Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Noankotrihina ny 15 Avrily:

Nivoaka ny tahalam-pifandraisana (aterineto) ny fanorisorenana an'i Wang Qianyuan, ary raha ny marina dia efa nialoha herinandro vitsivitsy talohan'ity lahatsoratra ity. Efa nanoratra mivantana ihany koa ny naman'i wang ao amin'ny Oniversiten'i Duke:

Naman'ny tovovavy aho ary tany amin'ny fihetsiketsehana. Mahalasa adala ny (ompa variraraka: ataoko fa io no tian'ny mpanoratra lazaina na dia mody noshinoavana ho fenqing aza ny teny). Nihaona tamin'ny filohan'ny Duke aho androany tolakandro, ary tahaka ny hoe hiditra an-tsehatra ny FBI. Voatora-bato ny tranon'ny ray aman-dreniny any Qingdao, ary any ampiafenana izy ireo (voamariko izany satria nifandray mivantana tamin'ny reniny aho). Tao amin'ny tranonkalan'ny fikambanan'ny mpianatra sy manampahaizana shinoa eto Duke no nanombohan'ity raharaha ity. Ny nosoratan'izy ireo voalohany iray volana lasa izay dia ny hafatra manao hoe ” HATRAMIN'IZAY, ANKEHITRINY ARY HO MANDRAKIZAY DIA ANISAN'I SHINA HATRANY I TIBET”.
[…]
Ary satria moa voapetraka ao amin'ny lisitry ny Duke, ny mombamomba azy, ny fianakaviany, ny adiresiny ary ny azo iantsoana azy no sady voasoratra ao ihany koa ny fiantsoana hisetrasetra, dia efa azo heverina ho efa heloka bevava famporisihana hanao herisetra izany. Mampalahelo! Ny tena mampahonena indrindra dia nandeha ampahatsorana loatra ramatoakely ka tafaharo tamin'ny “vondron'ny fahavalo” hiresaka amin'ny mpiray kilasimandry taminy izay Tibetana, ary saiky hanokatra karazana fifanakalozan-kevitra…
_____________________________________
Ny lahatsoratra tamin'ny voalohany:

Raha tratran'ny fahafaham-baraka nisesy i Shina nandritra ny fampitana ny afo olaimpika tamin'ny herinandro lasa teo dia nampiredareda, tsy te-hahalala izay heverina ho mivandravandra any Eoropa sy Amerika avaratra, ny afom-pitiavan-tanindrazana izany, hany ka sokajiana ho vondron'ny mpamadika izay rehetra te-hampiditra adihevitra mikasika an'i Tibet, eny fa na dia mpanao gazety malaza aza izy. Koa raha nahomby ary iny fihetsiketsehana hanafahana an'i Tibet iny, moa ve izany mahasolo ny fampanginana ny feo maningana any Shina raha atao hoe samy nisy nahavoazana ny andaniny sy ny ankilany?

Malaky dia malaky tokoa, noho ny fanampian'ny ‘wu mao dang'(vondrona polisin'aterineto any Amin'ny taniben'i Shina) ny voka-pikarohan'ny milina mitady nofon'olombelona; Vehivavy shinoa iray izay mianatra any amin'ny Oniversiten'i Duke amin'izao fotoana izao no hitan'ny mpianatra Shinoa ampitan-dranomasina ho nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Shina. Izay azo heverina ho fiezahan-dratovovavy hampiditra karazana adihevitra no nivadika ho ranomodin'ny fihoaram-pefy maharikoriko sy farafahakeliny lasa fihazana mpamosavy avy amin'ny milina mpitady nofon'olombelona, nanomboka ny 10 avrily lasa teo tao amin'ny tranokalan-dinika malaza Tianya ( ny fihazana):

