Tantara mikasika ny Zambia
Handrafitra lalàna iray mikasika ny aterineto i Zambia mba hanaraha-maso ireo media “mpanaratsy”

Esoin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao ankehitriny ny minisitry ny Fampahalalam-baovao, Joseph Katema, tamin'ny nanamafisany fa "tsy mahazo vaovao azo antoka" ireo Zambiana noho ny fifantohan'ireo media amin'ny "fanapariahana laingalainga".
Zambia: ” Noho Ny Antony Ara-Piarovana No Hanoratana Ny karatra SIM Amin'ny Anarana Manokana”

Miteraka adihevitra be eo amin'ireo mpampiasa aterineto sy ny vahoaka ny fampidiran'ny sampandraharaha mpandrindra ny fifandraisana ao Zambia ny fampanoratana anarana ny karatra SIM mba ahafahana manangana angon-drakitra azo antoka ho an'ireo mpanjifa.
Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy

Teo anoloan'ny Tribonaly Amerikana, nenjehin'ny minisitra lefitra Zambiana misahana ny Varotra noho ny fanalàm-baraka ny vohikala Zambiana Kachepa360. Atahoran'ireo mpanakiana hiatrika zavatra mitovitovy amin'izao atsy ho atsy ireo tranonkala media an'olontsotra mitatitra momba ny fihetsiky ny governemanta.
Zambia: Rahonan'ny zanakalahin'ny filoha ny mpanao gazety, “Matinay ialahy”

Sady voadaroka no norahonan'i Kazim Sata zanakalahin'ny filoha, dia mbola hiatrika fitsaràna noho ny raharaha lazaina fa mampifamatotra azy amin'ny tranonkala Zambian Watchdog i Thomas Zgambo, mpanao gazety tsy miankina. [...] tokony ho tsaroany fa ho avy ny fotoana izay tsy hananany mpiambina manokana intsony...
Zambia: “Hankalaza” ny Fanidína ilay Vohikala Fampitam-baovao ny Filoha Lefitra

Nilaza tamin'ny parlemanta ny Filoha Lefitra Zambiana, Dr. Guy Scott, fa hifaly raha toa ka hikatona ny vohikala Zambian Watchdog. Ny hariva nialoha ny fanambarany, lasa nanano-sarotra tampoka ny fidirana ny ZW. Nitatitra ireo mpamaky avy any ivelany fa tafiditra soa aman-tsara raha toa kosa tsy tafiditra ireo tao Zambia.
Netizen Report: Miely manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara ny hetran'aterineto — ary mampangina olompirenena

Milaza ireo fanamby, fandresena ary fironana misongadina amin'ny zo an'aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.














