
Saripika nandritra ny diaben'ny 24 avrily 2018 tao an-tanànan'i Mexico ary nozaraina teo amin'ny horirantava Twitter an'ilay mpikatroka Emilio Álvarez Icaza.
Naneho ny ratrany, ny loniloniny ary ny fahatafintohinany ireo mpisera ny media sosialy (indrindra fa ireo mpaneho hevitra amin'ny alalan'ny Twitter) ao Meksika taorian'ny filazana natao tamin'ny 23 avrily 2018 momba ireo mpianatra mpanatontosa sarimihetsika miisa telo nanjavona tamin'ny volana marsa. Ny nolazain'ny manampahefana ao an-toerana dia hoe novonoin'ny andian-jiolahy ireo tanora ireo ary dia nolevoniny ny vatany mba hampanjavonana ny porofo.
Vao nampitaina izany vaovao izany dia naneho hevitra tamin'izao teny izao ny mpanao gazety sady mpampianatra oniversitera Gabriela Warkentin :
Asesinados y disueltos en ácido, así aparecen los tres estudiantes de cine secuestrados en Jalisco.
De ese México es del que tenemos que hablar todos los días.
Todos los pinches días.
¡Carajo!
— Gabriela Warkentin (@warkentin) 24 de abril de 2018
Novonoina dia nolevonina tao anaty asitra : toy izany no nahitana ny mpianatra sinema anankitelo notazonina tao amin'ny fanjakan'i Jalisco. Ao amin'izany Meksika izany no tsy maintsy ilazanay isan'andro. ISAN'ANDRO. Lehity e !
Ny Zava-nitranga
Tamin'ny 20 marsa 2018, nambaran'ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny Oniversiten’ny Haino Aman-Jery (CAAV), izay manana foibe iray ao Guadalajara (Fanjakan'i Jalisco) ao andrefan'i Meksika ampahibemaso ny fanjavonan'i Salomón Aceves, Marco Ávalos ary i Daniel Díaz, mpanatontosa sarimihetsika eo am-piofanana, ary mianatra ao amin'ny oniversite voatonona. Nilaza ny fizotran'ny raharaha i Zorayda Gallegos, mpanao gazety amin'ny fampitam-baovao maro, ka anisan'izany ny gazety espaniola El País :
Salomón Aceves Gastélum, de 25 años y originario de Mexicali (Baja California); Daniel Díaz, de 20 años y de Los Cabos (Baja California Sur), y Marco Ávalos de 20 años y de Tepic (Nayarit), vivían en la zona metropolitana de Guadalajara, donde estudiaban cine. Los tres desaparecieron el pasado lunes después de realizar una grabación en un domicilio de Tonalá, una localidad colindante con Guadalajara, donde realizaban una tarea escolar.
Salomón Aceves Gastélum, 25 taona, avy ao an-tanànan'i Mexicali (California Ambany) ; Daniel Díaz, 20 taona, avy ao Los Cabos (California Ambany Atsimo) ary Marco Ávalos, 20 taona, avy ao Tepic (Nayarit), samy nonina tao amin'ny faritra ifangarongaroan-karazan'olona ao Guadalajara, izay nianarany ny sarimihetsika. Nanjavona ireo mpianatra telo ireo tamin'ny alatsinainy farany teo rehefa nanatontosa fandraketana tao amin'ny trano iray tao Tonala (tanandehibe manamorona an'i Guadalajara) noho ny fanaovana devoara oniversitera.
Araka ny fizotran-tantara navoakan'ny gazety meksikana Milenio, nisy vondron'« olona mitam-piadiana » nanatona ireo mpianatra sy ireo hafa amin'ny namany avy teo akaikin'ny fokontany Colinas de Tonalá (nihazonana ireo mpianatra) tamin'ny filazàna ny tenan-dry zareo ho mpikambana amin'ny vondrona polisy iray. Araka ny loharanom-baovao hafa, satria noheverin'ireo olona ireo ho mpikambana amin'ny fikambanan-jiolahy mpamono olona hafa miady ny fifehezana ny faritra izy ireo no nahatonga izany.
Avy eo (araka ny fitantaran'i Milenio), nentina tao amin'ny trano iray ireo tanora ireo. Tao ny iray tamin-dry zareo, Salomón Aceves, no maty noho ny fampijaliana. Novonoina ihany koa avy eo ny namany, avy eo nentina tamin'ny toerana iray hafa, araka ny nolazain'ny manampahefana, nolevonina tao anaty asidra solforika ny nofon-dry zareo.
Fahatafintohinana
Nozarain'ny mpisioka twitter Montserratny sarin'ireo mpianatra telo novonoina :
Aquí están. Son tres de nosotros. Estudiantes de cine.
Disueltos en ácido.
Á C I D O pic.twitter.com/uWw5ZUOWNx
— Montserrat (@mon_arce) 24 de abril de 2018
Indreo. Ny telo amintsika. Mpianatra sarimihetsika. Nolevonina tanaty asitra. A S I D R A.