作者:Bejing_2008_ 提交日期:2008-4-10 17:01:00

在SF的奥运火炬接力顺利完成的同时,全美各地华人华侨留学生也都给予了北京奥运最热烈的支持,然而在今天的DUKE大学留学生的支持奥运反对藏独的集会 游行中,青岛2中毕业的王同学竟然与藏独支持分子同流合污,毅然抛弃事实,站在藏独分子的一边,宣扬西藏人权问题,赤裸裸打着free tibet的旗号,实在给中国人民丢脸,在场的几百留学生都目睹了其罪恶行径.王千源–如果说某些美国人算作无知,那你呢?你这样的崇洋媚外的嘴脸是要永 远被中国人民所不耻!
http://www.mitbbs.com/article_t/Carolinas/31158646.html

Mpanoratra: Beijing_2008
Nandritra ny fanatontosana tamim-pomba milamina ny fampitana ny afo olaimpika tao San Francisco, no nihetsiketsehan'izay rehetra manam-pirazanana Shinoa sy ny mpianatra Shinoa ampitan-dranomasina tany amin'ny toerana samihafa manerana an'i Amerika ilazany ny fanohanana amin'ny heriny manontolo ny lalao olaimpika hotanterahina any Beinjing. Nanao ny anjarany nivory hanohana ny lalao olaimpika sy hanohitra ny fahaleovantena Tibetana ihany koa ny mpianatra ampitan-dranomasina ao amin'ny Oniversiten'i Duke, Nijabaka tany amin'ny mpanohana ny fahaleovantenan'i Tibet kosa ny mpiara-mianatra wang izay nivoaka avy tamin'ny sekoly ambarataonga faharoan'ny Qingdao,nandao tanteraka ny marina, niara-nilahatra tamin'ny mpanafaka an'i Tibet, nitsoka ny anjomaranan'ny mpiaro ny zon'olombelona Tibetana, miantsoantso amin-kafanam-po ny ‘Afaho i Tibet’, manao izay mahasanganehana ny vahoaka Shinoa, sady amin'izay hitako sy hitan'ireo mpianatra ampitan-dranomasina anjatony mivantana ny fahotana ratsy vitany. O ry Wang Qianyuan a: raha mihetsiketsika noho ny tsy fahalalàna ireo Amerikana ireo, fa izato ianao kosa mba manao ahoana? ny endrikao vahiny mampandokandoka lahy ka nataonao ho hitoetra mandrakariva ho fanalam-baraka ny vahoaka Shinoa!
http://www.mitbbs.com/article_t/Carolinas/31158646.html

Nanaraka io teny fampidirana io dia nahatratra 11 takelaka ny fanehoan-kevitra:

作者:zeng_1985 回复日期:2008-4-10 17:59:19
虽然没看到图,但听说有这种人就愤慨!

Na dia tsy hitako aza ny sary,dia mampandoa ahy ny mandre olona tahaka ity!

作者:shhbf 回复日期:2008-4-10 18:06:33
应该全文转。

这个家伙,估计是被利益冲昏了头。不晓得他父母亲戚是不是也都转移出国了,也不想想自己的所作所为会影响多少人。

Tokony aely izany.Mety ho fanin'ny fifangaroana mihitsy izy e. Tsy fantatro na efa nifindra monina ihany koa ny ray aman-dreniny sy ny havany, fa moa ve mba tsapany hoe olona firifiry ny mitondra ny mangirifiry noho ny nataony?

作者:小杨不不 回复日期:2008-4-10 18:09:04
上图 啊!

Asehoy anay ny sary eeee!

作者:iambic 回复日期:2008-4-10 18:10:25
没什么说的,直接无视了。以后都别让这条狗接近至5米以内

Tsy hitako izay tokony holazaina, aleo tsy raharahiana fotsiny izao. fa aza avela hanakaiky ahy latsaka ny dimy metatra izany alikavavy izany.

