Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2007

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2007

Resadresaka niaraka tamin'i Cristina Quisbert an'i Voces Bolivianas

  19 Desambra 2007

Iray tamin’ireo tetikasa fampitam-baovaon’olom-pirenena dimy nahazo ny vatsin’ny Rising Voices tamin’ny volana jolay 2007 ny Voces Bolivianas (’ Feo boliviana’). Notarihin’i Mario Duran, i Eduardo Ávila, ary i Hugo Miranda,[es] tamin’ny alalan’ny atrikasa valo notanterahina indroa isan-kerinandro tao amin’ny toeram-pivoizana aterineto iray tao an-tanànan’i El Alto any Bolivia nandritra ny...

Nizeria : Ny fahazakana ao amin'ny fombam-pivavahana Yoruba

  18 Desambra 2007

Dia soratan'i Loomnie ny fivavahana sy ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa miorina ao anatin'ny kolontsaina Yoruba: “Navoitran'ilay namako mazava tsara fa io no tena mampiavaka ny fombam-pivavahana Yoruba. Ao amin'ny fomban-drazana nentim-paharazana Yoruba, na dia ao anatin'ny ankohonana iray aza dia malalaka ny tsirairay amin'ny andriamanitra izay tiany ivavahana, ary tsy manery na mampahory...

Koety: krizin'ny atody

  18 Desambra 2007

Mpamaham-bolongana Koesiana Nibaq no mamakafaka lalindalina ao amin’ ity lahatsoratra ity  ny anton'ny krizin'ny atody ao amin'ny firenena misy azy. Nambarany ao ary fa raha mahatratra 1.000.000.000 ny isan'ny atody lanin'ny firenena ao anatin'ny taona dia ny 40 isan-jaton'izany ihany no mba vokatry ny ao an-toerana fa ny ankoatra izay dia atody...

Bahrein: Mpanao fihetsiketsehana maty

  18 Desambra 2007

Bahrainita iray nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanamarihana ny andron'ny maritiora iray no nodimandry, hoy ny tatitry Mahmood Al Yousif . Notateriny ary fa noho ny fahasemporana tratran'ny fipoahan'ny entona mandatsa-dranomaso no nahafaty ity mpanao fihetsiketsehana ity raha nolazain'ny minisitry ny atitany fa noho ny aretim-po no nahafaty azy. Mbola mitohy...

Goatemala : Ny fomban-drazana fandoroana devoly

  15 Desambra 2007

Hazavain’ny jiro iriariavan’ny ankizy milalao an-dalambe ny manodidina, fialantsasatra tokoa manko izao ary efa mandindona ny maro sahady ny fetin’ny krismasy. Hifangaro toy ny isaky ny volana desambra indray ny fivavahana sy ny fomban-drazana isankarazany. Misy fomba « fandoroana ny devoly » izay fanao isaky ny 7 Desambra indrindra fa...

Vonona ny torolalana hamahanam-bolongana miafina amin'ny teny frantsay

  11 Desambra 2007

Efa azo vakiana ankehitriny ny toro-lalana mamaham-bolongana miafina tsy fanta-toerana miaraka amin’ny WordPress sy Tor amin’ny teny frantsay ary isaorana ny mpamaham-bolongana Toniziana Malek Khadhraoui, ary efa sahirana izahay handika azy amin’ny fiteny hafa. Ity torolalana ity dia maneho fomba samihafa hiarovana ny mombamomba ny olona iray hisamborana azy ary...

Radiosikileta: sady radio no bisikileta

  05 Desambra 2007

Avy amin’i Juliana Rincon [es] no nahafantaranay ny fisiana bisikileta hafakely miasa ao Caquetá, ao Kolombia.ity : “It seats two and carries with it a complete radio broadcasting system, able to send out Wi-max signals and be heard not only through the Andaquí Community Radio, but live through Internet as...

Masoarabo: Henakisoa Halal

Ny tena dikan’ny teny hoe masoarabo eto moa dia hoe “fomba fijery arabo”. Ny Silamo, tahaka ny Jodaisma dia mandrara ny mpikambana ao aminy tsy hihinana henakisoa. Saingy inona moa no hitranga raha misy tsahotsaho fa misy fanomezandalana ara-pivavahana na ‘Halal’ hita eny an-tsena? Ity misy adihevitra nataona mpamaham-bolongana sy...