Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Mey, 2010
Ejipta: Fampiasana amin'ny tsy tokony ho izy ny World Wide Web, Manampahefana mitory ireo mafana fo

Ny Sabotsy 22 May 2010 ny Fitsarana ady heloka ao AlKhalifa no handinika ny raharaha 8260/2009 , izay anenjehan'ny mpitsara Abdel Fattah Mourad an-dry Ahmed Seif - Talen'ny Hisham Mubarak Law Center (HMLC), Gamal Eid – Talen'ny Arabic Network for Human Rights Information (ANHRI) ary il
Chile: Ny fahaterahana indray taorian'ny voina vokatry ny horohorontany
Ity lahatsoratra manaraka izay naverina navoaka ity no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana blaogy tao amin’ny “Global Voices” niaraka tamin’ny “ OCD Iberoamérica. Ireo hafa tafakatra tamin’ny dingana famaranana dia efa notaterina tany amin’ny lahatsoratra teo aloha.
Uruguay: Diabe ampahanginana ho fahatsiarovana ireo voafonja nanjavona
Tato anatin'ny 15 taona nifanesy, isaky ny 20 May dia mifamory ao Montevideo ny Uruguayans mba handray anjara amina diabe am-pahanginana ho fahatsiarovana ireo novonoina sy nanjavona nandritry ny jadona miaramila izay nanomboka ny 1973 ary nifarana tamin'ny 1985. Ny vondrona Mujeres y Familiares de Detenidos Desaparecidos (Vady sy fianakavian'ireo voafonja nanjavona) no nikarakara ny diabe, ary tamin'ity taona ity ry zareo dia nanomana video iray [es] izay ilazan'ny mpitondra teny iray avy amin'ny vondrona mikasika ny niandohan'ny Diabe sy anazavan-dry zareo ny ady ataony
Sina: Misy toerana ho an'ny kolontsaina avo lenta ve eo anivon'ny fanabeazana?
Misy toerana ho an’ny fanabeazana ankapobeny ve amin’izao fiaraha-monina maoderina ankehitriny izao, izay efa maharomotra ny fifaninanana eo amin’ny tsenan’ny asa, ary ny raharaha rehetra dia samy efa voatokana sy...
Video momba ny Vovonana GV 2010: Fifanakalozan-kevitra momba ny fandrindràna ny votoatin-kevitra

Nandritran’io fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory io, nanazava mikasika ny fizotry ny fandrindràna efa misy, i Victoria Grand, Lehiben’ny Serasera ao amin’ny YouTube, izay ahafahana miditra any “ambadiky ny sehatra” ka hijerena...