作者:超级实验台 回复日期:2008-4-10 18:14:00
什么情况?
楼主飞了?
淘点证据出来啊–我去磨刀

Inona no iadiam-barotra?
Fa mivaha ve ny mpanoratra an'io e?
Asehoy ary ny porofo–Handranitra ny antsiko aho izao

作者:iambic 回复日期:2008-4-10 18:17:18
那个啥,驻美使馆黑名单别忘了再加一个

Nahoana no kely monja izany….aza adinoina ny mametraka anarana hafa any amin'ny lisitra maintin'ny ambasady Shinoa

作者:药罐子里的椰子 回复日期:2008-4-10 18:24:07
他可以去死了。不知廉耻的家伙。

Avelao ho faty any fa boay tsy mahalala menatra.

作者:zlyuki 回复日期:2008-4-10 18:25:50
这个要顶

+1 ity

作者:蓝色秋裤 回复日期:2008-4-10 19:04:11

+1

作者:同样的故事 回复日期:2008-4-10 19:13:48
天哪
青岛2中的
太丢人了
就地处决吧

O ry lanitra o..
Sekoly ambaratonga faharoan'i Qingdao
tena mahamenatra be izany
Tifiro ho faty any amin'izay misy azy any izany

作者:超级实验台 回复日期:2008-4-10 19:27:48
她?

Izy ve io?

作者:推倒推倒 回复日期:2008-4-10 19:37:56
上去把~

我就是要当网络暴民~

好好整整这样的人~~

Asehoy tsara ny sary e~
efa ela aho no te ho jiolahimboton'ny net~
Ataoko ho mahafinaritra sy hendry izy e~

作者:ntpilgrim 回复日期:2008-4-10 19:40:27
真的吗,一定要弄清楚。

Marina ve? Tokony aseho mihitsy io.

作者:艹头 回复日期:2008-4-10 19:43:31
不会吧,楼主要拿出证据说话。

Tsy mampino… raha izay no lazainao dia asehoy ary ny porofo.

作者:超级实验台 回复日期:2008-4-10 19:46:33
楼主人呢?!

fa mankaiza no tianao aleha e?!

作者:durand 回复日期:2008-4-10 19:46:39
通报国安局、中国大使馆、当地政府

Ilazao ny Minisitry ny filaminana, ny masoivoho Shinoa, ny mpitondra any amin'ny toerana misy azy

作者:二狗和三胖 回复日期:2008-4-10 19:48:31
拜托,别挟私报复啊,网民不都是瞎子啊

Miangavy indrindra tompoko ô! aza entinareo aty ny valifatinareo e, tsy jamba akory ny mpiserasera!

作者:lightscriteria 回复日期:2008-4-10 19:51:30
一辈子嫁不出去!!!

Tsy hahazo vady intsony izy e!!!

作者:飘青 回复日期:2008-4-10 19:52:31
不是吧!!真是青岛的吗?这下厉害找到根,哈哈还是天涯的 搜索引擎厉害啊!!哈哈!!强强!!不知道他家里人知道不,孩子在外面没人管了,会迷路的!

Tsy misy lalana!! Tena avy any Qingdao ve izy? lavitra ny lalana e, hehe, ry milina mpitady nofon'olombelona!! Hehe!! Mahery e! Mahery!! Angaha fantatry ny ray aman-dreniny fa te-ho very ny zanany aty ampita aty sady tsy misy mikarakara izy aty!

作者:wangxiaowenly 回复日期:2008-4-10 19:59:29
以后可能只有嫁给喇嘛的份了~

Afaka manambady Lama (olona nanoka-tena tsy hanambady) izy ka~

作者:xuxuming123 回复日期:2008-4-10 20:06:10
看来也只有婊子喜欢喇嘛了,希望不是她.

Toa hoe ny alika ihany hoe no tia Lama, manantena aho fa tsy anisany izy.

作者:lawyerhuyue 回复日期:2008-4-10 20:11:27
召唤人肉引擎!!

Miantsoa nofon'olombelona ry milina mpikaroka!!

作者:lint金帛 回复日期:2008-4-10 20:15:33
是不是给洋鬼子日多了?怎么出了这样的垃圾

Angamba tratran'ny devoly vahiny be dia be tany izy? Avy aiza izany fakofakon'olona izany e?

