avylavitra · Febroary, 2011

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Febroary, 2011

Frantsa:Fihetsiketsehana tao Parisy Manohitra ny Fitondrana Jadona ao Gabon

Manodidina ny 7000 ireo olona nifamory teny an-dalambe tao Parisy renivohitra Frantsay mba haneho hevitra ho fanoherana ireo mpitondra jadona Afrikana sy ny governemanta Frantsay nampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ireo fiondrana jadona Afrikana. ny -Sabotsy 26 Febroary 2011. Nanindahindra sora-baventy teo ivelan'ny tanànan'ny Filohan'i Gabon, izay mitentina 140 tapitrisa Euro ireo mpanao fihetsiketsehana.

28 Febroary 2011

Maoritania: Mipoaka ny Hetsik'ireo Mpandala Demaokrasia Ao Nouakchott

Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Nouakchott, renivohitr'i Maoritania androany, taorian'ny fifanatonan'ireo tanora tany anaty aterineto mba hiantso fihaonambe, izay mitaky fanovàna ara-tsosialy, ara-politka ary ara-toekarena, sy fampitsaharana ny fitondra-miaramila ao Maoritania. Ao amin'ny Twitter, manome antsika fitantaràna ny natrehin-dry zareo maso nandritra ny andro.

28 Febroary 2011

Bahrain: Fanajàna ny Andro Fisaonana

Ny Zoma (25 Feb) dia nambara tamin'ny fomba ofisialy ho 'Andro iray Fisaonana' an'ireo maritiora rehetra lavo nandritra ny Hetsi-panoherana tamin'ny Andron'ny Hatezerana ho an'i Bahrain, izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011. Misaintsaina ny amin'izay andro izay ireo mponin'ny aterineto.

28 Febroary 2011

Ejipta: Ho Bokotra Fampandehana Indray Ny Revolisiona Ejiptiana Ve Ny 25 Feb?

Ny omaly no nanamarika ny volana voalohany nanombohan'ny revolisiona Ejiptiana. Voaongana ny filoha teo aloha Hosni Mubarak, saingy tsy mbola vita akory ny revolisiona. Ireo mpanaofihetsiketsehana ao amin'ny kianja Tahrir izay mangataka ny hanatanterahana ny fitakiany dia nohodidinina sy naparitaky ny polisin'ny tafika. Ho fiandohana onjan-kerisetra vaovao indray ve izany?

27 Febroary 2011

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly.

27 Febroary 2011

Libya: Manainga Ireo Mpitsoa-Ponenana Raha Toa ka Tonga Tsikelikely Kosa Ny Fanampiana Amin'ny Maha-Olona sy Ireo Mpanao Gazety

Raha mbola mitohy miraikitra amin'ny fitondrana ilay jadon-dahy Libiana Muammer Al Gaddafi, mamono ireo mpanao fihetsiketsehana mijoro manohitra azy amin'ny fomba faran'izay henjana sy feno habibiana tsy fahitra hatrizay, ny laharan'ireo olona mitsoa-ponenana miala an'i Libia kosa mitombo hatrany. Ary raha mitohy miakatra hatrany ny salan'isam-pahafatesana, tonga mitsitaitaika ao amin'ny firenena kosa ny fitondràna fanampiana amin'ny maha-olona sy ireo mpanao gazety

26 Febroary 2011

Kenya: #KenyaFeb28, Antso Eo Anivon'ny Aterineto Ho Amin'ny Fitiavan-Tanindrazana

Ny Alatsinainy 28 Febroary 2011 dia toa sahala amin'ny manana ny lanjany ho an'ireo mponin'ny aterineto ao Kenya. Tanatin'ny fotoana maromaro izao ireo Keniana no miresaka any anaty Twitter, Facebook ary hatrany anaty mailaka no mifanontany raha fotoana izao tokony hampiasan-dry zareo ny tenifototra #KenyaFeb28 ao amin'ny Twitter mba handaminana ny hetsi-panoherana mikasika ny olana ara-politika, na tokony hampiasa hatrany io sehatra io handrisihana ny fitiavan-tanindrazana.

26 Febroary 2011