Andriamifidisoa Zo · Desambra, 2007

Lahatsoratra farany an'i Andriamifidisoa Zo tamin'ny Desambra, 2007

Porto Rico, trinite sy Tobago, Pakistana: Fodiamandrin'i Bhutto

  28 Desambra 2007

“Namelona ny aingam-panahiko i Benazir Bhutto. Nahery vaika izy. Nahery fo ihany koa. Sady tsara tarehy no nahay nihaingo ary tsy natahotaho-poana”: Izany no ambangovangon-tenina mpamahambolongana teraka Porto Rikana Liza Sabater izay nametraka an'i Bhutto ho “sheroe”-ny na “tsangan'ny herimpom-behivavy” (mariho ny s alohan'ny heroe) fitarafany, fa i  Coffeewallah, mpamaham-bolongana avy ao Trinite,...

Fodiamandrin’i Benazir Bhutto ao Pakistana

  28 Desambra 2007

Nisy namono tamin’ny faha-54 taonany androany maraina nandritra ny fivorian’antoko Rtoa Benazir Bhutto. Nefa dia nolazain’ny haino aman-jery (fantsom-pampitam-baovao) indrindra fa ao Rawalpindi no toerana tsara aro indrindra sy feno mpitandro filaminana indrindra. Ny zava-mahavariana faharoa araka ny fitantarana nataon’ny BBC dia teo amin’ny toerana nahafaty indrindra ny praiminisitra Pakistaney...

Pakistana: fihetseham-po noho ny fahafatesan’i Bhutto

  28 Desambra 2007

Nanaitra ny mpamaham-bolongana avy sy manoratra momba an’i Pakistana maro ny fahafatesan-dRtoa Benazir Bhutto. Raha azo lazaina ho mampiady hevitra ihany ny politikan’i Bhutto, dia teo amin’ny fotoana nanantenan’i Pakistana hiverenan’ny demokrasia banga nandritra ny taona maro indrindra no nitrangan’ny famoanoana azy ity. Lahatsora-pihantsiana avy amin’ny tsy finoana, na fanahiana...

Ezypta: Rama Yade

  27 Desambra 2007

  Tsy amin'ny maha Rama Yade – sekreteram-panjakana frantsay misahana ny raharaham-bahiny sy ny zon'olombelona – azy ka amin'ny fijery politika no itondran'ny mpamaham-bolongana Ezyptiana Eastern Bird ity lahatsoratra manaraka ity (Ar). Raha ny marina dia lohahevitra hafa mihitsy no nanaitra ny aingam-panahiny ka nahatonga azy hanoratra io lahatsoratra eo ambany io. Toy...

Ny fahatsaran’i Suso sy ny fahamendrehan’olombelona

  27 Desambra 2007

Lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Rising Voices. Ataoko fa na aiza na aiza dia ahitana avokoa ireny olona manana ny lazany na amin’ny tsara na amin’ny ratsy ireny avokoa, noho ny talentany, ny toetrany na noho ny tantarany manokana. Olona (maningana) manana fiainana toa miavaka toy amin’ireny tantara voasoratra na voalahatsary...

Thailand: Mitarika ny PPP

  24 Desambra 2007

Bangkok Pundit eto no mamoaka tsikelikely sy mamakafaka ny valim-pifidianana izay vao novitaina teo. Ny PPP (People's Power Party na antokon'ny fahefam-bahoaka), izay noheverin'ny maro fa antoko nipoitra avy amin'ilay antoko nofoanana  Thai Rak Thai no mitana ny laharana voalohany amin'ny fahazoana seza amin'izany. Preetam Rai

Fifidianana Madagasikara : Fampitandremana ho an’ny fitondrana ?

  21 Desambra 2007

(saripikan'i Harinjaka) Tamin’ny valim-pifidianana monisipaly notontosaina tamin’ny herinandro lasa teo ho an’Antananarivo, renivohitry Madagasikara, resin’ny kandida mahaleo tena Andry (Nirina) Rajoelina ny avy amin’ny antokon’ny filoham-pirenena Hery Rafalimanana, amin’izao fivadihan-javatra izao dia heverin’ny mpamaham-bolongana maro fa fampitandremana ho an’ny filoha ankehitriny io vokatra io. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny...

Libanona: Raha foana tahirin-tsolika

  20 Desambra 2007

“Halavirana hatraiza no vitan'ny fiaranao rehefa manamarika (mena) ny tabilao fanamoriana fa lany ny tahirintsoliky ny fiaranao?” hoy ny fanontanian'ny mpamaham-bolongana Libaney Mark, izay te-hampilaza amin'ny mpamily fiarakodia hoe hatramin'ny firy kilometatra moa no vitan'ny fiara entinao rehefa voatondro ny faritra mena fahalanian'ny solika ao aminy. Amira Al Hussaini

Neo Zealand: Facebook sy ny politika

  20 Desambra 2007

Nohazavain'i Kiwiblog ny iray amin'ny iditra Facebook iray antsoina hoe NZ Politics ho an'ny Neo Zealandey. “Fidianao izay antoko politika tohananao, dia jerena avokoa avy eo izay tohanan'ny namanao rehetra. Afaka misafidy ianao na aseho vahoaka na tsia ny safidinao.” Preetam Rai

Iran: Mpianatra telo noafahan'ny fitsarana madiodio

  20 Desambra 2007

Raha inoana ny voalazan'i Daneshjoo blog[Farsi], dia noheverin'ny fitsarana iraniana fa tsy meloka ny mpianatra telo izay efa any amponja manana ireto fanampian'anarana manaraka iretoTavakoli,Ghasaban ary Mansouri. Efa voafonja nandritra ny 9 volana izy ireo ary noterena hanaiky fa nanoratra lahatsoratra manaratsy ny fitondrana. Ankehitriny moa dia tapaky ny fitsarana fa...