作者:hyngng 回复日期:2008-4-10 20:16:00
总会有些人头脑不清醒的

Tsy maintsy misy foana ny olona tsy mazava saina

作者:yqh1001 回复日期:2008-4-10 20:18:41
关键要有证据!
不冤枉一个好人,但也绝对不放过一个坏人!

Porofo no tena zavadehibe e!Tsy manao ny tsy rariny amin'ny olona tsara isika, fa raha ratsy izy dia tsy avelavelatsika foana amin'izao izany!

作者:sevenqiqi 回复日期:2008-4-10 20:22:45
消息确实可靠么?长的还算乖的嘴脸哎。。。

Azo itokiana ve ity vaovao ity? Toa mpankato ny fijery azy…

作者:wuhanlsx 回复日期:2008-4-10 20:24:22
请通知中国海关,如发现她,立刻弊了她,如果她还有家人,请找到她的家人,把这种无耻的子女打死了,免得害了中国人。

Fantaro ny fomba Shinoa, Fa raha hita izy, dia tokony hotratrarina, ary raha manana fianakaviana izy, dia hotadiavina, dia kapohina eo imasony ny ho faty ny zaza mahamenatra, amin'izay dia tsy afa-baraka ny vahoaka shinoa.

作者:红枫焱 回复日期:2008-4-10 20:27:37
为她的父母感到悲哀,本来可以引以为傲的孩子成了卖国贼——不知道她想没想过自己的父母在国内会如何抬不起头来
人在做,天在看啊

Mampalahelo ahy ny ray aman-dreniny, ny zaza saiky ireharehana no lasa mpamadika – asa raha mba noeritreretin-drasipa ny henatra sy fahafaham-baraka iainan'ny RAD noho ny nataony

作者:ericxulove 回复日期:2008-4-10 20:33:28
光说也没什么证据啊,贴出照片来才行啊……
大家冷静,别太过激,没凭没据的,就这么乱喊话也不对~
说不定她是被对她一直有偏见的某些人给利用了,胡乱诽谤,任由网友辱骂她来解气???

Milaza izany ianareo nefa tsy misy porofo akory! farafaharatsiny mba mametraha sary e, mazava? Mitonia daholo, aza dia mitroatroatra loatra, tsy misy azo ianteherana avokoa ireo, tsy mety ny mitabataba sy mikoraraika tahaka izao. Tsy fantatrareo akory raha misy mikendry ny handentika azy fotsiny any ho any, manendrikendrika azy, mba ahazoan'ny mpiserasera manompa azy sy hifatraran'ny fahatezerana any aminy!!!

作者:同样的故事 回复日期:2008-4-10 20:36:25
十有八九是真的,
是DUKE的留学生在MITBBS上发的
有代理可以上去看看

Tahaka ny marina ihany an!
Misy mpianatra ampitandranomasina nametraka ny sariny ao amin'ny MIT bbs
Raha manana proxy ianao dia afa-mijery azy

作者:溢佳颐佳 回复日期:2008-4-10 20:38:24
如果真是这样

就在她家所有亲戚的门口贴上“汉奸”两个字

以后对她家亲戚的称呼就是汉奸

Raha marina izany dia hoteteziko avokoa ny varavaran'ny havany rehetra dia soratako eo ny soratra hoe “mpamadika”, amin'izay dia antsoina hoe vondron'ny mpamadika fianakaviany iray manontolo

作者:红枫焱 回复日期:2008-4-10 20:42:51
哪位用代理的兄弟姐妹把那个帖子截图发过来好了

Mba misy rahalahy na anabavy manana proxy ve afa-mametraka ireo sary ireo eeee?

作者:红枫焱 回复日期:2008-4-10 20:56:14
只有头像没有动作比较麻烦啊,这样不能证明她卖国啊,有没有拍到他宣传或者散发传单甚至举旗的镜头?

