Tantara mikasika ny Polonina
Miomana ny hanidy ilay sisintany farany fiampitàna iraisany amin'i Belarosia i Pôlônina, raha mbola mitohy kosa ny krizin'ny mpitsoa-ponenana
‘Toy ny ao Finland, resaka mandeha ao Pôlônina ny hoe fifindramonina atao fitaovana no misy, atosiky ny firenena iray feno fankahalàna avy any ivelany, fa tsy ny fijerena ireo filàna araka ny maha-olombelona an'ireo olona mifindra.’
Nahoana no mihinana plastika ireo voron-dranomasina ? Ny fomba fanampian'ny tetikasa siantifika an'olompirenena ao Pôlônina hitadiavana vahaolana
Fanontaniana iray tany am-piandohana momba ny antony manosika ireo voron-dranomasina hihevitra ny plastika ho sakafo no lasa tetikasa siantifika iray mahomby nataon'olontsotra
Manamafy ny sisintany miaraka amin'i Belarosia i Polonina satria mihamafy ny krizim-pifindra-monina
Efa niampanga an'i Lukashenka ho nitondra mpifindra monina avy any amin'ny faritra Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana sy nitondra azy ireo tany amin'ny sisintanin'ny Vondrona Eoropeana hamaliana faty ny sazy ny Vondrona Eoropeana
HORONANTSARY/RAKIPEO: Mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Tsy nahita ny fandefasana mivantana ny fivoriana Global Voices Insights momba ny zon'ny fanalan-jaza any amin'ny firenena miisa dimy tamin'ny 7 Aprily ve ianao ? Indro ny famerenana.
MIVANTANA amin'ny 7 Aprily: Krizy ara-pahasalamana iray hafa – mandrava ny fady amin'ny fanalan-jaza
Miteraka fahafatesan'olona manodidina ny 30,000 isan-taona ny fanalan-jaza tsy azo antoka. Manasa anao hihaino ireo vehivavy avy any Oganda, Thailandy, Brezila, Pakistan ary Polonina hiresaka momba ny zo ara-pananahana any amin'ny firenena misy azy ireo.
Irian'ity bilaogera mpiresaka fivezivezena ity mba ho “babom-pitiavana” an'i Makedônia Avaratra ireo Pôlôney mpiray tanindrazana aminy
"Ary hitohy handresy lahatra ireo Pôlôney aho hoe ireo ao Balkàna dia tsy vanja milevina fa kosa tavin-divay iray."
Tokony heverina ho teny fankahalana ny fitsipahana fisian'ny Holocaust ao amin'ny Facebook, hoy ny fitakian'ireo sisa niangana
Tsy tahaka an'i Eoropa, izay mametraka ny kabarim-pankahalàna ho heloka bevava noho ny niainan'ny ankamaroan'ireo firenena ireo ny horohoron'ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy manana lalàna tahaka izany kosa eo amin'ny sehatra manerana ny firenena i Etazonia.
Andro Fahatsiarovana Erantany ilay Famonoana Faobe : Auschwitz an-tsary
Navadiky ny tahiry an-tambajotra "Znaci.net" ho nomerika ireo saripika marobe tao Auschwitz avy amin'ireo tranombakoka isankarazany tao Yogoslavia fahiny. Izy ireny no milaza ny tantara, ankoatra ireo zavatra hafa, momba ny fianakaviana Mandić, gadra avy any Kroasia.
Tafatafa miaraka amin'i Aleksandra Lun, teratany Poloney lasa mpanoratra malaza amin'ny teny Espaniola
"Tontolo izay nofidianao iaraha-miaina fotsiny ny fiteny. Raha miaina amin'izany tontolo izany ianao, dia "mahafehy" ny fiteniny"
Hira hala-tahaka mahatsiaro ireo Eoropeana Tatsinanana mpiady tamin'ny Adin'ny Britanika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa
Milaza ireo manam-pahaizana fa raha tsy nisy ny fanampian'ireo miaramila Eoropeana Tatsinanana,dia tsy nandresy ny Alemaina nazi ny Britanika.