Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2015
Dihy Nentim-paharazana Ao Indonezia, Asongadin'ny Fetibe Toraja
Olona maherin'ny 100.000 no nitsidika ny Sulawesi Atsimo mba hankalaza ny fetibe "Toraja Mahafatifaty" . Fokonà vazimba teratany ao Indonezia ny Toraja, manana vahoaka vinavinaina ho 1,1 tapitrisa eo ho eo.
Tao Anatin'ny Fotoana Mangidy Indrindra Ho Azy No Namiràtan'ny Tsara Indrindran'i Parisy
"Ao anatin'ny fotoanan'ny fahoriana, mivoaka ny tena toetra marin'ny vondrom-piarahamonina iray. Ho an'ireo manolotra #PorteOuverte, mahatonga ahy hirehareha amin'ny maha-olombelona ahy ianareo."
Sary Tranainy Mampiseho Ny Fahitàna ny Andrefan'i Japana
Manome topimaso ny fomba nijeren'ny Eoropeana an'ilay firenena, ampolo taona vitsy monja taorian'ny niafaran'ny vanimpotoana nitokanan'io firenena io monina, ireo saripikan'i Adolfo Farsari nolokoiny tànana.
Tao Amin'ny TV Frantsay, Tsy Nomen'ny Filohan'i Iràna Lanja Firy Ny Fanoherana Ny Hijab Ataon'ireo Vehivavy Ao Amin'ny Facebook
"...vokatra ampahany avy amin'ireo zavatra nosoratanareo ihany ny famoronana ilay lalàna izay nahatonga ny hijab ho zavatra tsy maintsy itafiana ao Iràna. Ianareo no tomponandraikitra ary amin'izao fotoana izay maha-mpitondra anareo izao, tsy maintsy tomponandraikitra ianareo."
Fitakiana Fanesorana Ny Filohan'ny Antenimiera Ao New Zealand Noho Ny Resaka Sotasota Ara-nofo Manàla Baràka
"Mora ny tsy manisy vidiny ny fanolànana, fa in-jato sarotra kokoa ny miroso hatrany #SackTheSpeaker #HoldKeyAccountable"
Vazimba Teratany Lumad Ao Filipina Miampanga Ny Fanararaotana
“Nopotehan'ny Tafik'i Filipina ny sekolinay. Nodoran'izy ireo ny kaoperativam-pambolenay. Niainako ny famonjàna ary ankehitriny miatrika fiampangana noforomporonina avy amin'izao zavatra rehetra izao hoe nanao fakàna ankeriny. Malahelo ny tanin'ny razanay izahay."
Mamely Indray Ny Avaratra-Atsinanan'i Shina Ny Airpocalypse
Rakotra setroka mampidi-doza ireo tanàndehibe maro ao Liaoning, isan'izany ny renivohiny, Shenyang, izay tonga amin'ny fetra farany ambany ny firaketana ny kalitaon'ny rivotra ao an-toerana, in-130 voatilin'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna (OMS) ho ambanin'ny refy heverina fa tsy mampidi-doza.
Iza No Hiaro Ireo Mpisolovava Voafonja Ao Tajikistan?
Naiditra am-ponja nanaraka ny dian'ireo olo-malazan'ny fanoherana tra-pahasahiranna ao amin'ilay firenena ao Azia Afovoany ireo mpisolovava niomana hiaro azy ireny.
Mamokatra Ny Adin'i India Amin'ny Tsy Fanjarian-tsakafo Manjo Ny Ankizy
Fanjakana maro ao India no miady manohitra ny tsy fanjarian-tsakafo, efa am-polo taona maro. Mampiseho fivoarana tsara sy fahombiazan'ireo fandaharanasa isankarazany ny tarehimarika ofisialy, saingy mbola betsaka ihany ny tokony hatao.
Mety Hoe Ara-dalàna izany Ankehitriny, Saingy Tsy Vitan'ireo Shinoa Intsony Ny Mbola Hiteraka Zaza Faharoa Na izany Aza
Nambaran'i Shina tamin'ny faran'ny Oktobra teo ny fanafoanany ny politikan'ny zaza tokana. Maro ireo Shinoa mpisera ety anaty aterineto no tsy dia faly tamin'ny fandraisana ilay vaovao.