Andriamifidisoa Zo · Janoary, 2009

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Janoary, 2009

Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

  16 Janoary 2009

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao. Hanitatra ny andraikitry ny Minisitera...

Mitohy ny fandripahana any @ valan-java-boary any RDC

  14 Janoary 2009

Araky ny tatitra, mangigina kely ny ady any kivu avaratra, faritany any RDC. Misy ihany na dia izany ny adiady madinidinika mety mahafaty. Araka ny voalazan'ny bolongana WildlifeDirect, nisy toejavatra roa nitranga nahafatesan'olona tany amin'ny valanjavaboary any RDC. Manome ny fanadihadiana isan-karazany momba ity vaovao ity i Paula Kahumbu –...

Madagasikara: Tohin'ny Prison Break, fandoroana ny fonjan'Ambalatavoahangy

  14 Janoary 2009

Taorian'ny fahavakisana fonja misesisesy nanerana an'i Madagasikara tamin'ny herinandro, dia notaterin'i Jentilisa fa may ny fonja hafa any Toamasina ( morontsiraka atsinanan'i Madagasikara) omaly ( 13 Janoary) [mg]. Nitatitra ny fisian'ny setroka mitakovona sy ny feom-basy 5 ny nanatrimaso. Mbola hofantarina moa ny anton'ny setroka sy ny feom-basy. Lova Rakotomalala

Espaina: Mpiara-miasa amin'ny GV Lingua voafantina

  14 Janoary 2009

Maro amin'ireo vohikala Global Voices Lingua na Global Voices voadika amin'ny teny hafa no miara-miasa amin'ny vohikalana mpampita vaovao hafa hifanakalo RSS amin'ny lohateny mba hahazoany mpamaky bebe kokoa amin'ny fiteny samihafa. Vao haingana teo koa dia nanangana izay fiaraha-miasa izay ny Global Voices amin'ny teny Espaniola sy ny Periodismo Ciudadano, izay voafantina ho "Tetikasa aterineto tsara indrindra" ao amin'ny fifaninanana Las Mejores Miradas izay tohanan'ny fahitalavitra Espaniola.

Ebola: Fifehezana ny areti-mandringana Ebola

  12 Janoary 2009

Voaporofo tokoa ny fisian'ilay valan'aretina mora mifindra, antsoina hoe tazo Ebola any amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo. Heverina fa efa mihoatra ny 36 ny isan'ny olona tratran'ity aretina ity ary 12 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Miezaka ny hifehy ny fielezan'ity aretina ity i RD Congo, ary manao izay hisorohana...

Madagasikara: “Prison Breaks” na Maka Tahaka Televiziona ny Fiainana

  10 Janoary 2009

Vaky loha ihany ny mpamaham-bolongana eto Madagasikara tratran'andiana vaky fonja faran'ny herinandro lasa teo. Tamin'ny 4 Janoary teo, dia gadralava 22 mpiray efitra no tafatsoaka ny fonjan'i Tsiafahy izay miala kely ny renivohitra Antananarivo. Tamin'ny fomba ahatsiarovana an'i Andy Dufresnes raha nitsoaka ny fonja tao amin'ny tantara “The Shawshank Redemption”,...

Mitohy ny adin'ny Facebook amin'ny mpisovoka

  06 Janoary 2009

Efa niresaka ny adihevitra amin'ny sivana misy eo amin'ny Facebook sy ny YouTube ny Global Voices, indrindra moa rehefa miresaka momba ny fanafihan'Isiraely an'i Gaza ankehitriny. Androany anefa dia tsikaritry ny ny mpamaky Global Voices iray fa maro amin'ny vondrona Facebook manohana an'i Gaza no voasovoka, ary heverina fa ny...

Malezia: Dera ho an'ilay lehilahy misarontava

  05 Janoary 2009

Matin'ny fijanonan'ny fo iray volana lasa izay ny mpanao gazety sady mpikatroka Syukree Hussain avy ao Malezia. 28 taona izy izao lasa izao. Niatrika mandrakariva ny fihetsiketsehana aseho amin'ny alalan'ny famelomana labozia fanao isan-kerinandro any Malezia i Syukree. Mahafantatra azy avokoa ny rehetra noho ny fanaovany sarontava. Nanaitra ny namany...

Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i Palestina

  04 Janoary 2009

Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza. indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny ...