Tetikady Fampiasàna Finday Rehefa Mandray Anjarana Aminà Hetsi-Panoherana Am-Pilaminana
Raha toa ianao mandray anjara aminà hetsika atao am-pilaminana amin'ny maha-mpanao gazety, mpiaro zon'olombelona, na mafàna fo, dia fitaovana sarobidy tokoa ny findainao. Fitaovana izy ahafahanao mifandray amin'ny namana, mandrakitra ny hetsika, ary ho vavolombelon'izay rehetra mitranga manodidina anao. Mandritra izany, tokony hitandrina zavatra vitsivitsy ianao amin'ny fampiasàna ny findainao sy ny fifandraisana. Ity toro-làlana manaraka ity izay nivoaka tao amin'ny Mobile Active [Ang] dia afaka manampy anao hampiasa tsara ny findainao mandritra ireo hetsika am-pilaminana sady, mandritra izany, miaro tsara koa ny tenanao.
Mandanjalanja ireo mety hateraky ny Finday
Anatin'ny ankabeazan'ireo hetsi-bahoaka, dia mety hiatrika an'ireto ianao:
- Fahaverezana na fanagiazana ny findainao;
- Fahatapatapahan'ny tolotra noho ny tsy fahalavorarian'ny fitaovana na ny tambajotra;
- Fitsikilovana ny fifandraisanao.
Azo atao ny manamaivana ny dona tsirairay arakaraky ny fiomananao mialoha, fantaro ny findainao, sy ny fara-fahakeliny amin'ny fiasan'ny atao hoe fifandraisana amin'ny finday. Tadidio fa ny tranga rehetra dia samihafa avokoa ary ny finday dia fitaovan-tserasera tsy dia azo antoka loatra. Entaninay ianao hanopy maso ity Toro-làlana momba ny loza mitatao amin'ny Finday ity mba ho fitarihana misimisy kokoa amin'ny fandanjalanjana ny dona mety ho entin'ny findainao.
Fantaro ny Hasarobidin'ny Fanorotoroana ao amin'ny findainao
1. Lahatsary sy Saripika
Ireo lahatsary sy saripika alainao amin'ny maha-mpandray anjara anao mandrtra ny hetsika am-pilaminana dia tahirin-kevitra sarobidy. Ohatra, ndeha ataontsika hoe nisedra olana teny an-dalambe ianao ary afaka nandrakitra sombin-tsary ny zava-niseho ho ao anaty findainao. Iny porofo iny dia zava-dehibe mihitsy hanosehana izay vaovao diso mikasika hetsika iray na azo ampiasaina tsara hanaporofoana fa tena nisy tokoa ilay tranga. Ireo sombin-tsary dia mety ho azo ampiasaina ihany koa hanaporofoana ny zava-tsy nety nataon'olona iray (tahaka ny hoe manamboninahitry ny polisy ohatra).
2. Ny Momba Anao Manokana
Mitahiry zavatra betsaka momba anao manokana ny findainao. Jereo ny Toro-làlana momba ny loza mitatao amin'ny finday mba hahitàna ny pitsopitsony madinika mikasika ny zavatra voatahiry ao amin'ny findainao. Mety hirakitra ny lisitr'ireo mpifandray aminao ny findainao, ny hafatra nalefanao, ny antso natao, ny tahiry momba ny vohikala notsidihana, ny fitànana an-tsoratra, na ny tahirin-kevitrao.
Io karazana io dia mety hanohintohina ny asanao sy ny tambajotranao. Mety hitranga ny fampiasana azy amin'ny tsy tokony ho izy ka tsy tokony mihitsy ho azon'ny olon-kafa jerena izany raha tsy nahazo alalana avy aminao. Mandrakariva dia tokony ho fantatrao foana ny votoaty anananao ao anaty finday ao ary mampiasà izay fiarovana azo atao (toy ny ‘code pin’, ny fitendry manidy tena, ny finday manidy tena, ‘code de verouillage'… sns). Hamoaka toro-làlana manokana momba ny Fanidiana (Fiarovana) misy sy azo ampiasaina ao amin'ny findainao izahay.
