Vonona ny torolalana hamahanam-bolongana miafina amin'ny teny frantsay

bloguer-anonym_rf1.png

Efa azo vakiana ankehitriny ny toro-lalana mamaham-bolongana miafina tsy fanta-toerana miaraka amin’ny WordPress sy Tor amin’ny teny frantsay ary isaorana ny mpamaham-bolongana Toniziana Malek Khadhraoui, ary efa sahirana izahay handika azy amin’ny fiteny hafa.

Ity torolalana ity dia maneho fomba samihafa hiarovana ny mombamomba ny olona iray hisamborana azy ary mampihena be dia be ny fomba ahalalana azy amin’ny alalan’ny fanatrarana azy ara-teknika avy amin’ny toeram-panoratany.

Ny “Guide pour bloguer anonymement avec WordPress & Tor” koa dia azo sintonina amin’ny rindrambako fikirakirana PDF . Afaka mametraka Adobe Acrobat Reader tsy vidiana ihany koa ianao hijerena PDF. Raha manam-pahasahiranana ianao amin’ny fijerena PDF eto an-tserasera, dia andramo ity endrika HTML ity.

Miangavy indrindra mba hametraka rohy ho amin’ity vaovao ity, sintony ny ao ary apariaho araka izay azo atao ity vaovao lehibe ity. Afaka mandray amin’ny alalan’ny endrika HTML ianao eto!

Sami Ben Gharbia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.