Hitondra Soa Ho An'ny Vehivavy Frantsay Tokoa Ve Ny Lalàna Momba Ny Fanadalàna An-dàlambe ?

Sary an'i Magnus Franklin navoaka tao amin'ny Flickr, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC 2.0.

Nolanian'ny antenimieram-pirenena, tsy nisy nitsipaka, tamin'ny alarobia 1 aogositra lasa teo ilay volavolan-dalàna manamafy ny ady amin'ny fanararaotana ara-nofo an-dalàmbe sy ny  ‘sexiste’ ( fihetsika na fisainana manavakavaka ara-pananahana)

Iray amin'ireo fepetra fototry ny lalàna nentin'ny Sekreteram-Panjakana misahana ny Fitovian'ny Lahy sy ny Vavy, Marlène Schippa, ny fampidirana sazy momba ny fanorisorenana ara-nofo eny an-dalàmbe, na ny “fanesoana amin'ny maha-lahy na maha-vavy “, voafaritra tahaka izao :

Miteraka toejavatra mahakivy, mahatahotra na manafintohina ny filazàna amin'ny olona iray ny eritreritra na fihetsika maneho faniriana hiray ara-nofo na ‘fanesoana  amin'ny maha-lahy na maha-vavy’,  na manao tsinontsinona ny fahamendrehan'io olona io noho io toetra io manana endrika fanambaniana na manala baraka (Art. 621-1.-I.)

Manomboka izao, mety ho onitra sokajy faha-4, manomboka amin'ny 90 euro ka hatramin'ny 750 euro, aloa avy hatrany no sazin'ny “fanesoana amin'ny maha-lahy na maha-vavy”, ary mety ho tonga amin'ny sokajy faha-5 ( mahatratra 3.000 euro) izany raha misy tranganà famerenan-keloka na toe-javatra mafimafy kokoa. Tsy ampitoviana amin'ny fanorisorenana ara-nofo ireo tranga ireo, izay mety hahavoasazy roa taona an-tranomaizina sy onitra 30.000 euro  any Frantsa.

Any ivelany, tehafana ny fandaniana ilay lalàna tany Frantsa

Any Etazonia, mitady fandaniana lalàna iray tahaka izany ny vondrona WomenForJustice :

Mila lalàna tahaka izany izahay !

Maneho ny fanohanany ilay lalàna amin'ny alàlan'ny ‘gif’ mampihetsi-po ilay haino aman-jery miteny anglisy AJ+, rantsan'ny Al Jazeera :

Sazian'ny Lalàna vaovao any Frantsa amin'ny onitra [ mahatratra hatramin'ny ] 870 dolara ary aloa avy hatrany ny fifosàna sy ny fanorisorenana ara-nofo eny an-dàlambe.

[gif: nisy vehivavy iray nihiaka « Yassss [Enyyyy] » sady nitehaka izy]

Miarahaba ny fahalanian'ilay lalàna ny mpanao gazety iray any Angletera sy ny solontenan'ny The Guardian any Ecosse, Libby Brooks sady malahelo amin'ny afitsoky ny mpitandro filaminana britanika manoloana ny herisetra ara-nofo sy amin'ny maha-lahy na maha-vavy :

Avo ny fefy apetrak'ilay lalàna vaovao frantsay izay mandrara ny fanorisorenana eny an-dàlambe. Indrisy anefa fa nifidy ny tsy hirakitra ireo heloka bevava fankahalana vehivavy ireo mpitandro filaminana tamin'ny fiandohan'ity volana ity, fa angamba mbola fotoana izao ho an'ny Westminster mba hihetsehana ?

Miantso famoronana lalàna tahaka izany ilay pakistaney vavy iray mpanao gazety sady mpanorina ny hetsika fitovian'ny lahy sy ny vavy Laraka Larki, Manal Faheem Khan :

Vao avy nandany ny lalàna manasazy ireo mpanadàla an-dalambe amin'ny onitra mety mahatratra hatrany amin'ny 870 dolara aloa eo no ho eo i Frantsa ! Mba azontsika tanterahana aty Pakistana ve izany azafady ? Fa nahoana no tsy heloka bevava ny fanadalàna an-dalambe aty ?

