Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mampiseho ireo mpikatroka tamin'ny Hetsika Elo sy ilay mpanao sariitatra ara-politika Badiucao ny Herinandron'ny Fahalalaham-pitenenana ao Hong Kong

“Gongle”, avy amin'i Badiucao. Nahazoana alalana.

Niara-niasa ny firaisan'ireo fikambanana mpiaro ny fahalalaham-pitenenana – Hong Kong Free Press, Reporters Without Borders sy ny Amnesty International mba hanatontosa ny Free Expression Week (Herinandron'ny Fahalalaham-pitenenana) ao Hong Kong, manomboka ny 3 Novambra.

Nilatsaka ny hetsika taoriana kelin'ny nandavan'ireo manampahefana ao Hong Kong ny fanavaozana ny visa ho n'ny asa ho an'ilay tonian-dahatsoratry ny Financial Times ,Victor Mallet. Roa volana monja talohan'ny nandàvana ny visa-ny, nanatontosa resaka natolotr'ilay mpikatroka mampiadi-hevitra mpomba ny fahaleovanten'i Hong Kong, Andy Chan i Malet.

Manana fahalalahana bebe kokoa ireo mponin'i Hong Kong raha oharina amin'ireo namany ao Shina tanibe eo ambanin'ny fitsipika iray antsoina hoe “Firenena iray, Rafitra roa.” Io fizakantena io dia voarakitra ao amin'ny foto-kevi-pitantanana ao Hong Kong, fantatra amin'ny hoe Lalàna Fototra, izay nanan-kery nanomboka tamin'ny taona 1997 fony i Fanjakana Mitambatra nanolotra ny zanatany teo aloha ho an'i Shina.

Saingy tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, nanamafy bebe kokoa ny heriny manerana an'i Hong Kong i Beijing. Niatrika fanenjehana mahery vaika ireo Hong Kongers izay manohana ny zo demaokratika bebe kokoa, tahaka ny fifidianana marina, na fahaleovantena tanteraka. Nahitana olom-pirenena Hong Kong an'arivony nidina an-dalambe nitaky ny zo feno hifidy ilay fihetsiketsehana antsoina hoe “Umbrella Movement” tamin'ny taona 2014, saingy nofoanan'ny manampahefana..

Ny 1 Jolay 2017, nanambara “tsipika mena” mandràra izay soso-kevitra momba ny fahaleovantena ho an'i Hong Kong tamin'ny lanonana fankalazana ny faha-20 taonan'ny fiverenan'i Hong Kong tany Shina tamin'ny taona 1997 ny filoha Xi Jinping. Nanomboka tamin'izany dia nihitatra ho any amin'ny soso-kevitra momba ny fizakantena ary koa ny fanatanterahana resaka momba ny fahaleovantenan'i Hong Kong, tahaka ny raharaha Andy Chan ny “tsipika mena”.

Hanomboka amin'ny fampiratiana irery voalohany iraisam-pirenena natokana ho an'ilay mpanao sariitatra politika teratany Shinoa sady mpanakanto Badiucao amin'ny 3 Novambra ny Free Expression Week. Nahazo ny lazany tao amin'ny Twitter i Badiucao, tamin'ny fanaovana sariitatra ara-politika izay manohitra ny sivana sy ny jadona ao Shina. Nasongadin'ny The New York Times sy ny The Guardian ny sangan'asany.

Araka ny voalazan'ny fanambarana an-gazety ofisialy momba ny hetsika:

The title of his first solo is “Gongle 共歌” — a dark comic reference for Hong Kong, China and the world.

The word “Gongle” is a play on words, commenting on Google’s effort to re-enter China with a censored search engine. The word Gongle sounds like “共” in Chinese – the short term for the Communist Party – “共产党.”

Google’s Chinese name – “谷歌” – is altered to “共歌.” The character “歌” means “singing” or “song.” Thus, “共歌” literally means “communist songs” or “singing for communism”, though it can also mean “singing together” – a metaphor for free expression.

Ny lohatenin'ny seho irery voalohany dia “Gongle 共 歌” – fanondroana mahatsikaiky sy manjombona ho an'i Hong Kong, Shina sy izao tontolo izao.

Ny voambolana hoe “Gongle” dia kilalaon-teny, maneho hevitra momba ny ezaky Google hiditra indray ao Shina miaraka amin'ny milina fikarohana voasivana. Ny teny Gongle dia mitovitovy amin'ny “共” amin'ny teny shinoa – fanafohezana ny Antoko Komonista – “共产党.”

