Sarin'i Fat Old Sod tao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Notsongaina avy tamin'ny mpampiasa Twitter @BILL_ROMANOS tamin'ny 31 Desambra midera ny nahitan'ny mpikaroka Aostraliana sy Timor Tatsinanana ny lohateny, izany no vokatry ny fikarohana natao vao haingana momba ny fiainana any anaty rano any: Hita tany amin'ny 50 km (30 maily) miala avy amin'ny morontsiraky Timor atsinanana manko ny toerana ahitana trozona sy feso (dauphins), amin'ny karazana trozona maro, betsaka indrindra.
Namelona fanantenana ho an'ny sehatr'asam-pizahantany ho an’ i Timor atsinanana, izay firenena mbola tanora sy nanana ny tantarany nanjakan'ny korontana, noho izany io fahitana io. Ary dia mbola nanana ny lanjany lehibe indray ny helodrano stratejikan'i Wetar-Ombai. Na dia malaza ho lalana fandalovan'ny “Sambo mpisitrika nokleary Amerikana sy Aostraliana manavatsava ny nosy maron'i Indonesia“ aza izy, eto kosa dia izy no helodrano mampisaraka an'i Pasifika amin'ny soso-nofontany Eorazia fantatra amin'ny amin'ny maha- “lalana lehibe fifindra-monin'ny biby anaty ranomasina mivezivezy amin'ny oseana pasifika amin'ny oseana indiana“.
Cathal Foster (PT) no manoratra momba izany:
A expedição, que foi o primeiro grande estudo de cetáceos em Timor-Leste, veio confirmar aquilo que os biólogos marinhos apenas suspeitavam: as águas profundas dos estreitos de Wetar e Ombai, ao largo de Timor – que podem ter até três mil metros de profundidade -, são uma importante rota migratória e corredor para a vida marinha, ligando os oceanos Pacífico e Índico.
Nanaitra ny mason'ny mpiserasera maro io fahitana io ka nanomboka nandrohy tamin'ny bolongany na ni-tweets (nampilaza fohy toy ny sms finday) tamin'ny gazety lehibe ry zareo:
- O LENTE ao amin'ny Timor Atsinanana sy ny karazam-piainana an-dranomasina ananany (PT)
- Margarida A avy amin'ny Umalulik in Diam-pikarohana nahiana toeran'ny trozona sy ny feso eto amin'ny planeta , sy Toerana ankafizin'ny trozona sy ny feso hita tany Timor atsinanana (PT)
- Wendy Heller ao amin'ny DivePhotoGuide.com in Timor atsinanana, Tranon'ny Trozona & Feso
- @mostrador ao @ Twitter (ES)
- Ary @greenoptions, @compost3r, @ecosfera, @celebritypaycut, @neandertal ni-tweets momba azy ity (PT, ES ary EN).
Ny hamaroan'ny karazam-biby, izay nifidy ny ranon'i Timor atsinanana ho “toerana ankafizina”, dia voalazan'ny mpamaham-bolongana tsindraindray eny ihany. Fat Old Sod, ohatra tamin'ny fanombohan'ny Novambra 2008, dia naka sary ny “Mega Fauna” izay nopihany avy eny ampisidinana ny ranon'i Timor avy any anaty voromby:
Mega Fauna basically means anything bigger than, and including, turtles. (…) We saw at least 6 species of whales, easily over 4000 dolphins, manta rays in formation, BIG hammerhead sharks cruising on the surface and we just stopped counting the turtles once we got to Com and beyond because there were too many.
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Nisy famoahan-kevitra nataon'olona tsy nitonona anarana iray tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Toerana ankafizin'ny Trozona sy Feso hita tany Timor atsinanana (PT):
Mais um grande ponto para a futura indústria do turismo em Timor.
Bem regulamentado poderá ser mais uma grande fonte de rendimento para o país.
Levi Novey, kosa na dia izany aza dia liana:
It highlights the need for greater protection of biodiverse ocean areas like these from unregulated fishing – a challenge given East Timor’s desire to develop their fishing industry.
Heverina ho sarotra amin'ny fiarovana ny zavamihetsiketsika ny lalànan'ny fanjonoana, noho ny tsy fahafantaran'ny maro ny ankamaroan'izy ireny, ka manome vahana ny fanjonoana tsy ara-dalàna amin'niny fari-dranomasina iny. Nopihan'i Fat Old Sod an-tsary ireo mpanjono mena(n'ny ra) ny tanana :
We also got pictures of some illegal fishing boats from Indonesia which we have handed on to the appropriate authorities with times, name of vessel, location etc.
Nalainay sary ny sambo mpanjono tsy ara-dalàna sasany avy any Indonezia ary nampitainay tany amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny fotoana, ny anaran'ny sambo, ny toerana,sns.
Edy, Timorey, miresaka ny fahitana dia nametraka hevitra mahaliana amin'ny fepetran'ny fiainana anaty ranomasina:
(…) the marine environment in that area in (sic) certainly more secure, cleaner, and quieter for those mammals to gather even perhaps can be used as their marine habitat to reproduce and expand. Giving the fact that in that maritime area there is less fishing activity in industrial scale and it’s not considered strategically good enough for commercial ship’s and military navals passage hence almost inexistence in that area any noise that can be prejudicial for whales and other species. Therefore it’s a hotspot for those marine animals to live in abundance. Any habitat of other species when given time, space, less disturbances from human greedy commercial and military activities will certainly find its own way to live, survive, reproduce and expand in greater numbers to the benefit of all living things in this planet we call Earth.
Raha iverenana indray ny Whale Of A Time (Trozon'ny Fotoana iray) ,dia nambaran'i Fat Old Sod ny fahasambarany raha niangaviana hisidina tambonin'ny toerana izy, naka sary sady vavolombelon'ny zavatra manokana:
I knew we had great marine life here but I never knew it was so prolific. The two scientists I was with told me that it was an absolutely exceptional survey. And when a scientist starts to use long adjectives you know you've seen something special!!
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Raha te-hiala voly an-tsary ny fiainana ana-dranomasina any Timor Atsinanana ianao dia tsidiho ireto adiresy manaraka ireto:
- Fiainana ambanin'ny ranomasin'i Timor atsinanana
- ReefScenes.net – Tontolo mahafinaritry ny fiainana anaty ranon'i Timor atsinanana
- Nudibranchs avy ao Timor atsinanana ao amin'ny Flickr
- Departemantan'ny akora natoraly, Tontolo iainana, Zavakanto sy ny fanatanjahantena, Karazam-piainana an-dranomasina avy ao amin'ny sisintany avaratry Aostralia