Nanambara toy izao i Camilo Saavedra raha nahare ny vaovao :
Indignación total hoy en Jalisco y en México, hoy confirman la desgraciada noticia que se aproximaba después de tanto agobio, tres estudiantes inocentes muertos por manos del crimen. Hoy los mexicanos estamos hasta la chingada de tanta violencia! #NoSonTresSomosTodxs
— Camilo Saavedra (@morrisoncamilo) 24 de abril de 2018
Feno ny fahatezerana eto Jalisco sy eto Meksika. Androany, nohamafisina tamintsika ny vaovao mampihoron-koditra tarataratra teny am-paravodilanitra rehefa feno tebiteby : mpianatra tsy manantsiny telo, novonoin'ny jiolahy. Androany, feno tanteraka ny kapoakanay Meksikana amin'izao herisetra rehetra izao ! #NoSonTresSomosTodxs
Naneho ny alahelony i Vianey tamin'izao hafatra manaraka izao :
Que triste que el ser estudiante en este país provoque la muerte, que dolor e impotencia saber que cualquiera de nosotros podemos acabar disueltos en ácido por estar en un lugar y en un momento equivocado #NoSonTresSomosTodxs toda mi buena energía para sus familias.
— Vianey (@Vianeycita) 24 de abril de 2018
Dia mampalahelo tokoa ny mahita fa mitarika mankany amin'ny fahafatesana ny hoe mpianatra eto amin'ity firenena ity. Mangirifiry sy miraviravy tanana rehefa mahafantatra fa na iza na iza amintsika mety hiafara ho levona ao anatin'ny asidra noho ny fahatongavana amin'ny toerana diso amin'ny fotoana tsy mety #NoSonTresSomosTodxs mandefa angovo tsara ho an'ny fianakaviana aho.
Moramora kokoa ny mahatakatra ny siokan'i Vianey raha tsaroana ny raharaha fakana an-keriny ny mpianatra miisa 43 tao Iguala (Fanjakan'i Guerrero) tamin'ny septambra 2014 (Raharaha Ayotzinapa).
Nanao izao fanamarihana izao indray i Luis Antonio García, ka ao anatin'io izy te-hanondro ny amnistia tolo-kevitry ny kandidà ho filoham-pirenena mitarika amin'ny fitsapan-kevitra ahafahana manaisotra tsikelikely ny herisetra efa manjaka loatra :
Es una lástima la confirmación de los estudiantes asesinados en Jalisco.
Como país debemos exigir justicia. No hay justificación para estos crímenes, ni se explican por el entorno social. Jamás impunidad, jamás amnistía a sus asesinos.
¡Justicia! pic.twitter.com/efbTKyxSBQ— Luis Antonio García (@luisantgarcia) 24 de abril de 2018
Malahelo tokoa rehefa nahare fa tena novonoina tao Jalisco ireo mpianatra. Amin'ny maha-firenena antsika dia adidintsika ny mitaky ny rariny. Tsy misy na inona na inona ahafahana manamarina famonoana olona tahaka izao izay tsy hay hazavaina amin'ny toe-javamisy ara-piarahamonina. Tsy ilaina velively ny tsifisaziana, tsy ilaina velively ny amnistia ho an'ny mpamono azy ireo. Fitsarana [Rariny] !
Teknika taloha
Tsy zava-baovao tsy akory ny fampiasana asidra sy singa shimika mahery hafa handevonana faty ao Meksika. Santiago Meza López, fantatra kokoa amin'ny anarana El Pozolero, no tsy isalasalana fa jiolahy malaza indrindra voaheloka ho nanao io karazam-pampijaliana io. Araka ny fanisana nataon'ny gazety, nandevona olona mihoatra ny telonjato fantatra anarana, novonoina tao anatin'ny ady an-trano [mifandraika amin'ny ady amin'ny mpanondrana zava-mahadomelina] nahadifotra an'i Meksika i El Pozolero.
Fihetsiketsehana ao an-drenivohitra meksikana…sy amin'ny aterineto
Tanora an'arivony no nidina teny an-dalamben'i Mexico ny takarivan'ny 24 avrily ho fanoherana ny herisetra manjaka amin'ny firenena. Ao amin'ny Twitter, hita ao anatin'ny fironana ny tenirohy #NoSomosTresSomosTodxs noho ny nampiasan'ny olom-pirenena meksikana azy hitakiana ny rariny sy ny filaminana amin'ny Fanjakana.
Marco/Jesús/Salomón #NoSomos3SomosTodxs pic.twitter.com/U5szuncU9O
— Antonio Marvel (@antoniomarvel) 24 de abril de 2018
Efa andrasana ihany koa ny fanetsiketsehana olom-pirenena hanamelohana ny tsy fihetsehana toa firaisana tsikombakomban'ny manampahefana, dia ilay nanome vahana ny tsy filaminana sy ny herisetra izay mianjady amin'ny meksikana any amin'ny tanandehibe maro manerana ny firenena.