Ny anarana Shinoa an'ny Google – “谷 歌” – dia novaina ho “共 歌”. Ny tarehintsoratra “歌” dia midika hoe “mihira” na “hira”. Noho izany, “共 歌” dia midika ara-bakiteny hoe “hira komonista” na “mihira ho amin'ny komonisma”, na dia midika koa aza izany hoe “miara-mihira” – fanoharana  ho an'ny fahalalaham-pitenenana.

Indreto ny sasantsasany amin'ireo sangan'asan'i Badiucao ho aranty ao Hong Kong:

Sariitatra politika momba ny fahafatesan'ilay nahazo loka Nobel-n'ny fandriampahalemana Liu Xiaobo sy ny vadiny Liu Xia. Nahazoana alalana. 

Voasazy higadra 11 taona an-tranomaizina tamin'ny taona 2009 ilay mpiaro ny demaokrasia Shinoa sady mpitsikera literatiora Liu Xiaobo noho ny “fitarihana famadihana ny fahefam-panjakana” tamin'ny fandraisany anjara tamin'ny Charter 08, fanambarana iray mitaky fanavaozana demokratika ao Shina. Nahazo ny loka Nobel momba ny fandriampahalemana izy tamin'ny taona 2010 noho ny asany momba ny zon'olombelona. Namoy ny ainy noho ny aretin'aty izy tamin'ny taona 2017.

Joshua Wong, iray amin'ireo mpianatra mpikatroka malaza  nitarika ny hetsi-panoherana elo tamin'ny taona 2014. Nahazoana alalana. 

Nandray anjara lehibe tamin'ny fihetsiketsehana manohana ny demokrasia “Umbrella Movement” tamin'ny taona 2014 i Joshua Wong. Voampanga noho ny fivoriana tsy ara-dalàna i Wong ary voasazy higadra enim-bolana nony farany. Niharan'ny fanarahamaso nokendrena ihany koa izy.

Esoeso ara-politika momba ny sivana nataon'i Winnie Orsa ao Shina. Nahazoana alalana.

Matetika ampitahaina amin'ny Winne ilay orsa ny Filoha Shinoa Xi Jinping noho ny fitoviany miharihary amin'ilay orsa amin'ny sarimiaina. Tamin'ny volana Aogositra, noraràna tamin'ny sarimihetsika shinoa ny sarimihetsika vaovao Winnie ilay Orsa, Christopher Robin.

Ankoatra ny fampirantian'i Badiucao, ny Week Free Expression dia ahitàna fandefasana horonantsary fanadihadiana roa, Umbrella Diaries: the First Umbrella (elo voalohany) novokarin'i James Leong sy ny Last Exit to Kai Tak, novokarin'i Matthew Torne, ary koa ny adihevitra momba ny tontolon'ny lahateny sy ny fahalalahan'ny gazety any Hong Kong hatramin'ny taona 2014.

Ireto ambany ireto ny famantarana ireo horonantsary fanadihadiana roa:

Ny Umbrella Diaries dia fandaharam-potoanan'ny fihetsiketsehana manohana ny demokrasia tamin'ny taona 2014 ahitana ny ezaka hamantatra ny niaviany ary hanazava ny antony mahatonga ireo olona marobe vonona handray risika sy hanatevin-daharana ny sit-in eo imason'ireo mpikatroka sy olon-tsotra ao Hong Kong.

Mampiseho tanora mpikatroka dimy mikasika ny niatrehan'izy ireo ny fiantraikan'ny Hetsika Elo ny Last Exit to Kai Tak. Ahitana an'i Joshua Wong, ilay mpihira malaza sady mariky ny demaokrasia Denise Ho, ilay mpikambana ao amin'ny antoko politika pan-demokraty Wong Yeung Tat, ilay mpikarakara ny Ed Lau ary ilay mpikatroka Derek Lam ny vondrona.

Ireo sarimihetsika roa ireo dia manasongadina ireo taranaka mpikatroka Umbrella Movement izay niaro ny zon'ny vahoaka Hong Kong mba hamaritra ny hoaviny. Raha nandao ny hetsika demaokratika ny sasany tamin'ireo mpikatroka, dia mbola misy ny sasany manohy miasa amin'ny fikambanana eny ifotony sy mandray anjara amin'ny fifidianana ary lasa lasibatry ny famoretana ara-politika

Tamin'ny taona 2016, tsy navela haneho ny fomba fijeriny ara-politika nandritra ny lanonanana fianianana ireo mpanao lalàna vaovao voafidy, izay mpikatroky ny Elo manandrateny amin'ny fahaleovantena na fizakantenan'i Hong Kong ny ankamaroany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.