Inona No Hatao Alohan'ny Hanatevenan-Daharana Hetsika am-Pilaminana Iray
Ireto soso-kevitra manaraka ireto dia hanampy anao hanao izay haha-mari-toerana ny fifandraisanao sy hiarovana ny votoaty avy aminao:
1. Manaova Tahiry amin'ireo Votoatin'ny Findainao
Mety ho very mora foana ny findainao ao anatinà hetsika iray (mety ho latsaka, nisy nangalatra, notazonin'ny manampahefan'ny polisy, nendahan'olona). Manaova tahiry ivelany an'ireo votoatin'ny findainao any anaty solosaina azo antoka any. Kendreho tsara ho voarakitra ny mpifandray amin'ny tena, ny hafatra, ny fidirana, ny media, ary izay rehetra votoaty heverinao fa manan-danja lehibe. Avy eo, azonao atao ny mi-formater ny findainao, mamafa ny votoaty sy izay rehetra noraketina. Aorian'ny hetsika dia azonao atao tsara ny mamerina ireo votoaty avy any amin'ny tahiry nataonao hiverina ho ao anatiny indray.
2. Mitondrà Vatoaratra Fiandry Ho an'ny Findainao
Na dia mihevitra aza ianao fa mahafantatra ny mety ho faharetan'ilay hetsika, sarotra ny maminavina ny mety ho fivoaran'ny raharaha. Mety ho zavatra maro no ampiasànao ny findainao ary dia mety ho vizana ny vatoaratrao. Mitondrà mandrakariva any aminao any vatoaratra iray fanampiny ary ny famahanana azy, raha azo atao. Ianaro ny manolo amin'ny fomba haingana ny vatoaratry ny findainao.
3. Raiso anaty Taratasy ny Zava-dehibe
Soraty anaty taratasy ireo fifandraisana manana ny toerany manokana ary ento miaraka aminao satria mety ho very ny findainao ary ilainao ny fahafahana mijery maika izay fifandraisana maika izay. Ohatra, soraty ny fomba azo ifandraisana amin'ny fianakavianao, ny mpisolovava, mpitsabo, mpanao gazety ary ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona.
4. Asio Fahana ny Findainao
Raha mampiasa ny tolotra fahanana ianao, aza adino mihitsy ny mamahana ny SIM findainao. Tsy fantatrao na ho firy na ho firy ny antso tsy maintsy hataonao, na ny haben'ny votoaty hampakarinao anaty aterineto.
5. Jereo ny Tanjaky ny Tambajotra
Raha azo atao, tsidiho mialoha ny toerana voatondro hanaovana hetsika ary tadiavo izay toerana ahafahana mahazo ny tsara indrindra amin'ny tambajotra, ny eo ho eo ihany, ary ny ratsy indrindra. Raha mieritreritra ny hampiasa fitaovana misy WIFI ianao, tadiavo koa izay toerana (sy ny fahazoana antoka!) misy mari-pamantarana fisianà tambajotra Wifi misokatra.
6. Fifandrohizan'ny famoahana lahatsoratra
Raha mihevitra ny hampakatra fanavaozana ao amin'ny Facebook ohatra ianao, na Twitter, na mihevitra ny hampakatra sary ao amin'ny Flickr na Twitpic, ampifandrohizo ny kaontinao mba ho azo antoka fa hihanaka ary hivezivezy ny votoaty nalefanao any anatin'ny vondrom-piarahamonina samihafa anaty aterineto any vantany vao mandefa fanavaozam-baovao na sary ianao, na manomboka fampitàna mivantana. Raha miahiahy ny amin'ny maha-azo antoka na tsia io fomba io ianao, dia azonao atao,mialoha ilay hetsika, ny mieritreritra mamorona kaonty manokana tsy ilazalazana ny momba anao ao anaty vohikala.
7. Ataovy ho Pejy Ankafizina
Aza adino ny mametraka ho pejy ankafizina ireo rohy mankany amin'ny vohikala sosialy sy fitaovana anaty aterineto eritreretinao hampiasaina. Tsarovy ny mametraka ho pejy ankafizina ny dika natao ho an'ny finday amin'ireo vohikala sosialy (ohatra, http://m.facebook.com, http://m.flickr.com, http://m.twitter.com… etc).
Fantaro ny Findainao
1. Trandraho ny Fitendry Amin'ny Findainao
- Azonao atao ny mampihena ny fahafahana mitsikilo ny fampiasànao ny findainao raha fantatrao ny fomba fanelezana ny tarehin-tsoratra sy tarehimarika avy amin'ny fitendry eo amin'ny findainao. Maro ny olona afaka manindry tsy an-kijery ny hoe “K'aiza, manakory ianao” amin'ny fitendrin'ny solosaina rehefa miresaka mivantana. Mila koa ianao mahay manoratra hafatra fohy (SMS) tsy an-kijery avy amin'ny findainao. Raha efa zatra tsara ny fitendry amin'ny findainao moa ianao, dia ho afaka mandefa hafatra tsy ilàna akory ny fanopaza-maso ny fitendry.
