Andriamifidisoa Zo · Avrily, 2008

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Avrily, 2008

Vietnam: Androm-pahatsiarovana ny mpanjaka Hung

  17 Avrily 2008

Ny mpamaham-bolongna Faster than the Fastest (haingana noho ny tena haingana) no manontany: “Fantatry ny Vietnamiana rehetra fa 18 ny isan'ny mpanjaka Hung 18 tao anatin'ny 4000 taonan'ny tantara, Nahoana moa no ao anatin'ny iray andro ihany no ahatsiarovana azy ireo? Fa angaha andro mitovy no “niambohoan” izy rehetra?”

Jordana: Ahoana ny ahafahan'ny praiminisitra maneho ny fahamendrehany?

  17 Avrily 2008

Avy any Jordana i Khalaf no manontany: “Ahoana moa no ahafahan'ny praiminisitra nitondra fiakaram-bidin-javatra mihoatra ny 10% nandritra ny fotoana nitondrany, nampihisatra ny fitomboan-karena, tsy nahombiazana teo amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana ary tsy afa-nanatontosa tetikasam-panjakana lehibe mihitsy no mbola ho afa-manaporofo ny fahamendrehany?”

Ezipta: 631 no voatazona ao Mahalla

  16 Avrily 2008

Ibn Al Dunya, avy any Ezipta, no milaza fa mihoatra ny 600 no nosamborina tany Mahalla noho ny fitokonambe tamin'ny 6 avrily teo sy ny fiantraikany. Anisan'ny voasambotra amin'izany ny mpamaham-bolongana, ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.

Bahama: fanompana

  16 Avrily 2008

Ilay vehivavy Bahamiana “nosamborin'ny polisy manao fanamiana nanakana azy hiakanjo tao an-tranony sady notazonina tao amin'ny biraon'ny polisy tao Nassau nandritra ny ora maro vao navela hitafy izy” no nomelohina ho nanao fiteny vetaveta, fihetsika tsy milamina ary namalivaly tamin'ny fisamborana azy: Antsoin'i Womanish ho “fanimbazimbana ny zo mahaolona” izany.

Zeorzia:MAP koa

  16 Avrily 2008

TOL Georgia no maneho hevitra tamin'ny nampandamoka ny fireneny tsy neken'ny OTAN ho MAP na Membership Action Plan na Mpikambana Am-Perinasa nandritra ny vovonana natao tao Bucharest. Raha nandray ohatra an'i Albania ny mpamaham-bolongana dia kely ny fanantenany ny hahatafiditra an'i Zeorzia amin'io fikambanana io noho ny fahabangan'ny fandrosoana eo...

Syria: 60 taona taorian'ny Deir Yasin

  16 Avrily 2008

“Raha miomana hankalaza ny faha-60 taona ny Isiraeliana, ary ny palestianiana kosa feno 60 taona izay ny nakana ny tany taminy, dia tsy maintsy manome voninahitra ireo lavo tao anatin'ny habibiana nitranga nandritra ny fandripahana tao Deir Yasin tamin'ny 9 Avrily 1948 isika,” hoy Rime Allaf, izay nahatsiaro ny faha-60...

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Iran: tsy handalo any Iran ny afo olaimpika

  13 Avrily 2008

Nanoratra Razeno [Fa] fa raha hitety firenena maro ny afo olaimpika dia anaty lisitra kosa ny handalovany any Iran. Nampian'ny mpamaham-bolongana moa fa mandalo ao Pakistan izay itrangana herisetra maro ny afo olaimpika. Malahelo tokoa Razeno amin'ny fanaovan'izao tontolo izao ankivy an'i Iran.

Iran: Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea

  13 Avrily 2008

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môskea iray nandritra ny fotoam-pivavahana Asabotsy tao an-tanànan'i Shiraz atsimon'i Iran,Olona valo farafahakeliny no maty tamin'izany ary 66 no naratra. Sayetanha,mpamaham-bolongana avy ao Shiraz, no niteny[Fa] fa maro no maty fa tsy voa kosa ny mpitondra fivavahana.