Feo mitovy amin'izany ny an'ny haino aman-jery shiliana tsy miankina ao amin'ny aterineto El Desconcierto :

Ary ny an'i Shily mba rahoviana ? Lanian'i Frantsa ilay lalàna miady amin'ny fanadalàna an-dalambe nefa mihodina any amin'ny aterineto ny lahatsary iray maneho herisetra atao aminà vehivavy iray  mpianatry ny oniversite.

Mitsiriritra io lalàna vaovao any Frantsa io ny haino aman-jery Nación321 any Meksika  :

Tokony halainay tahaka ilay lalàna frantsay miady amin'ny fanadalàna an-dalambe .

Any Frantsa, lalàna mampisalasala amin'ny lafiny rehetra

Nefa, tao amin'ny Hexagone, raha vao natolotra io volavolan-dalàna io dia maro ny nampiaka-peo mba hanasongadinana ireo tsy fahampiana sy anebahana ny  vahaolana atolotry ny governemantan'i Emmanuel Macron.

Ampatsiahivin’ilay mpanao gazety, Géraldine Woessner, ao amin'ny fandaharana natao hanamarinana ny zavamisy “Vrai-Faux” an'ny Europe1, ny tsy fahombiazan'ny lalàna tahaka izany any amin'ireo firenena eoropeana hafa :

Firenena maro no nametraka lalàna hiadiana amin'ny herisetra an-dalambe, ary tsy dia manao ahoana ny vokany.  Any Paortiogaly,  efa  hatramin'ny 2015 no nampiharana ny lalàna, maro be  ny tranga, nefa hatramin'izao, mbola tsy nisy fanamelohana, hoy ny gazety paortiogey anankiray. Tao anatin'ny raharaha 550, onitra famaizana 31 no voarakitra nandritra ny taona tany Finlande, ary 3 fotsiny ny tany Belzika hatramin'ny (2014) nampiharana ny lalàna. […] Sarotra ny fampiharana ilay lalàna, hoy ireo mpitandro filaminana belza niresahanay : tsy misy mihitsy ny tratra ambodiomby ( tsy mihetsika ny olona rehefa eo ny mpitandro filaminana), ary mandrapaha-hitan'ilay niharam-boina mpitandro filaminana manao fisafoana, ary rehefa tonga ny mpanao fisafoana : na lasa ireo mpanao heloka na mandà.

Any amin'ny mpitandro filaminana, mila fandinihana ny fampiharana ny lalàna tahaka ity. Tamin'ny tafatafa niarahana tamin'ny Le Figaro – haino aman-jery mirona kokoa amin'ny hery ankavanana – dia nampahafantarin'ilay mpitandro filaminana manam-boninahitra ambony sady solontenan'ny sendikà Linda Kebbab ny fomba fijerin'ny mpitandro filaminana ny omalin'ny nankatoavana ilay lalàna :

Amin'ny resaka fanesoana ara-pananahana, tsy azo inona loatra fa ny mpitandro filaminana efa difotry ny asa – halavaintsika ve ny fotoam-piasany indray andro ? –  no afaka hiafina eny an-joron-dàlana na mandeha an-tongotra manao fisafoana amin'ny fiandrasana fa hahatratra ambodiomby fanesoana ara-pananahana, amin'ny kisendrasendra goavana. Sarotra inoana ny fiheverana fa azo atao ny mametraka mpitandro filamina miandraikitra ny fanatrarana ambodiomby amin'ny karazana sazy tahaka itony.

