Mamolavola lalàna hifehezana ny aterineto sy ny famahanam-bolongana i Kambodza

Eo ampandrafetana ny lalàna hanitarana ny ny lalàna misy ankehitriny hisahana ny endrika fampitam-baovao hafa, ka tafiditra amin'izany ny aterineto ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao Kambôdziana. Araka ny fanadihadiana tsy ara-panjakana moa dia mihoatra ny 70 000 ankehitriny ny isan'ny mpampiasa aterineto any Kambôdza amin'izao fotoana izao.

Hanitatra ny andraikitry ny Minisitera hiatrehana ny firoborobon'ny serasera any Kambôdza ity lalàna vaovao ity. Miisa 25 ny radio ary 7 ny fahitalavitra any Phnom Penh amin'izao fotoana izao. Nolazain'ny fitondrana anefa fa tsy tafiditra amin'ity lalàna vaovao ity ny vohikala vaovao. Hoy i The Mirror :

The Ministry of Information said that electronic news (such as newspapers) will not be affected by this new law, because the major intention of this law is to control the publishing of audio-visual data, of games, and of entertainment programs and advertisements through the Internet, to ensure moral respect.

This law will therefore also relate to audio-visual publishing through the Internet and through mobile phones. Over the course of the years, mobile phones are being used in general and at present, users can listen to radio, watch television, and send voice and picture messages through mobile phones.

Nambaran'ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao fa tsy tafiditra amin'ity lalàna vaovao ity ny famoaham-baovao (tahaka ny gazety) an-tserasera, fa ny tena sahaniny dia ny singan'ny haino aman-jery, lalao, fandaharana mampiala voly na mampifalifaly amin'ny alalan'ny aterineto, hisian'ny fanajana ny soatoavina.

Hifandraika kosa amin'ny famoahana an-tsary sy feo amin'ny alalan'ny aterineto an'antso finday kosa ity lalàna ity. Efa fampiasan'ny sarambamben'ny olona hihainoana radio, ijerena tele, andefasana hafatra am-peo sy an-tsary nandritra ny taona maro moa ny fiantsoana finday.

Te-hanome toky amin'ny fampanajana ny fomba tsara ny minisitera eo anatrehan'ny mety ho fiantraikan'ny haitao vaovao eo amin'ny fiaraha-monina.

“Though the responsibility of the Ministry of Information is now bigger, he said that the Ministry of Information does not have different intentions, besides protecting the respect of tradition and morality. He referred to an example that if we know that some Internet games have a bad impact on children, youth, or the Khmer society as a whole, the Ministry of Information will provide warnings about publishing licenses or revoke licenses by cooperating with relevant authorities.

Na dia mitombo aza ny andraikitry ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao, dia nolazain'ny minisitry ny fampahalalam-baovao fa tsy manana fikasana hafa ankoatra ny fanajana ny fomban-drazana sy ny soatoavina izy. Noraisiny ohatra fa raha misy lalao an-tserasera mety hanimba ny zaza, na ny tanora, na ny fiaraha-monina Khmer amin'ny ankapobeny dia anjaran'ny minisiterany ny mampitandrina na manala ny alalana azon'izay namorona izany amin'ny fiarahany miasa amin'ny fahefana miandraikitra izany.

Norafetina taorian'ny nampisehoan'ny vohikala Reahu.net an'ilay olon'ny lanitra ivavahana Apsara mila hiboridana nomelohin'ny fitondrana ity lalàna vaovao ity.

Notsongain'i Ka-set ny tenina mpiasam-panjakana iray manambara fa entina mahafantatra kokoa ny tompon'andraikitra misahana izay misy any amin'ny aterineto ity lalàna vaovao ity :

The Secretary of State gave another example: “If a website displays the picture of a beautiful Cambodian actress and makes a montage with the body of a naked person, which Ministry is entitled to react to this, at the moment? The Ministry of Culture? Or the Interior? With the new law, the Ministry of Information will have prime responsibility over that as it will control the broadcasting of all audiovisual data”, the official observed.

Nanome ohatra hafa ny minisi-panjakana: “raha mampiseho sarina vehivavy mpanao sarimihetsika tsara tarehy atambatambatra amina vatam-behivavy miboridana ny vohikala iray, tsy fantatra mazava izay minisitera tokony handray an-tanana ny raharaha amin'io fotoana io, ny minisiteran'ny kolontsaina ve? sa ny atitany? amin'ny alalan'ity lalàna vaovao ity no amaritana fa ny minisiteran'ny fampahalalam-baovao no hiandraikitra ny fanarahamaso izay ampitaina an-tsary sy feo” hoy ny filazan'ilay mpiasam-panjakana.

Na dia ny vahiny tsy mahay miteny tsara ny fiteny ao an-toerana aza dia horarana tsy azo halefa amin'ny onjam-peo sy sary:

Some speak Khmer with a heavy foreign accent! It is something that worries us. With the new law, they will be required to be of Cambodian descent, able to read and express themselves in accordance with the rules of Khmer grammar. Foreign presenters who speak Khmer will not be authorized to exercise any longer, due to their incorrect and inaccurate pronunciation

Misy ny miteny Khmer amin'ny firoky vahiny! zava-manohina antsika izany. Amin'ny alalan'ity lalàna vaovao ity, dia tsy maintsy taranaka Kambôdziana, afaka mamaky sy maneho hevitra araka ny lalànan'ny fitsipi-pitenenana Khmer ry zareo. Tsy ho afaka hiasa intsony ny mpanentana vahiny miteny Khmer, noho ny tsy fahaizan'izy ireo manonona sy miroky azy.

Misy ary ny vondrona haino aman-jery sy mpamaham-bolongana no mitsikera ity lalàna ity. Manahy i Vuthasurf fa toa entina hampanginana tsikera amin'ny aterineto ity lalàna ity:

“If the new draft law is passed, the Cambodian bloggers who used to criticizing the government’s activities will be afraid of publishing the criticized articles. And the law will be used as tool to control and calm down on internet and Cambodian bloggers.”

Raha ho lany ity lalàna ity dia hatahotra ny hamoaka lahatsoratra mitsikera ireo mpamaham-bolongana zatra mitsikera ny fanjakana. Ary dia ho fitaovana entina hanaraha-maso sy hampanginana ny aterineto sy ny mpamaham-bolongana Kambôdziana.

Nanamarika ny fikambanana Kambôdziana miaro ny mpanao gazety (CAPJ) fa “tsy misy tranga lehibe tamin'ny aterineto nanana fiantraikany ratsy tamin'ny fiaraha-monina Kambôdziana.” Nampian'ny vondrona fa:

“It seems the government is applying autocratic rules to control everything about communication. We worry that this law would be used as a tool to control and clamp down on bloggers who harshly criticize the government and we appeal for the government to reconsider its current plan.”

Taratra fa mampihatra ny lalàn'olo-tokana ny fitondram-panjakana amin'ny fanaraha-maso ny momba ny fifandraisana rehetra. Manahy izahay fa toa fitaovana entina hanapenam-bava ireo mpamaham-bolongana fatra-pitsikera ny fitondrana ity lalàna ity ka miantso ny fanjakana izahay mba hoheverina indray aloha ny momba ity volavola ity.

Lavin'ny fitondrana fa entina hifehezana ny aterineto izy ity. Itrikitrihany ary fa “ny fampitam-baovao vita printy sy ny haino aman-jery ihany no tena kendren'ity lalàna ity.”

Mong Palatino

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.