Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Janoary, 2016
Mijery TV Mikaroka Vaovao Ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto, Saingy Mitoky Kokoa Amin'ireo Loharano Ety Anaty Aterineto, Hoy Ny Fanadihadiana
37 isanjaton'ireo Rosiana mpampiasa aterineto no mino ny fitovian'ny vaovao atolotry ny fahitalavitra sy ny ety anaty aterineto, raha 37 isanjato tahaka izany koa no manohana fa tena misy fahasamihafàny ny fomba fitaterana ny vaovao.
GV Face: Nilaozany Handeha Hiaina Toy Ny Mpialokaloka Any Eoropa I Brezila
Tian'i Edgard iainana ny zavatra sedrain'ireo mpitsoa-ponenana nandositra nankany Eoropa. Tao Tiorkia no nanombohany ny diany, avy eo nankany amin'ireo nosy Grika Lesvos, Athens, nandalo an'i Idomeni, niditra an'i Makedonia, Serbia, Slovenia, Kroatia, Aotrisy sy Alemaina.
Ela Ny Ela, Nahanton'ny Facebook Ilay Pejy ‘Pegida Macedonia’ Mpankahàla Miozolmàna
Na teo aza ireo tatitra marobe, imbetsaka nilaza ny Facebook hoe tsy nanitsakitsaka ny Fenitry ny Vondrom-piarahamoniny ilay pejy.
Andro Ririnina Tsy Fahita Firy Tao Taiwan
Marobe ireo mponin'i Taiwan no nanararaotra naka sary tamin'ilay heveriny fa angamba toejavatra tsara tarehy tsy ho hitany raha tsy indray mandeha eo amin'ny fiainany.
Ankizy 17 Novoinoin'ny Manampahefana Nandritry Ny Hetsi-panoherana Ny Fakàna Tany
Teo anelanelan'ny 12 sy 17 taona ny ankamaroan'ireo ankizy maty novonoina. Asehon'ireo tatitry ny olompirenena ihany koa fa marobe ireo ankizy mpianatra an-tsekoly no naratra nandritry ny hetsi-panoherana.
Alaivo Topimaso Ny Fiainana Ao Anatin'ny ‘Japàna Mambabo Maso’
Mankafiza ianareo mpankafy Japàna! Marobe ireo sary mahatalanjon'ilay firenena no azo jerena ao amin'ny tahiry dizitalin'ny Tranombokim-bahoaka ao New York, ankehitriny natao ho an'ny sehatry ny daholobe.
Ny Tsikaiky Shiliana, Otrikaretina Tsy Azo Ivalozana Ho An'i Amerika Latina
Eo an-dalam-pahitana ny zavatra azon'ny aterineto atolotra amin'ny resaka fanelezana ny fomba fanehoana ara-javakanto ireo tanora Latino-Amerikàna, hita amin'izany indrindra indrindra ny resaka mampihomehy, mahatsikaiky. Mihomeheza miaraka amin'ireo lahatsarin'ny Laf.
” Misotro Cappuccino Ao Anatinà Burkina Iray Meva”: Burkina Faso Manome Voninahitra Ireo Tra-doza Tamin'ireo Fanafihana Tao Ougadougou
"Isaky ny maraina, hisotro cappuccino eo amin'ny Burkina iray meva izahay.'" Miatrana manoloana ny fanafihana mpampihorohoro i Burkina Faso.
Safiotra Iraniana-Britanika Mpanao Gazety, Mibitsika Ny Niainany Ny Fanakanana Azy Tsy Hiakatra Tao Anaty Sidina Ho Any Etazonia
"Tsy afaka nanatrika ny fety fankalazàna ny nahaterahan'ny anadahiny amerikàna ny zanako ilay olompirenena #Britanika feno satria ny reniny teraka tany Iràna," hoy i Rana Rahimpour nanoratra nanazava ny fomba nanakanan'ireo fameperana vaovao azy tsy handray ny sidina.
Angolà: Maniry “Hifehy” Ny Fidirana Tambajotra Sosialy Ny Filoha
Notsindrian'ny filohan'i Angolà, José Eduardo dos Santos (JES), nandritry ny kabary fiarahabana taombaovao nataony, ny fametrahana lalàna iray "hifehezana" ny tambajotra sosialy