Avoitran'ny gazetiboky amin'ny aterineto miady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy Madmoizelle.com fa matetika dia ny mpitandro filaminana no olana , araka ny porofoin'ny fijoroana vavolombelona maro avoaka amin'ny Tumblr Paye Ta Police.

pikantsarin'ny fijoroana vavolombelona iray navoaka tao amin'ny Tumblr “Paye ta police”

Ireo zavatra tsy ampy ao amin'ilay volavolan-dalàna tamin'ny fotoana nanombohan'ny adihevitra

Nampitain'ilay lahatsoratra iray tao amin'ny Obs ireo ahiahin'i Anaïs Bourdet, mpanorina ny Paye Ta Shnek (pejy facebook izay mitahiry ny fijoroana vavolombelon'ireo vehivavy nampijaliana ) nandritra ny adihevitra momba ilay volavolan-dalàna tamin'ny septambra 2017 :

  • Ny olan'ny porofo  :

Marihan'ilay mpikatroka fa amin'izao fotoana izao, ireo vehivavy mitaraina any amin'ny kaomisarian'ny mpitandro filaminana dia efa miatrika sahady ity fanontaniana ity : Ahoana no hanaporofona fa nampijaliana izy ireo ?

  • Fampifanatrehana ny niharan-doza / mpihetraketraka

Atahoran'ireo mpikatroka ny fampifanatrehana ny voahetraketraka amin'ny mpihetraketraka azy ireo, alohan'ny hamotsorana ny rehetra ho eny an-dalambe indray, mametraka ireo voahetraketraka  ho mety hiharan'ny valifaty.

  • Hadisoam-pijery

« Ny loza, dia ireo lehilahy tsy fotsy fihodirana foana no voahoso-potaka. “

  • Fanofanana ireo mpitandro filaminana

Mpikaroka lahy sy vavy dimy ambin'ny folo no manohitra ihany koa ny fanasaziana ny herisetra ara-pananahana an-dalambe ao amin'ny sehatra navoaka ao amin'ny Libération :

[…] efa noheverina ho fandikàndalàna ny fanalàna baraka, ny herisetra sy ny fanararaotana ara-batana sy ara-pananahana aty Frantsa. Fa nahoana no mamorona fandikàndalàna manokana raha toa ka ampy ny fampiofanana ireo mpisehatra eny an-toerana mba hitondra azy ireo hanova ny fombany ?   Nefa efa sahirana amin'ny fiheverana ny heloka bevava amin'ny fanolànana sy ny herisetra ara-pananahana ny rafi-pitsaràna, metimety kokoa ny mampivelatra ny fanofànana ireo olon'ny mpitandro filaminana, ny mpitsara ary ny mpisolovava mba hanazava ny fizotry ny herisetra ara-pananahana sy ny fifanohizana misy amin'ireo karazana herisetra rehetra amin'ny sehatra sosialy rehetra.

Noho izany, ara-drariny izany fahafahana mametraka fanontaniana momba ny finiavana hanafay, na dia miantraika any amin'ireo fikambanana miady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny vehivavy aza ireo fampihenana  tetibola henjana dia henjan'ity governemanta ity, fa indrindra ireo izay ao anatin'ny rafitra ady amin'ny herisetra amin'ny maha-lahy na maha-vavy.

Taorian'ny fandaniana ilay làlana tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra, dia maneho ny alahelony ao anaty fanambaràna ny fikambanana Atsaharo ny Fanadalàna an-dàlambe, tamin'ny trangan-javatra tsy tomombana tamin'ny fampihemorana tokoa ny fanadalàna an-dalambe :

Momba ny resaka fanadalàna an-dàlambe, dia efa nambaranay hatramin'ny nanolorana io tetikasa io ny endrika sy ny tsy fahombiazan'io fanaovana didy io, ka takianay ny politikan'ny fisorohana, ny  fanabeazana sy fiofanana mikendry ny hamerenana ireo toerana ho an'ny daholobe mba ho an'ny vehivavy. Momba io resaka io dia alahatra amin'ireo vondronà fikambanana sy ireo manam-pahaizana manokana hafa momba io resaka io izahay, nefa ramatoa sekreteram-panjakana, tohanan'ny maro an'isany ao amin'ny parlemanta, dia saika tsy niraharaha izany mihitsy, ary niverina mihitsy tamin'ny resaka fanatsaràna tarihin'ny Loholona aza, indrindra fa ny famaritana indray ny fanalàmbaraka amin'ny maha-lahy na maha-vavy ho toy ny heloka, izay fara-faharatsiny nahazoana nametraka fitarainana taorian'ny zava-niseho.

