Satria moa fahita any amin'ny firenen-drehetra ny mpisera Twitter mampiasa tenifototra, dia misy ny tenifototra miforona isan'andro, isan'ora, eny fa na dia isa-minitra aza indraindray. Tany Koety, namorona ny tenifototra #بطارية (bateria na mpiteraka angovon'aratra amin'ny teny Arabo) ary dia vaky ny vavahadin'ny helo.
Ny mpisera Twitter sasany dia manambara fa tompon'andraikitra amin'ny tenifototra izay manoratra azy, ary maro ny mampiely ny pikantsarin'ny sioka, izay tsapan'ny maro ho manompa ny mpanapaka ny firenena ary tsy hita intsony ao amin'ny rakipiainan'ny [timeline] mpanoratra.
Nisy ny ‘ompa’ satria nolazaina fa nanana pacemaker [mpanetsika fitempon'ny fo] izay mandeha bateria ny Emir, Shaikh Sabah Al Ahmad Al Sabah.
Mandritra izany fotoana izany, sady tsy nandà no tsy nanamafy ny fanombohan'ny raharaha ny mpanoratra voalaza Mohammed AlAjmi, ka namoaka sioka tahaka ny [ar]:
sy:
Raha maro no nieritreritra fa ny bateria nosoratana tamin'ny voalohany dia ompa natao tamin'ny Emiran'i Koety, heloka mahavoasazy eo anatrehan'ny lalàna koesiana, nalaza teo amin'ny vondron'olona mpisera vitsy izay heverina ho mitovy hevitra amin'ny hafatra kosa ny tenifototra. Mandritra izany fotoana izany ny ankamaroan'ny mpisera Twitter namadika ny toe-draharaha ho hazalambo, miantso hanagadrana ireo mahasahy manompa ny mpanapaka.
Abdullwahab AlEssa, mpanentana ao amin'ny fahitalavitra, nisioka:
AbdulAziz AlYahya, mpahay lalàna sady PDG fahitalavitra tsy miankina iray, nanampy:
Husain AlAbdullah, mpahay lalàna hafa sady mpanao gazety, nanoratra:
Farany, Hamad AlNaqi, izay mamariparitra ny tenany ho mpikambana ao amin'ny Amnesty International sy mpiaro ny zon'ny vahoaka Bahrainita, niteny: