Palestina: Mijaly Ny Mponina Ao Gaza Fa Tapaka Jiro Tsy Misy Solika

Folo taona mahery izay dia lasa mifameno ny voambolana “Gaza” sy “krizy”. Ny hadadasiky ny krizy dia hatramin'ny ady sy fandarohana baomba sy fananiham-bohitra miaramila ka hatramin'ny fibodoana ara-miaramila, ka ny tamin'ity tranga ity kosa dia tsy misy ny solika ary tapaka ny herinaratra.

Ankoatra ny fahirano ataon'ny Isiraely amin'izao fotoana izao, dia miaritra krizin-tsolika vao haingana ihany koa ny faritra Gaza, fa ny hany misy dia ny lafo dia lafo avy any Isiraely izay voafetra ny fatrany tonga any an-toerana. Manampy ny tsy fisian'ny herinaratra ny tsy fisian'ny solika, satria ilaina izy io hamelomana ny gropin'orinasa, ny gropy fiandry any amin'ny hopitaly, fanaova-mofo sy paompy fisintonan-drano maloto ankoatra ny herinaratra ilaina isan-tokantrano.

Palestinians wait to fill containers with fuel. Image by Majdi Fathi, copyright Demotix (21/03/2012).

Palestiniana miandry ny hamenoana ny fitoeran-tsolika. Saripika Majdi Fathi, copyright Demotix (21/03/2012).

Niresaka momba ity toe-draharaha ity (rehefa misy ny herinaratra ahafahana manao izany) ny mpiseraseran'i Gaza:

@Omar_Gaza: Gaza is heading into very dark dangerous turn because of fuel shortage! Bakeries, schools, hospitals, stores, cars, taxies & life will stop sooooon

Hizotra any amin'ny kihon-dalana matroka sy mampatahotra indrindra i Gaza! Mpivaro-mofo, sekoly, hopitaly, tranombarotra, fiara, fiarakaretsaka ary ny fiainana samy hijanona tsy ho eeeeeela

Ny niharam-boina voalohany natrehin'ny faritra tamin'ny fahatapahan-jiro dia ny zazalahy fito volana Mohammed Al Helou, izay maty rehefa lany solika ny gropy mampandeha ny fameloman'ainany.

@LeilZahra: As we tweet the energy away, hospitals in #Gaza are denied the life-saving energy to sustain their patients #Gas4Gaza

Ao anatin'ny fotoana isiahana fa tsy hita ny herinaratra, tsy mahazo herinaratra fitazonan'aina hanohatohanana ny marariny ny hopitaly eto Gaza
@LuluDeRaven:تخيلوا لو اسرائيل ضربت غزة الان في هاد الوضع؟ لا المستشفيات تقدر تتحمل ولا في وقود لسيارات الاسعاف ولا المطافي ولا اشي !!!
Eritrereto hoe manafika an'i Gaza ao anatin'izao toe-draharaha izao i Isiraely? Tsy ho afaka ny handamina ny hopitaly, tsy misy ny solika ho an'ny ambulance sy ny fiarabe mpamono afo sy ny zavatra hafa rehetra!

Lasa resaka malaza indrindra amin'ny sehatra fifampitam-baovao an-tserasera palestiniana ny tsy fisiana jiro sy/na solika. Lasa fiainana an-davanandro ny mahita sata amin'ny Facebook manompa ny orinasam-pamokarana herinaratra, na siokantsera faly amin'ny fiverenan'ny jiro.

@Ibtihal4Gaza: ما في أحلى انك تصحى تلاقي في كهربا في البيت‏ #غزة #أشياء_نادرة
Mahafinaritra ery ny mifoha maraina ka mahita fa mandeha ny jiro ato an-trano #gaza #RareThings

Nozarain'ny orinasan-jiro ho faritra sy ny manodidina azy i Gaza, ka miodina isam-paritra ny fahazoana jiro enina ora avy isan'andro.

Mpamaham-bolongana Randa Abu Ramadan nanoratra bolongana izay manadihady ny momba anao araka ny fotoana ahazoan'ny tranonao jiro:

إذا بتيجي عندك من 12 بالليل لـ 6 الصبح: انت شخص طيب ومضحوك عليك, وبتصدق أي كلمة بحكوهالك, لأنو في ناس تانية بتيجي عندهم الكهربا في مواعيد أحسن من هيك, وانت يا ويلي عليك معطيينك موعد عاطل بنفعش لإشي
Rehefa mahazo jiro manomboka amin'ny sasakalina ka hatramin'ny enina maraina ianao dia olona tsara ianao, fa tsotra sy mora disoina fanantenana ihany koa. Ny hafa mahazo jiro mandritra ny fotoana tsaratsara kokoa, saingy ny mampalahelo, mahazo jiro amin'ny fotoana tsy izy ianao ary tsy misy ilàna azy!