Ny lohany fotsiny io sady tsy nanao na inona na inona izy, tsy rariny kosa … tsy manaporofo mihitsy izao fa mpamadika izy … tsy misy sariny mitondra taratasy zaraina ireny ve na nitondra saina?

作者:天天坠涯 回复日期:2008-4-10 21:11:34
她是不是打入敌人内部去了???

tsy efa azonao eritreretina ve fa efa niantoraka hiasa ho an'ny fahavalo izy???

作者:巨鸡鸡 回复日期:2008-4-10 21:31:28
让我日了她

Avelao aho hanompa azy e

作者:clover710 回复日期:2008-4-10 21:33:59
汉奸!
卖国贼!
天理难容!
迟早全家遭天谴!

vondron'ny mpamadika!
mpamadika!
Tsy azo ekena mihitsy!
Na ho ela na ho haingana dia hahazo ny anjarany tsirairay ny fianakaviany iray manontolo!

作者:四级士官 回复日期:2008-4-10 21:35:20
贱妇汉奸,民族败类!

Makorelina mpamadika, manala baraka ny volonkoditray!

作者:ggf7522 回复日期:2008-4-10 21:40:29
不知道她的父母在不在中国,不知道她的父母现在还是不是中国人,如果还是中国人的话明天就应该找个粪坑跳下去淹死得了。

Mbola any Shina ve ny ray aman-dreniny? Sa mbola Shinoa ve ny ray aman-dreniny? fa raha mbola Shinoa dia hitady lavan-jezika lalina aho rahampitso hamonoako tena.

作者:我爱瓷器瓷器 回复日期:2008-4-10 22:19:56
强烈呼吁大家先冷静!!!!
一定先要搞清楚事实,再来批评。如果不是汉奸,平白挂了这个最最可耻的名字,那可是天大的不白之冤哪!

就算这人真的这么无耻,大家鄙视她就是了,混绿卡嘛~,中国人这高贵的名号她也不配,我们欢送这样的人入籍美国还来不及呢。

Tena miangavy ny rehetra mihitsy aho mba hangina izao!!!!
Tokony ho hitantsika rehetra ny zavamisy vao mitsikera. Raha toa moa izy ka tsy mpamadika, nefa antsointsointsika amin'izay anarana mahamenatra indrindra tsy amin'antony izy, moa tsy izany no tena tsy rariny mety hitranga. Lazao fa tena mahamenatra tokoa izy, fa mahazo manompa azy avokoa ny rehetra, avelao izy hahazo ny kara-maitso (green card ilay fahazoana ny zom-pirenena amerikana araka ny fahazoako azy) izay katsahitsika rehetra, tsy ho afa-mitoetra hanome voninahitra ny anarana shinoa intsony izy, ary tsy mba manam-pahafahana ny olona tahaka azy isika hanakana azy tsy hizaka ny zom-pirenena amerikana haingana kokoa.

作者:ccyanlove 回复日期:2008-4-10 22:22:13
如果是真的,啥也别说了,直接把她灭掉。

Raha marina izany, dia tsy misy zavatra hafa ambara intsony, esory fotsiny ny zony.

作者:zxmm123456789 回复日期:2008-4-10 22:27:52
好样的王同学,可惜我在大陆只能精神支持你,

Ry mpiara-mianatra mahafinaritra Wang, Indrisy fa aty amin'ny Tanibe aho ka amim-panahy ihany no ahafako manohana anao.

作者:凌小呆子 回复日期:2008-4-10 22:27:58
支持什么关你屁事啊!

Fa raharahan'inona koa no iraisanareo tsikombakomba mahatonga anao hanohana azy?

作者:xiaohuafox 回复日期:2008-4-10 22:30:48
mit上的确有这个帖子!!
人名没错!

Hita tao amin'ny MIT bbs tokoa ny tariby (ny tantara?)!!
Io tokoa ny anarany!

作者:陈先进 回复日期:2008-4-10 22:51:19
楼主不是个东西
证据呢?

