avylavitra · Jona, 2009

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Jona, 2009

Korea Avaratra: Mpanao gazety Amerikana roa voasazy hiasa an-terivozona

  23 Jona 2009

Tsy dia mandrisika loatra ireo vaovao avy any Pyongyang. Taorian’ny niampangana azy ireo ho niditra an-tsokosoko tany Korea Avaratra, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 12 taona ireo mpanao gazety Amerikana Laura Ling sy Euna Lee (araka ny re tao amin’ny CNN). Namoaka fintina am-blaogy momba ity raharaha ity ho an’ny...

Pero: Fanohintohinana ny zon'olombelona sy ny fahalalàhana miteny

GV Mpisolovava  19 Jona 2009

Nanomboka tamin’ny nandravàn’ny mpitandro filaminana ny barazy natsangan’ireo zanatany [indizena] mba hanoherana lalàna iray (DL 1090) izay eritreretin’izy ireo ho mandika ny zony amin’ny tany navelan'ny razany ny fandatsahan-drà tany amin’ny tanàna Perovianan’i Bagua . Tsy fahafatesana sivily tsy fantatra isa mazava ( 10 no isa ofisialy, nefa araka ny...

Iran: Hifidy sa tsy hifidy

  12 Jona 2009

Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe ‘hifidy sa tsy hifidy’. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona  mpanohitra maro aza no  niantso fibodoana ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ho...

Raharaham-pitiavana/fankahalan'ny Maraokana an'i Obama

  11 Jona 2009

Ny kabary nataon’ny filohan’ny Etazonia Barack Obama tany Kaira ho an’ny tontolo Silamo dia niteraka fihetsika niredareda tany an-toerana sy tany ivelany koa; tsy ny kely indrindra tamin’ireo mpitoraka blaogy avy any Mahgreb izay nandrakofan’ireo lahatsoratra mafana tanaty blaogy sy tweets mivantana hevitra manalokaloka mankany amin’ny fanohanana feno sy tsy...

Ny fifidianana Iraniana an-tsary

  10 Jona 2009

Ny Fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana dia hatao ny faha 12 Jona. Natokana fotsiny ho an'ny lehilahy, efatra monja tao anatin'ny  400 mahery, lahy sy vavy mifangaro, nisora-tena, no nomen'ny manam-pahefana fankatoavana ny firotsahany hoy ny  Mpiaro ny tolom-piavotana [Guardian Council]. Ny maso matsilon'ireo mpakasary-mpitoraka blaogy dia mamandrika sary momba...

Ekoatora: Fitsapam-pahaizana atao amin'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka

  09 Jona 2009

Isan'ny tanjona iray napetraky ny governemanta ankehitriny ny fanavaozana ny rafi-pampianarana eto Ekoatora, ary ankehitriny ho fanatanterahana izany dia manara-maso akaiky ny fahaiza-manaon'ireo mpampianatra amin'ny sekolim-bahoaka manerana  ny firenena izy. Ny sampana mpanatanteraka dia vao avy nandàny  lalàna  vaovao iray(.pdf doc) mangataka  ireo mpampianatra rehetra handalo fitsapam-pahaizana mandritry ny herinandron'ny ...

Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

  09 Jona 2009

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana tsy miankina...

USA: Mpanao gazety miatrika fitsarana any Korea Avaratra

  08 Jona 2009

Tamin'ny 4 Jona, mpanao gazety amerikana roa no notsaraina tany amin'ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan'i Korea (Korea Avaratra) noho ny fidiràna an-tsokosoko tao amin'ity firenena ity.  Vehivavy roa,  Laura Ling sy Euna Lee, izay samy mpanao gazety teratany avy ao Azia mizaka ny zom-pirenena  Amerikana miasa ho an'ny Current TV, voatazona...

Ejipta: Fanentanana hanohitra ny famoràna zazalahy

  05 Jona 2009

Tamin'ny2008 i Ejypta no namoaka  lalàna iray mandràra ny fanapàhana atao amin'ny vehivavy (FGM) [toy ny famoràna amin'ny lehilahy izy io]  . Nisy vondrona mpitoraka blaogy  iray  androany nanomboka fanentanana hanoherana ny famoràna ny lehilahy . Zobaida tompon'ny Al Haramlek Blog dia niteraka zazalahikely iray   ary tsy mamèla ny...