avylavitra · Mey, 2009

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2009

Rosia: Veloma mandrakizay ho an'ilay mpilalao sarimihetsika Oleg Yankovsky

  31 Mey 2009

Maty tany Mosko tamin'ny 20 Mey teo amin'ny faha-65 taonany ilay mpilalao sarimihetsika Rosiana Oleg Yankovsky ary nalevina tao amin'ny Fasan'i Novodevichy roa andro taty aoriana. Mpankafy an'arivony no tonga nanao veloma farany azy tao amin'ny Fanaovana tantara an-tsehatra Lenkom. I drugoi, mpampiasa LJ, dia  namerina namoaka sary avy amin'ny...

Haiti, U.S.A.: Fahatsiarovana an'i Môpera Jean-Juste

  31 Mey 2009

Miraradraraka ny fanehoam-pankasitrahan'ireo vondrona mpitoraka blaogy ho  an'i Fr.  Gérard Jean-Juste, pretra Haitiana Katolika fantatr'ireo mpakafy azy amin'ny maha-tompondakan'ny mahantra azy sy mpanohana mafana fo ny antoko pôlitika Fanmi Lavalas , tarihan'ilay Filoha voaongana Jean Bertrand Aristide. “Dada Gerard Jean-Juste“, sarin'i danny.hammontree, ampiasàna ny Creative Commons license. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i...

Honduras: Horohoron-tany mahery nanetsiketsika ny firenena

  31 Mey 2009

Nifoha aloha be tokoa i Honduras ny marainan'ny 28 Mey noho ny horohorontany mirefy ‘7.1 tamin'ny maridrefy Richter’ nanetsiketsika ny firenena. 130 kilometatra tany avaratry ny tanànan'i La Ceiba ny foibeny, tany amin'ny morontsiraky ny ranomasim-be Atlantika. Tamin'ny 2:24 maraina, ora tany an-toerana, nanery ireo mponina hivoaka ny tranony tanatin'ny...

Japana: Fitadiavam-bady!

  29 Mey 2009

Nanomboka tamin’ny fararanon’ny taona lasa teo, tany Japana, nisy fiteny vaovao indray mandehandeha eny. Tsy inona izany fa ny konkatsu 婚活 (fanafohezana ny kekkon katsudô 結婚活動), nosintonina tamin’ilay fehezanteny malaza shûkatsu (就活 fitadiavan-kasa), afaka adika tsotsotra hoe ‘fitadiavam-bady’. Tsy teny vaovao monja ihany ny Konkatsu Konkatsu fa trangam-piarahamonina nipoitra tsikelikely...

Bahrain: Ny filàntsika ny Indiana dia toy ny filàntsika rivotra

  25 Mey 2009

Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra i Bahrain fa  tapitra hatreo ny endrika fanohanana ireo mpiasa vahiny, midika izany fa manomboka amin'ny volana Aogositra dia tsy hiankina amin'ireo mpampiasa azy intsony ireo mpiasa ireo, fa tohànan'ny governemanta mivantana amin'ny alalàn'ny  Sampana mpandrindra ny tsenan'asa, àry hahazo alàlana hiova asa tsy ilàna...

Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!

  24 Mey 2009

Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany dia fahazàrana ny mankalaza ny renintsika amin’ilay andro miavaka iray: ny Fetin'ny Reny. Na dia miovaova aza ny daty ankalazana...

Maraoka: Fandraisana an-tànana ny fikarakaràna ny biby

  21 Mey 2009

Hopitalim-biby any Fez, Maraoka, izay nitsàngana tamin'ny 1920 ny American Fondouk novatsian'ny Sosaity any Massachusetts ho  fisorohana ny herisetra atao amin'ny Biby [Massachusetts Society for the Prevention of Cruelty to Animals](MSPCA). Ilay hopitaly, izay mikarakàra ny biby lehibe sy kely, dia ahitàna voalohany indrindra mpitsabo biby sy mpiandraikitra Maraokana, na...

Libia: Vehivavy, Mpanoratra, Mpanakanto

  20 Mey 2009

Raha ny fahitàna azy hatreto dia mbola tsy mahakasika ny tontolon’ny fitorahana blaogy libiana ny gripan-kisoa fa mino aho fa ny firesahana ny momba ny anjara toeran’ny vehivavy dia efa famakiana lay kosa. Taorian’ny fitrandrahana blaogy libianina maro, Highlander izay mandefa lahatsoratra momba ireo mpanoratra sy mpitoraka blaogy arabo/libiana dia...