Ny Tahotra hoe hikendry voalohany ireo olona voaavakavaka ara-bolonkoditra ity lalàna ity

Tao anaty lahatsoratra navoaka tao amin'ny Slate, dia nampitandrina ny amin'ny loza ateraky ny hadisoam-pijery  ilay vehivavy amerikana mpanao gazety, Christina Cauterucci  :

In France, as in the U.S., police forces have brutalized and killed black men with impunity, making communities of color wary of giving officers of the law more reasons to make arrests. In all likelihood, police officers and prosecutors will disproportionately enforce any street-harassment law against men of color, as they do with every other civil and criminal offense. And they could easily use such a law as pretext for stepping up surveillance and policing of already-marginalized communities.

Any Frantsa, tahaka ny aty Etazonia, ireo mpitandro filaminana dia mampijalijaly sy mamono mahafaty an-kalalahana ireo lehilahy mainty fihodirana, ka nahatonga ny vondrom-piarahamonin'ireo mainty hoditra ho mahina amin'ny fanomezana antony bebe kokoa ho an'ireo solontenan'ny lalàna hanaovany fisamborana. Tsy lavitra ny marina fa tsy mifandanja ny fomba fampiharan'ny mpitandro filaminana sy ny mpampanoa lalàna ny lalàna famaizana momba ny fanadalàna an-dalambe amin'ny olona avakavaham-bolonkoditra, tahaka ny efa nataony rahateo tamin'ireo fanitsakitsahan-dalàna sy ireo heloka bevava rehetra. Ary azon-dry zareo ampiasaina mora foana ny lalàna tahaka itony mba hanarontsaronana ny fanamafisana ny fanarahamaso sy fifehezana ireo vondrom-piarahamonina voahilika.

Manamafy ny fipetraky ny fikambanana Lallab miady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy io foto-pisainana io, fikambanana izay manana tanjona ny hampandrenesana ny feon'ireo vehivavy silamo ao Frantsa, lasibatry ny tsindry hazo lena roa : ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fanavakavahana ara-pananahana. Tamin'ny volana oktobra 2017, raha mbola niadian-kevitra ny lalàna nentin'i Marlène Schippa, dia namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ” antony 8 hanoherana ny sazy amin'ny fanadalàna an-dalambe ” ny Lallab, izay hanairan'ilay fikambanana ny tsy fisian'ny fanofànana ireo mpitandro filaminana, ny hasarotan'ny fanaporofoana ny tranganà fanadalàna ary ny loza mety ateraky ny fanamafisana ny fandikàndalàna fanavakavahana

Ny fanadalàna an-dalambe, na dia ataon'olona avy amin'ny sokajy rehetra sy ny fihaviana rehetra aza dia ampifandraisina malalaka sy tsy amim-piheverana amin'ny vondron'ny sokajin'olona ambany sy/na avakavahana – satria ry zareo ireo dia efa tena voaheloka, araha-maso sy ampijalian'ny mpitandro filaminana. Azontsika sary an-tsaina mora foana fa ny fanapariahana mpitandro filaminana 10.000 fanampiny dia tsy atao any amin'ny boriborintany faha 16-n'i Parisy, fa any amin'ny faritra be olona mba hanamafisana ny fanarahamason'ny mpitandro filaminana ireo olona monina ao. […] ‘Ndao ho lavintsika ny hoe atao fitaovana ny ady ho amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy mba hanamafisana ireo fanavakavahana isankarazany sy ny fiarovana ny Fanjakana frantsay.