Ambonin'izany, tsy maintsy mitady fomba handrindrana ny fandaharam-potoanany mifanaraka amin'ny fisian'ny herinaratra ny olona. Yousef Abu Watfa, mpanangom-baovao ao amin'ny Al Jazeera Talk, no nanoratra momba ny fiainan'ny renin'ny namany fa miantraika any amin'ny fanaovana raharaha an-tokantrano ny zavamisy:

أما والدته فتضطر إلى أن تؤجل جميع أعمالها المنزلية إلى ما بعد منتصف الليل حتى تقوم بغسيل ملابس العائلة، حتى تتحول في ذات الوقت إلى طهي الطعام الذي يتطلب استخدام بعض الأدوات الكهربائية.
Voatery manemotra ny raharaha an-tokantrano ny reniny ka aorian'ny misasakalina no manasa lamba sy mahandro hanina, fa mila fitaovana mandeha herinaratra ireo.
Large numbers of gas tubes are accumulating in stations in the Gaza Strip, as the fuel crisis deepens. Image by Ahmed Deeb, copyright Demotix (05/03/2012).

Tavoahangy-vy fitoerana etona fandrehitra miangona any amin

Mety ho ny siokantsera avy amin'i Fady ity no mamehy azy:

@chefadi90: تويتر بعلمنا نختصر افكارنا في 140 حرف , وغزة علمتنا كيف تختصر كل حياتك في 6 ساعات بتيجي فيهم الكهرباء كل يوم
Ny Twitter mampianatra antsika hamehy ny sainintsika ao anatin'ny lohavy 140, raha i Gaza kosa mampianatra antsika hanery ny fiainana iray manontolo anatin'ny 6 ora isian'ny jiro isan'andro.

Nour Abed, mpampianatra, misiokantsera:

@NourGaza: أطفالي في المدرسة: أجدُّ على كراستهم المهترئة آثاراَ من الشمع المنسكب, كتبوا واجبهم على ضوء الشمعة!
Ny mpianatro any an-tsekoly: rehefa mahita diana tain-dabozia amin'ny kahieny aho dia fantatro fa labozia no ampiasainy anaovana devoara!

Ny fitsapan-kevitra notsongaina farany no maneho fa 48 isan-jaton'ny Gazaita dia miampanga ny governemanta ao an-toerana noho ny krizin-tsolika ao Gaza. Izz Shawa manoratra ao amin'ny Twitter:

@izzshawa:الحكومة التي يتطلع لها الشعب في غزة هي التي لا تصدر الأزمات الى غيرها ولكن تبذل قصارى جهدها لحلها وان لم تقدر تعمل على تخفيف حدتها
Mitady governemanta tsy manameloka ny hafa amin'ny olany ny mponina eto Gaza, fa manao izay rehetra azony ataony hamahana azy na manamora ny famahana azy rehefa tsy voavaha.

Mahamarika ny fifampiangana misy eo amin'ny manampahefana Palestianiana ihany koa ny mpamaham-bolongana Yasser Ashour araka izay soratany ao amin'ny bolongana:

لما يعملوا مقابلة مع مسؤل من الشركة ويسألوه عن السبب بيقول : الاحتلال يشدد حصاره ، ولما نسأل قيادي في حكومة غزة ؟ بيقول : سلطة رام الله محتكرة الأموال وبتعمل على قطع الكهربا عن غزة
Rehefa manontany ny tompon'andraikitra ao amin'ny orinasan'ny herinaratra izahay momba ny antony dia lazainy: Nampitombo ny fahirano nataony amin'i Gaza ny Fibodoana [Israeliana]. Rehefa manontany ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemantan'i Gaza izahay dia lazainy: Ataon'ny governemanta ao Ramallah [Fahefana Palestiniana] ampihimamba ny vola ka izany no antony mahatapaka ny jiro.

Na dia maro aza ny fanambarana nataon'ny solontenan'ny governemanta any Gaza hiarovan-dry zareo ny tenany, milaza fa misy ny “teti-piokoana” goavana mamely azy ireo dia tsy mino izany ny olona. Bilaogera say mpaka sary Khaled Safi manoratra ao amin'ny bolongana:

لا أجد الوقت الكافي لأتابع تصريحات هنا واتهامات هناك، أصلاً لا أجد الكهرباء لأسمع وجهة نظركم الكريمة، معظم يومي خارج بيتي إما في انتظار المواصلات أو في معركة الوقود أو مناظرة المخبز الصباحية
Tsy manampotoana aho hanarahana sy fanambarana sy ny fiampangana etsy sy eroa. Ny marina, tsy mahazo herinaratra aho hihainoana ny fomba fijerinao [ao amin'ny fahitalavitra]. Lany any ivelan'ny trano ny androko, na miandry fitateram-bahoaka, na miady solika (any amin'ny tobin-tsolika), na rehefa maraina miady hevitra any amin'ny fivarota-mofo.

 

Niarahan'i Ola Anan sy i Yasmeen El Khoudary nanoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.