Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2024
Fisamborana voalohany nataon'ny fiarovana anatiny tao Hong Kong, nikendrena an'i Chow Hang-tung, ilay vehivavy mpikatroka ao Tiananmen, sy ireo mpanara-dia azy
Mialoha ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny 4 Jona, nambaran'ny pôlisy ao Hong Kong fa nampiasaina tanaty ranty anaty Facebook ny "daty iray saropady" mba handranitana fankahalàna ny governemanta foibe sy ny ao Hong Kong
Ao Madagasikara, manana anaram-behivavy ny asa fanaovana gazetim-panadihadiana : Damy Govina
Ao Madagasikara, misy media iray mpanadihady tantanim-behivavy ary amin'ny fiteny roa - voalohany amin'io karazany io - miezaka ny mampiroborobo endrika asa fanaovana gazety tsy miankina mba hisian'ny fiantraikany maharitra amin'ny demaokrasia.
Bangladesh : lehilahy iray manavotra fiteny tsy misy afa-tsy olona enina sisa no mampiasa azy.
Amin'izao fotoana izao, olona enina sisa, izay efa samy 60 taona daholo, no miteny tsy miambakavaka ny fitenim-poko Rengmitca. Raha maty izy ireo, hanjavona ao Bangladesh ny **ilay fiteny sy ny kolontsainy
Eorôpa : « Tsy mandingana ny sisintaniny ny tantara grika »
Luboš Motl avy ao amin'ny The Reference Frame manoratra momba ny toedraharaha ara-toekarena ankehitriny ao Gresy sy ny fiantraikany amin'ireo firenena hafa : « Sady vokatry ny nataon'olombelona no tsy...
Jamaika, namiratra nandritra ny Loka Asa Fanaovana Gazety ho an'ny Rariny ara-Toetrandro tao Karaiba ny Repoblika Dôminikàna sy Goiàna
"Fo mampitempo izany rehetra izany, ny olona. Mifamatotra amin'ny zo maha-olona ny rariny ara-toetrandro"
Vondron'i Pasifika manasongadina ny anjara toeran'ny media ao anatin'ny tolona hanoherana ny olan'ny toetrandro
"Ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia tena iankinanny ain-dehiben'ny fampahalalam-baovao ho an'ny vondrom-piarahamonintsika manoloana ireo fanamby atrehana sy mba haha-tomponandraikitra ny tsirairay amin'ity tontolo iainana sarobidintsika"
Tanzania, pôlitika vaovao momba ny VPN, mampihanjahanja ny olona LGBTQ+
Ireo mpanohitra ilay fitakiana fisoratana anarana navoakan'ny TCRA ho lalàna vaovao mifehy ny VPN dia milaza fa manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo hafa voalazan'ny Lalàm-panorenana ao Tanzania izy io.
Pôrtiogaly, vahoaka nidina an'arabe nankalaza ny demaokasia tamin'ny faha-50 taonan'ny Revôlisiôna “œillet”
"Tamin'ity taona ity ny voninkazo "oeillets" nahazatra dia nipoitra nilahatra tamin'ireo afisy fampahatsiahivana ny lanjan'ny demaokrasia syt ireo fitakiana amin'izao fotoana izao, toy ny trano fonenana mora vidy ary ny zon'ny vehivavy sy ny mpifindramonina."
Nidina ambany be ny laharana misy an'i Hong Kong ao anatin'ny fampilaharana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety erantany, fihemorana “tsy mbola nisy tahàka azy” hoy ny mpanaramaso
Faha-135 amin'ireo faritany sy firenena 180 no misy an'i Hong Kong ao anatin'ny fampilaharana 2024 avy amin'ny RSF momba ny asa fanaovana gazety. Raha +5 ny toeran'ilay tanàna, nidina teboka -1,8 ny isa azony raha ny tena marina
38 taorian'ilay loza nahatsiravina tao Chernobyl, mbola voapoizina foana ny 12% amin'ny faritri'i Belarosia
Mitatitra momba ny fahombiazan'ny fandaharanasa Chernobyl hiatrehana ireo vokadratsy ara-toekarena, sôsialy sy ara-tontolo iainana naterak'ilay loza nahatsiravina, ireo media tohanan'ny fanjakàna belarosiàna, saingy marobe no misalasala momba izany