- Azonao atao ny mitsitsy fotoana sy hasasarana amin'ny fahafantarana hintsin-dàlana. Maro ny finday no manana hintsin-dàlana fidirana amin'ireo tolotra maro ao anatiny, toy ny hintsin-dàlana fandefasana avy hatrany ny fakantsary ohatra. Fantaro ary ianaro tsianjery ireo hintsin-dàlana ireo mba hahafahanao mandefa azy tsy ankijery amin'ny fotoana ilàna azy. Raha azo atao, mamorona hintsin-dàlana. Amin'ny finday sasany, mila fotsiny ianao mandamina ny filaharan'ireo kisary ao anatin'ny menu-n'ny findainao amin'ny fampivadiana azy aminà tarehimarika eo amin'ny fitendrin'ny findainao.
2. Trandraho ny Fakantsarin'ny Findainao
Fantaro izao fomba azo itrandrahana msimisy kokoa ny fakantsarin'ny findainao mba hanaovanao izay tianao amim-pitoniana sy araka izay vokatra irina. Mifankazàra amin'ny fomba fiasan'ny fakantsarinao ary ny fomba hifehezana ny zavatra rehetra azony omena. Mety ho voasambotra ianao raha maka sary polisy iray eo am-pidarohana olona, ka nitselatra nanaitra ilay manampahefana ny jiro fanazavan'ny fakantsarinao. Ny feo avoakan'ny fakantsarinao rehefa manindry bokotra koa dia mety hisarika ny saina ho any aminao ka ilaina araka izany ny hanomananao mialoha ny fomba fiasany mba hisorohana ny mety hanamarihan'ny sasany anao.
Inona no Tokony Hatao Mandritra Ilay Hetsika Am-Pilaminana
1. Lanjalanjao ny Dona Ara-Batana Mety Hahazo Anao sy ny Fisian'ny Polisy
Ny fiarovana ny tenanao foana aloha no voalohan-daharana rehefa maka sary na lahatsary any anatinà hetsika am-pilaminana iray, na mandefa hafatra sms sy fanavaozana anaty vohikala. Fantarina ny elanelana misy anao amin'ireo mpitandro filaminana sy ireo hery mpandrava korontana, sy ny hoe akaiky fiaran'ny polisy ve sa tsia. Ny tsara indrindra (Idealy), tsidiho ny toerana, mialoha ny hanaovana ny hetsika, mba hizàrana sahady ny faritra sy ny làlana raha sendra mitranga ny herisetra. Tsy voatery hisavoritaka ianao. Sokafy fotsiny ny masonao.
2. Lanjalanjao ny Fandrakofan'ny Tambajotra sy ny Fahafahana Miditra amin'ny Aterineto
Alohan'ny hanapahanao hevitra hampakatra fanavaozam-baovao amin'ny Twitter na hanao fampitàna mivantana miaraka amin'ny fitaovana toy ny Bambuser, jereo aloha raha tsara toerana mahazo fandrakofana tsara avy amin'ny tambajotra ka mahazaka tsara ny zavatra tianao hatao ao anaty aterineto ianao. Ataovy an-tsaina fa mety ho tapaka tampoka izay fandrakofana izay. Ataovy azo antoka tsara ny fampitàna mivantana ataonao ary efa namorona mialoha kaonty ho an'ilay hetsika ianao. Ity toro-làlana ity dia mety hanampy anao amin'ny fampiasàna ny Bambuser sady hahita fitaovana hafa ihany koa ianao ato.
3. Mifidiana Tetikady
Azonao atao ny mandrakitra amin'ny fomba samihafa ny hetsika am-pilaminana iray (amin'ny SMS, lahatsary, ary saripika). Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin'izay hataonao ianao mifanaraka amin'ny zava-mitranga atrehana.
- Raha tony ny raharaha dia azonao atao ny maka sary sy mandefa sms fanavaozam-baovao.
- Raha mitranga ny korontana dia azonao atao ny mamelona ny camera ary manomboka mandrakitra anaty lahatsary ny hetsika. Raha tsara vintana ianao ka misy fahafahana mahazo aterineto dia afaka manao fampitàna mivantana izay mitranga. Raha te-hampahafantatra ny namanao, ny mpisolovava na olon-kafa mikasika ny zava-mitranga ianao, amin'ny alalan'ny sms, andramo ny manao izany tsy mijery ny fitendry.