Hafa indray io mpanoratra io
Misy ary ve ny porofo?

作者:不倒霉会死星人 回复日期:2008-4-10 23:13:25
报国安成不???有没有足够的证据啊????

Efa nilazana ve ny minisitry ny filaminana o??? Efa ampy ve ny porofo????

Nitohy hatrany ny fanorisorenana, ny fanompana ary ny fandrahonana ho faty izay ahitana tsindraindray eny ihany ny fitadiavana ny porofon'ny “heloka” vitany, hatramin'ny nanombohany teo amin'ny faran'ny pejy faharoa:

Narahin'ny soratr'olona iray nilaza fa tao nandritra ny fihetsiketsehana tao amin'ny Oniversiten'i Duke nandritra io andro io:

作者:antizangdu 回复日期:2008-4-11 6:10:18
我当时就在现场, 中国学生集会在杜克西校区举行, 总共有400人左右. 藏独本科生们从东校区沿着campus drive 一直跑到西校区, 在这个过程中, 一直有警察护送. 大概有十几个中国学生,学者,穿了”我的中国心”以及”北京奥运”的tshirt,护了一面很大的国旗, 一直跑在藏独的前面一两米处. 他们到了杜克西校区以后, 首先绕场跑了一周, 然后跑上了杜克大学大教堂的台阶上.在这段时间里, 我们一直有红旗围着他们,并问他们有没有去过西藏, 有没有去过中国, 其中大部分藏独都不吭声, 有一个美国小伙说他去过四个月….由于他们事先reserve了教堂前的位置,从晚上7点半到9点, 在他们上了教堂的阶梯以后, 中国学生和学者都在离最下一节台阶两米左右, 国旗在最前面的地方大家一起高唱国歌. 所有在国旗外面的人都是藏独的人. 学校校报的记者在他们身后拍照 照片相当的误导,而且已经刊登在今天校报的头条.
照片..网上的照片太小 http://media.collegepublisher.com/media/paper884/stills/rv87o3×3.jpg

这个小丫头就在包围圈的中间, 作出了这样的手势, 后面就有藏独的人在拍照 就是以下这张照片
http://www.mitbbs.com/article2/SanFrancisco/31322350_240.jpg

拍照的人就是楼上(雪印轻盈)那张大照片,最右边那面国旗边上蹲下照相的哪个人

小丫头真是为了出名,连自己的国家都卖了.

我不会贴照片,大家帮个忙 把照片贴上, 留个证据
让中国人闭嘴?

