Hosoka Ilay Sarin'ny Orita Goavana Hita Tany California

image widely circulated on the

Sary niparitaka haingana tao amin'ny aterineto. Ny nahitana azy voalohany dia tao amin'ny lightlybraisedturnip.com tamin'ny 10 Janoary 2014. Sary ampiasaina araka ny fampahalalana tsotra.  

Niely fatratra tamin'ny tambajotra sosialy nanavatsava fiteny maro ity sary sandoky ny orita goavana ity. Tamin'ny voalohany dia hita tao amin'ny Lightly Braised Turnip, izay fantatra ho tranonkalam-baovao mpananihany, ilay sary dia niaraka tamin'ny filazalazana fa “nahitana orita goavana tao amin'ny morontsirak'i California ary mampiahiahy ny manampahaizana ho vokatry ny taratra no nahalasa goavana dia goavana azy“, ary niampanga ny voinan'ny toby nokleary tao Fukushima ho antony nahatonga ny fisian'ny zavamananaina an-dranomasina ho bevata tafahoatra.

Ny Orita Goavana (karazana: Architeuthis) dia orita monina any amin'ny fanambany lalina amin'ny ranomasina izay mety hitombo hatramin'ny 13 metatra ara-boajanahary. Mailo tamin'ilay sary ny bilaogera Japoney Piyohiko, nanao famotorana [ja] ilay sary tamin'ny aterineto ary nahatratra izany haingana.

Nikaroka ny sarin'ny “a giant squid” [orita goavana] tao amin'ny Google izy ary nahita ny sary niavian'ilay orita goavana: 

image of giant squid posted in Xinhua news

Saripikan'ny orita goavana iray nivoaka tao amin'ny Xinhua News. Ny sary dia nopihan'i Enrique Talledo [es], izay manoka-tena ho amin'ny firaketan-tahiry ny riaka (ranomasimbe)

10秒ぐらいで見つけてしまいました!!
なんだか似てると思うのですが、気のせいでしょうか?

Folo segondra monja ny laniko nahitana azy!!
Misy itovizana be dia be ny sary amiko, sa tsy izany ve?

Nanamarika ihany koa ny mpaka sary Masahiro Ariga [ja] fa hosoka ny sary. Nanamarika izy fa mifanandrify indrindra tamin'ny sary eto ambany ity, izay nivoaka tao amin'ny 4thmedia.org tamin'ny 2011, ireo nanatrika ilay orita goavana, :

image from 2011 on

Saripika tamin'ny 3 Novambra 2011, izay nivoaka tao amin'ny tatitry ny 4thmedia.org nahitana trozona maty tany Chile.

Ariga naneho ny heviny [ja] tamin'ny halakin'ny fielezan'ilay sary hosoka tao amin'ny Facebook:

このフェイク写真、驚いたことにフェイスブックで物凄い勢いで拡散している。
9日のお昼頃にネット新聞のページを見たとき、いいね!は1300だったのに、その夜にはなんと2万に達していた。イカが放射線によって巨大化したことを信じて不安になる人も多いようだ。
このでたらめ記事が、冗談で書かれたのかそれとも悪意があるのかは分からないが、事実として受けとっている人が少なくない。ネットという空間で嘘と不安が拡大されて、世界中に広まっていくのを、現在進行形で見ているところだ。

Tena nahatalanjona tokoany halakin'ny sary [orita goavana nihitsoka teo amin'ny morontsirak'i Santa Monica]. Raha vaonahita ny vaovao an-tserasera aho tamin'ny mitataovovonan'ny 9 Janoary, dia mbola 13000 ny nanao tia Facebook azy. Saingy, nandritra ny alina, dia nahatratra 20000 ny isan'ny tia. Tahaka ny hoe maro dia maro ny olona nino ny vaovaon'ilay orita nihangeza tafahoatra noho ny taratra ary lasa be ahiahy.

Tsy mazava raha kivazivazy ihany na fikasan-dratsy ny antony namoronana ity vaovao namboarina ity, saingy maro ny olona no manaiky ilay vaovao ho marina. Eo am-pijerena ny fiakaran'ny lainga sy ny fiahiahiana ato amin'ny aterineto manerana ny tany aho. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.