
Claimant Jason Jones teo ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana ao Port of Spain, Trinite, rehefa nampitaina ny didin'ny Fitsarana Tampony. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Ny alakamisy 12 avrily 2018 tamin'ny 10 ora maraina, Niditra tao amin'ny POS 09 tao amin'ny Lapan'ny Fitsarana ao afovoan-tanànan'i Port of Spain ny Mpitsara Devindra Rampersad hamoaka ny didy amin'ny raharaha Jason Jones mifanandrina amin'ny Tonia Mpampanoa Lalànan'i Trinite sy Tobago.
Ny fanontaniana apetraka eo amin'ny mizàna moa dia hoe manana ny fahefana araka ny lalampanorenana ve ny fiadidiam-panjakana hanondro ho heloka bevava ny fanaovana firaisam-batana nifaneken'ny olondehibe ampy taona roa mitovy fananahana ifandraisana — fihetsika izay notondroin'ny andininy faha-13 sy 16 amin'ny Lalànan'ny Fanitsakitsahana Ara-Pananahana 11:28 ho heloka bevava.
Hita tao anatin'ny efi-pitsarana i Jason Jones, ny mpiaro sy ekipa ara-pitsarana, sy solontenan'ny ankolafy ahitana ny Vaomieran'ny Varavarana Misokatra Mitovy (Ho an'ny Rehetra), ny Sanatan Dharma Maha Sabha (fikambanana haindò mpandala ny nentin-drazany), ary ny Vaomieran'ny Fiangonana Evanjelika ao Trinite sy Tobago. Hita tao ihany koa ny mpanao gazety, mpanohana ny mpiaro ny zon'ny LBGT+, ary mpitarika ara-pivavahana maromaro.
Eo an-tokotanin'ny efi-pitsarana, eo amin'ny tohatra midadasiky ny Lapan'ny Fitsarana sy eo amin'ny Zoron-dalan'i Woodford eo ampita, no nifamorivory ny mpikatroka avy amin'ny andaniny sy ny ankilany. Maro amin'ireo no nitazona sora-baventy miaro ny zon'olombelona ary vitsivitsy no manofahofa andininy avy amin'ny Baiboly.

Fifangaroan'ny sora-baventy miseho eo amin'ny Zoron-dalana Woodford, teo am-piandrasana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ambony amin'ny raharaha Jason Jones sy Fanjakana. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Mpanohana ny zon'olombelona mivory eo ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana, 12 Avrily 2018. Sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Mpitandro ny filaminana iray mijery ny fizotran'ny raharaha eo amin'ny Zorondalana Woodford ao Port of Spain. Saripika avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Maro amin'ireo sora-baventy no mandeha hafa-pitiavana, sy miresaka ny filàna fiarovana ny zon'ny olom-pirenena rehetra eo amin'ny lalampanorenan'ny firenena.

Mpikatroka mivory ho fiarovana ny zon'olombelona. Saripika avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Soratra itarafana ny fisainam-pivavahana ao an-dohany.

Sora-baventy tsatok'antsy amin'ireo mpandala ny mahazatra ara-pivavahana. Saripika avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

“Tiava ny namanao (mpifanolo-bodirindrina aminao)”; saripika avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

“Atsaharo ny fanamarinana fankahalana amin'ny alalan'ny fivavahana”; saripikan'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Maro amin'ireo mpikatroky ny LBGT+ no manasongadina fa tsy misy idiran'ny fitondram-panjakana any amin'ny fandrianany. Naseho ihany ny tenirohin'ny hetsika, #JusticeDiversityTT, raha manandra-teny amin'ny fanekena ny fimaroana ao anatin'ny fianakaviana ny olona.

Mpanohana ny fanesorana ny lalànan'ny fahapelahana te-hanala ny fanjakana tsy hiditra amin'ny raharaha an-takonana. Saripikan'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Mpanao fihetsikesehana iray eo ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana ao Port of Spain, amin'ny 12 avrily 2018. Saripikan'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Taorian'ny fehinteny naharitra atsasakadiny amin'ny fitsarana, nanambara ny Mpitsara Rampersad fa hitan-dry zareo ny andininy faha-13 sy faha-16 amin'ny lalàna ho “tsy mifanaraka amin'ny lalampanorenana, tsy ara-dalàna, foana, tsy mihatra, tsy manan-kery ary tsy misy fiantraikany amin'ireo lalàna manameloka ireo fihetsika efa nifaneken'olondehibe ampy taona eo amin'ny lafiny fananahana”.
Tony sy mitandrina ry zareo tao amin'ny efi-pitsarana. Saingy raha vao nahatratra ny tany an-tokotany ny vaovao dia nisy horakora-pifaliana tamin'ny maro tamin'ireo tao ivelany.

Ireo vahoaka nentanin-kafaliana teo amin'ny tohatohatry ny Lapan'ny Fitsarana rehefa ren-dry zareo ny fanapahan-kevitra. Saripikan'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Horakora-pifaliana teo ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana; sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Fankalazana hafa koa tamin'ny nandrenesana ny didim-pitsarana; sary avy amin'i Maria Nunes, nahazoana alalana.

Ireo mpanohana ny fanesorana ny “fahapelahana” hiala amin'ny Fihetsika Fanitsakitsahana Ara-pananahana mitsiky raha nandre ny didin'ny Fitsarana Ambony. Saripikan'i Maria Nunes, nahazoana alalana.
Somary nandona fo ihany, niresaka tamim-pitoniana, tamin'ny saina ary tamim-panajana ny andaniny sy ny ankilany na taloha na taorian'ny didim-pitsarana ireo olona tsy mitovy hevitra amin'ity lohahevitra ity. Betsaka ny fifanakalozan-kevitra momba ny fanekena (maro ny olona no manana hevi-diso fa mitovy amin'ny fanaovana ankeriny ihany ny fampidirana avy ao amin'ny fitombenana) sy ny filàna fa samy tokony hanaiky ny mahaolombelona ny andaniny avy ny ankilany.

Mpanohana ny zon'ny LGBT+ iray mifanakalo resaka amin'ny mpikambana iray ao amin'ny vondrona ara-pivavahana rehefa nambara teo ivelan'ny Lapan'ny Fitsarana ny didim-pitsarana. Sary avy amin'ny mpanoratra.
Any amin'ny farany, na hanova na tsia ny toe-tsain'ny rehetra ny didim-pitsarana, niara-nijoro teo amin'ny Lapan'ny Fitsarana ny mpikatroka LBGT+ sy ny mpikatroka ara-pivavahana — ary voasoratra ao amin'ny tonon'ny hiram-pirenen'i Trinite sy Tobago fa ny didim-pitsarana manan-tantara no hahatonga ny olom-pirenena tsirairay avy hanana toerana mitovy.
Efa nanambara ny Governemanta fa hampakatra ny raharaha.