoe iza no mifehy. Efa nampiasain-dry zareo ny baomba solika natoraka tamin'olona anaty fiara fitateram-bahoaka, trano ary tsy ambanin'izany ny herisetra tafahoatra toy ny fandoroana sekoly.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.