Dia soratan'i Loomnie ny fivavahana sy ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa miorina ao anatin'ny kolontsaina Yoruba:
“Navoitran'ilay namako mazava tsara fa io no tena mampiavaka ny fombam-pivavahana Yoruba. Ao amin'ny fomban-drazana nentim-paharazana Yoruba, na dia ao anatin'ny ankohonana iray aza dia malalaka ny tsirairay amin'ny andriamanitra izay tiany ivavahana, ary tsy manery na mampahory ny hafa hanaraka ny fivavahany. Izany, hoy ilay namako, dia maneho ny halehiben'ny fahazakana ny fivavahan'ny hafa.”
[Ataoko fa tsy lavitra izany isika Malagasy, mpandika teny.]
2 hevitra
Haingam-pamaky aho omaly dia tsy hitako ity hafatra “miafina” ity.
Manamafy ny lazainao, ary raha ny tena izy angamba tsy dia nisy olana ara-pivavahana firy tany Madagasikara talohan’ny nahatongavan’ireo Misionera izay nampita tamin’ireo mpanaraka azy ny olana nisy tamin-dry zareo tandrefana. Ny tsininy fotsiny dia efa miezaka mifandamina izao ry zareo vazaha saingy isika kosa mbola mitahiry izany fisarahana izany.
ka izy io efa mihavitsy ihany ny kristiana any aminy. Andeha atao hoe ny fomba sisa no mampifanavaka ny eto Madagasikara