Torohevitra 10 Mahasoa
- Aza dia miantso betsaka rehefa anaty fihetsiketsehana am-pilaminana. Tsara kokoa ny mandefa ny vaovao amin'ny alalan'ny SMS. Manafaingana ny fampitanao vaovao miainga amin'ny iray-ho-amin'ny maro ny fampiasàna SMS, fotoana fohy monja sy tsy manasatra, ary tsy dia mandany vatoaratra firy loatra amin'izany. Ampidiro anaty kajikajy fa mety hisy fahataràna ny fahatongavan'ny hafatrao noho ny olan'ny tambajotra (na izany mitranga noho ny fitohanan'ny tambajotra noho ny habetsahan'ny hafatra mandeha, na fanahy iniana ataon'ny mpitandro filaminana) ary mety ho eo ambany fanaraha-maso ny fifandraisanao amin'ny finday.
- Fotsio isaky ny afaka manao izany ny ‘carte memoire’ ao anaty findainao (na ny fakantsary) mba hahafahanao mitahiry tsy miato ireo sary sy lahatsary azonao mandritra ilay fanehoan-kevitra na hetsi-panoherana. Raha azo atao, mitondrà ‘cartes memoires’ maromaro hampiasaina rehefa misy ilàna azy. Ianaro ny manolo tsy ankijery sy amin'ny fomba haingana ny ‘carte memoire’ ao anaty findainao ary mitahiry ireo ‘cartes memoires’ feno amin'ny toerana azo antoka raha sanatria ka misy ny fisamborana anao.
- Andramo ny mampakatra ao amin'ny aterineto izay sary rehetra anananao ao anaty finday vantany vao manana fahafahana miditra amin'ny aterineto ianao mba hisorohana ny fahaverezan'ireo votoaty raha sanatria ka very ny finday. (Azonao atao ny mampakatra izany ao amin'ny http://m.twitpic.com/upload na http://m.flickr.com/#/upload, ohatra.)
- Mitondrà ‘carte SIM’ fiandry any aminao any. Amin'ny tranga sasany, tapahan'ny tompon'ny tambajotra ny fifandraisan'ireo mafàna fo fantatr'izy ireo na ireo olona efa voakendry manokana. Raha inoanao fa isan'ireo voakendry ny laharanao, ka manana fahafahana manao izany ianao, mitondrà ‘carte SIM’ fanampiny. Raha tsinjonao fa tsy mandeha ilay tolotra mahazatra anao, andramo ny miova SIM. Ny fanovàna ny SIM tsy midika fa hoe lasa miafina ny anaranao rehefa mampiasa ilay finday. Azo arahana foana ny findainao amin'ny alalan'ny laharana tokana ao anatin'io finday io ary, mazava ho azy, any anatin'iny SIM ampidirinao iny.
- Ataovy amin'ilay fomba ‘mangina / silencieux’ ary asio hovitra (vibreur) ny findainao. Tsy ilaina ny misarika ny sain'ny olon-kafa manodidina anao.
- Ny finday sasany dia misy fiarovana amin'ny alalan'ny fanakatonana baikoina lavitra. Manome anao fahafahana manidy ny findainao izany, amin'ny alalan'ny fandefasana SMS manokana izay efa nomaninao mialoha hankany amin'ilay findainao raha sanatria very tampoka ilay izy. Ohatra, raha nisy manampahefan'ny polisy naka ny findainao dia lasa izy nandeha, azonao atao ny mandefa fotsiny SMS avy aminà finday hafa miaraka amin'ny tenimiafina manokana mba hanakatonana ny findainao.
- Raha nihevitra ny hampakatra ny votoaty ho ao anaty aterineto ianao, soraty anaty SMS iray ireo rohy sarobidy ary tehirizo ho toy ny vakiraoka iny. Azonao atao avy eo ny manao dika-petaka fotsiny ireo rohy raha toa ka misy an'izay rindrambaiko izay ny findainao.
- Raha efa ao anaty fandaharanao ny handefa hafatra manokana ho an'olona iray, omano ao anaty vakiraoka izany. Manampy anao hitsitsy fotoana izany, ary ny manindry ny hoe ‘alefaso’ sisa no hataonao rehefa te-handefa azy. Ohatra, azonao soratana ny hoe “voasambotra” arahan'ny anaranao ao anaty hafatra iray ary maka ny adiresin'ny andefasana sy mitahiry azy ho vakiraoka.
- Ataovy anaty kajikajy ireo rindrambaiko ao anaty finday toy ny SaferMobile InTheClear. Ny InTheClear dia mamela anao hanomana mialoha SMS ho an'ny hatairana (Shout!) miaraka aminà ‘menu’ tokana sy tsotra (Panic!). Ny InTheClear koa dia ahafahanao mamafa mangingiana ny tahirin'adiresy ao anatin'ny findainao (Wipe!), raha sanatria ka alaina aminao izy io. Azonao atao ny mahalala bebe kokoa momba ny IntheClear eto ary miditra ho mpikambana tahaka ny hoe mpanandrana ny dika beta aminy.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...