Tao anatin'ny fanambaràna iray navoaka tao amin'ny Mediapart, notoherin'ny vondrona mpieritreritra Queer & Trans Révolutionnaires (QTR) sy ny Mwasi , fikambanan'ny mpiady afrikana ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, ihany koa ny fiheverana hanao lalàna mba hanamelohana ny fanadalàna an-dalam-be :

Maro be ireo fijoroana vavolombelona nataon'ny vehivavy izay lavin'ny mpitandro filaminana ny fitarainany na kiviany,  ary amin'ny fanehoany ny habibiany amin'ireo vehivavy tahaka ny amin'ireo lehilahy dia asehon'ny mpiitandro filaminana ny maha-mpanavakavaka ara-pananahana azy, ny fankahalany pelaka sy ny fankahalany ireo miova taovam-pananahana, ankoatry ny toetrany tena manavakavaka. Io mpitandro filaminana io izany no hiandraikitra ny fanasaziana ny fanadalàna an-dàlambe ? Sokajin-tsosialim-behivavy inona no hahita fa re ny fitarainany ? raha oharina amin'ny sokajin-tsosialin-dehilahy ? Tsy azo antoka fa afaka miantso mpitandro filaminana ny vehivavy iray mpifindra monina ary mainty fihodirana mba hanasazy fanadalàna an-dalambe ataon'ny lehilahy frantsay, fotsy fihodirana, ambony saranga eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe.

Ankoatry ny fanadalàna, lalàna mampisalasala iray amin'ny endriny maro

Raha ohatra ka misarika ny fisainana bebe kokoa ny fizaràna momba ny sazy ampiharina amin'ny fanadalàna an-dàlam-be, dia mirakitra fepetra hafa ilay lalàna — indrindra fa  amin'ny herisetra ara-pananahana atao amin'ny zaza tsy ampy taona na ny famoahana ny didy mahakasika heloka bevava amin'ny fanolanana —  tsy hahavita haka ny fon'ireo vondrona miady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy.

Ao amin'ny Twitter, omen'ny vondrona F, izay miady amin'ny herisetra amin'ny fanavakavahana amin'ny maha-lahy na vavy sy ara-pananahana, ny lisitr'ireo zavatra goavana tsy ampy ao amin'ilay lalàna :

Nolaniana tao amin'ny Antenimieram-pirenena androany ilay volavolan-dalàna manohitra ny herisetra ara-pananahana.Tombambokatra. #PJLVSS pic.twitter.com/X9LPoLk1fX

Lazain'ny Vondrona F ao amin'ny fanambaràna navoakany tao amin'ny haba-tranonkalany, nampitondrainy ny lohateny hoe “Hadisoam-panantenana” ny didim-pitsaràny tsy misy fampakarana :

Zavatra maro no nandrasanay tamin'io lahatsoratra io, izay tsy isalasalàna fa hany lalàna tokana momba io resaka io mandritra ny dimy taona fitondran'i Emmanuel Macron. […] Tsy nahomby. Hita hoe tena betsaka tsy ampy (mahantra be) ny lahatsoratr'ilay lalàna, arahana fanamafisana be amin'ny serasera. Bitika ny fiantraikany amin'ny fiainantsika, tsy misy dikany.

Ampian'ny Orina ho an'ny vehivavy :

[ Fanambaràna an-gazety ]
“Lalàna momba ny herisetra fanavakavahana ny maha-lahy na maha-vavy sy ara-pananahana : lahatsoratra tena mandiso fanantenana”

Eo am-piandrasana ny fahitana ny ho fahamarinana na ho fahadisoan'ireo ahiahy nasehon'ireo fikambanana miady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy sy ireo mpiara-dia aminy, ireo mpianatry ny oniversite, ireo mpanao gazety sy ireo mpikatroka mafana fo, dia nanao hetsika tao amin'ny tambajotra sosialy, ny hetsika #NousToutes (izahay rehetra) ary mikasa ny hikarakara “diaben'ny ady ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy” ny 24 novambra 2018, iray andro mialoha ny andro iraisam-pirenena hiadiana amin'ny  herisetra atao amin'ny vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.