Nanatrika tao aho. Nivory teo amin'ny ilany andrefan'ny Anjerimanotolon'ny Duke ny mpianatra Shinoa hanao fihetsiketsehana, tokony ho 400 teo ho eo ny fitambaran'izy ireo. Ny mpanafaka an'i Tibet kosa namakivaky ny Anjerimanontolo avy any amin'ny ilany atsinanana ho any amin'ny ilany andrefana, nambenana polisy nandritra ny andro. Nisy mpianatra na manampahaizana shinoa tokony ho 12 teo ho eo niakanjo tee-shirt “My Chinese Heart” (ny fo mahashinoa ahy) sy “Beijing Olympics” (lalao olaimpikan'i Beinjing), nitondra sainam-pirenena lehibe, nihazakazaka roa metatra nialoha ny mpanafaka an'i Tibet. Raha vao tonga tany amin'ny ilany andrefan'ny anjerimanontolo ry zareo dia nanao fihodinana lehibe indray mandeha, nihazakazaka ry zareo mandra-pahatonga teo antokonan'ny efitrano fanaovam-petin'ny Duke. Nandritra izany fotoana fohy izany, dia nohodidininay tamin'ny saina mena ry zareo, ary nanontanianay raha efa tany Tibet, na mba efa tany Shina. Nangina ny maro tamin'ireo mpanafaka an'i Tibet. Boay Amerikana kely izay no niteny fa efa tany nandritra ny efa-bolana… satria moa ry zareo no namandrika voalohany ny toerana manatrika ny efitrano lehibe fanaovam-pety nanomboka tamin'ny 7 tamin'io alina io mandrapahatonga ny tamin'ny sivy sy sasany, avy eo ry zareo niakatra ny tohatry ny efitrano fanaovam-pety, nijoro roa metatra nanatrika ny tohatra kosa ny mpianatra sy ny manamapahaizana shinoa, nitazona ny sainam-pirenena sady nihira ny hiram-pirenena mafy tokoa izahay. Izay ankoatra ny saina rehetra dia mpanafaka an'i Tibet avokoa. Naka sary avy ao aoriany avokoa ny mpanao gazetin'ny Anjerimanontolo, sary mamandrika, saingy nameno ny gazetin'ny Anjerimanontolo androany.Kely loatra ny sary amin'ny tranonkalam-pifandraisana ity: http://media.collegepublisher.com/media/paper884/stills/rv87o3×3.jpg
Nijoro teo afovoany tsara kosa ity sipakely, nahatonga ity lahatsoratra ity, ary nitohy naka sary tao ivohony ny mpanafaka an'i Tibet, tahaka ny amin'ity sary ity:
http://www.mitbbs.com/article2/SanFrancisco/31322350_240.jpg
Ity sipa ity, mba hisintonana ny fijery fotsiny ihany, dia nivonona ny hamadika ny tanindrazany.
Tsy afa-mampiseho ny sary aho, misy afaka manampy ahy ve? Avoahy ny sary, asehoy ny porofo. Nantaonay ve izany nampangina ny shinoa?

Taoriana kelin'io filazana io dia nisy nametraka ny rohin'ny lahatsary avy amin'ny mpanao fihetsiketsehana andaniny sy ankilany:

作者:心台几点 回复日期:2008-4-11 8:03:07
大家都看视频

http://www.youtube.com/watch?v=I4J6nfyb-3k
5:16开始有王千源,很明显她是站在绝大多数的中国学生的对立面的
视频里有一段讲的挺清楚地

7:05的时候,几个同学围着她,质问她为什么打藏 独 旗 ,为什么不打五星红旗

7:27 她狡辩说香港也有旗
——————–

人肉!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!1

Nijery ity lahatsary ity ny rehetra:Nivoaka tamin'ny dimy sy fahefany i Wang Qianyuan, ary hita mazava fa nijoro nanatrika ny ankamaroan'ny mpianatra shinoa izy. Ity misy tsipalotra mazava tsara tamin'ny 7:05 dia nisy mpiara-mianatra taminy nanodidina azy, nanontany azy ny antony hiantsoany ny fanaleovantenan'i Tibet, fa tsy mba niara-dia tamin'ny saina menan'ny kintana dimy. Tamin'ny 7:27 dia namaly izy fa manana saina ihany koa anie i Hong Kong.
Milin'ny nofo!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

Nipetraka tao amin'ny pejy faharoa io lahatsary io tamin'ny voalohany; nanomboka tao amin'ny takelaka fahateo kosa ny fitsatotsatohan'ny marony laharam-pinday amerikanan'i wang, ary nanomboka teo no niditra an-tsehatra ny mpianatra shinoa ahafa avy ao amin'ny Oniversiten'i Duke, nanomboka teo dia nisy adihevitra fohy, taorian'ny pejy fahatelo amin'izay no nanomboka naherivaika ny fitenenana ary tsy nitsahatra izany mandrapifaran'ny adihevitra, izay mbola mitohy hatrany mandrak'izao fotoana anoratana izao.

Niseho tao amin'ny pejy fahaenina kosa ny laharan-karapanondron'i Wang sy ny adiresin'ny ray aman-dreniny miaraka amin'ny laharan'ny fiantsoana azy any Shina, ary teo akaikikaiky teo no nivelatra amin'izay ny rohin'ny adihevitra tao amin'ny Tianya.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.