Mali : Fifidianana Hamaritra ny Hoavy Amin'ity Taona 2018 ity

Opération Barkhane eo amin'ny fifandraisana amin'ny mponina ao atsimon'i Mali avy amin'i TM1972 – CC-BY-4.0
Mampiharihary ny tsy fisian'ny fandriampahalemana maharitra miorim-paka ao amin'ny firenena ny fifanandrinana indray teo amin'ny tafika Barkhane (hetsika fitandroana ny fandriampahalemana ataon'ny tafika frantsay) sy ny vondrona jihadista tao avaratr'i Mali nandritra ny faran'ny herinandron'ny paska, volana vitsivitsy monja mialoha ny fifidianana hamaritra ny hoavin'ny firenena.
« Pas de trêve pascale au Mali » [Tsy misy fampiatoana ady mandritra ny paska ao Mali] hoy ny lohatenin-gazety Ouest France. Nisy tokoa ny fifampitifirana mahery vaika teo amin'ny djihadista sy ny mpiady mpanohana ny fitondrana tamin'io faran'ny herinandro io. Ny hetsika famantarana sy fifehezana tany niarahan'ny tafika frantsay tamin'ny milisin'ny MSA-GATIA, vondrona mitam-piadiana iray manohana ny governemantan'i Bamako teo amin'ny sisintany iraisain'i Mali sy Niger no niafara tamin'ny famonoana mpikambana miisa 30 an'ny vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana iray. Tsy nisy miaramila frantsay manatontosa ny opération Barkhane maty na naratra nandritra ny fifampitifirana.
Fandrahonana tsy mety manjavona
Efa mampisy fanantenana ny fahombiazan'io bemidina io – tahaka ny ankamaroan'ny bemidina natao faramparany teo – saingy tsy mbola mampilamina ny toe-draharaha ao avaratr'i Mali izay tsy niova nandritra ny taona maro. Niparitadritaka sy voaroaka tany avaratr'i Mali ny vondrona djihadista hatramin'ny taona 2013. Saingy misy ny faritra midadasika ao amin'ny firenena tsy mbola voafehin'ny fahefana – na dia eo aza ny fanohanana mavitrika avy amin'ny tafika frantsay. Ankoatra izay, manararaotra ny korontana navelan'ny fifanandrinana,nihaniroborobo ny asan-jiolahy araka izay nasongadin'ny famonoan'olon-tsy fantatra ny kaporaly iray tao afovoan-tanànan'i Tombouctou.
Ny tena henjana, nihoatra sisintany ankehitriny ka nahazo ny firenena mpifanolo-bodirindrina, indrindra fa i Burkina Faso sy i Niger ny fifanandrinana. Hany ka nahatonga ny fampitandremana avy amin'ny Firenena Mikambana manoloana ny tsi-fandriampahalemana izay: « mihamivelatra sy mihamahazo vahana ao afovoan'ny firenena » tamin'ny tatitra nataony vao haingana. Ary ny tena mampanahy dia ho tafatoetra maharitra ao Sahara Lehibe ny Fanjakana Islamika. Nanoritra ny Firenena Mikambana :
Des pertes de contrôle territorial, ajoutées à une fragmentation croissante des groupes armés [loyalistes] en fonction de leurs ethnies ce qui mène au développement de groupes armés non-signataires. Ces divisions croissantes représentent aujourd’hui la plus grande menace à l’application de l’accord d’Alger de 2015 et plus largement pour la paix.
Ny fahaverezan'ny fifehezana sisintany, miampy ny fitomboan'ny fisarasarahan'ny vondrona mitam-piadiana [manohana ny fitondrana] araka ny foko misy azy ireo avy no mahatonga ny firoboroboan'ny vondrona mitam-piadiana tsy nanao soniam-pifanarahana. Ireny fisarasarahana ireny no tena loza mihantona amin'ny fampiharana ny fifanarahan'i Alger natao tamin'ny taona 2015 ary loza mihantona hoan'ny fandriampahalemana amin'ny ankapobeny.
Noheverina hiaraka amin'ny fampihenana ny herisetra io taratasy fifanarahana, nosoniavin'ny fitondrana maliana sy ny fiarahan'ny vondrona Touareg sy Arabo mitam-piadiana io. Saingy, araka ny fijoroana vavolombelon'ny diplaomaty iray tsy nitonona anarana, tsy nisy ihany koa ny fivoarana teo amin'io lafiny iray io. Tompon'andraikitra amin'ny fahatarana misy ankehitriny « ny ankolafiny rehetra ».
Fifidianana hamaritra ny hoavy
Iray amin'ny varavarana ivoahana amin'ny kizo ankehitriny ny fifidianana ho filohampirenena kasaina hotontosaina ao anatin'ny efa-bolana. Raha mety hampitony ny sasantsasany amin'ny fifanenjanana misy ankehitriny izany, dia mety hanasarotra kokoa ny toe-draharaha raha vao tsy azo inoana ny voka-pifidianana. Noho ny toe-draharaha misy eo amin'ny firenena, mitoetra ihany koa ny fisalasalana – voalohany amin'izany, mbola hirotsaka hofidiana ve ny filoha Ibrahim Boubacar Keïta ? Ankoatra ny olana politika, misy ihany koa ny fahasarotana ara-teknika : ahoana ny atao hamantarana ireo mpifidy manakaiky ny 7 tapitrisa ? Ahoana no atao amin'ny fanangonana sy ny fandefasana tsy misy raorao ny voka-pifidianana?
Nampanatena « ny hametraka rafi-pamantarana biômetrika ny kara-pifidianana » ny komity misahana ny fifidianana, saingy nahazo tsikera avy amin'ny mpanohitra izany tetikasa izany, izay mihevitra azy ho lafo (54 tapitrisa euros tsy misy hetra) sy sarotra tanterahina amin'izao fotoana izao.
L’offre retenue me semble difficile, sinon impossible, à mettre en place à quatre mois du scrutin sur un territoire où la couverture Internet et d’électricité reste faible. On pourrait tout aussi bien s’orienter vers une solution peu coûteuse avec l’usage d’encre indélébile et la signature de registres, comme en France.
Sarotra, mety ho tsy azo tanterahina, ao anatin'ny efa-bolana mialoha ny fifidianana izay mbola faritra maro no tsy misy jiro sy aterineto eto amin'ny firenena izany tolotra noraisina izany. Azo natao ihany koa ny nirona tany amin'ny vahaolana tsy lafo haka ny fampiasana ranomaintsy tsy mety voakosoka sy ny fanasoniavana ny lisitra, tahaka izay atao any Frantsa.
hoy ny mpanolotsaina akaiky ny Praiminisitra Soumeylou Boubèye Maïga.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...