avylavitra · Oktobra, 2012

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Oktobra, 2012

Venezoela: Fisaintsainana Taorian'ny Fifidianana

Niakatrakatra ny fihetsehampo tamin'ny Alahady alina taorian'ny nanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tany Venezoela. Nankalaza ny fitohizan'ny 'Revolisiona Bolivariana' teo ambany fitarihan'i Chávez ny ampahany amin'ny firenena, raha ny ankilany kosa natanondriky ny faharesena hafa indray tamin'ny fifidianana.

16 Oktobra 2012

Syria: Revolisiona Mandeha Amin'ny Fiteny Maro

Tsy hoe tery an-tanin'ady ihany akory no nàka toerana ny Revolisiona tao Syria, teo anelanelan'ny làlana tao Daraa na ny toeram-pitiliana ao Aleppo. Fa misy koa ny ady goavana atrehan'ireo mpifanandrina, na ny mpanohana ny fitondrana izany, na ny mpanohitra, ety anaty aterineto, ahitàna taratra ny ady tsy misy indra fo ifamelezan'ny andaniny sy ny ankilany. Nitafatafa tamin'ny mpanangana ny pejy "La Revolution Syrienne en Français" (Ny Revolisiona Siriana amin'ny Fiteny Frantsay) izahay mba hahalalàna ny antony mandrisika azy ireo hanangana pejy toy izany amin'ny fiteny Frantsay manokana ary ny fomba eritreretin-dry zareo ho fandraisany anjara amin'ny revolisiona - amin'ny fomba virtoaly.

16 Oktobra 2012

Etazonia : Ny Làlana Lavitr'ezaka Mankany Amin'ny Fandriampahalemana Araka An'i Aung San Suu Kyi

Aung San Suu Kyi [fr], endrika malazan'ny fanoherana Birmana sady nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, dia nahazo ny loka Vaclav Havel avy amin'ny Human Rights Foundation, ho fankasitrahana fisintahana iray miharo famoronana, ao anatin'ny sehatry ny Freedom Forum tao San Francisco. Ny fandraisany anjara tamin'ilay vovonambe dia tafiditra ao anatin'ny fandaharanasa fitsidihana mandritra ny 15 andro eo ho eo any Etazonia izay nitondra azy hatrany amin'ny Trano Fotsy sy nanolorana azy ny Medalim-boninahitry ny Kaongresy.

10 Oktobra 2012

Ejipta: Mahatsiaro An'i Maspero; Miandry Fampiharana Ny Lalàna

Nahatsiaro ny tranga namonoana olona nahatsiravina tao Maspero ny Ejiptiana androany, nianiana ny hamaly faty ny ràn'ireo maritiora sy hanao izay hitohizan'ny revolisiona (fiovàna). Ny 9 Oktobra tamin'ny taona lasa, Kristiana Copts 28 no maty ary 200 hafa naratra tamin'ny fanafihan'ny tafika ireo mpanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny foiben-toeran'ny fampahalalam-baovaom-panjakana tao Maspero.

10 Oktobra 2012

Frantsa : Olan'ny Fahazoan-dàlana Nanamaloka ny “Black Fashion Week”

Mba hanehoana amin'izao tontolo izao ny hamaroana lafy sy ny dindon'ny asa famoronana avy amin'ny tany afrikana eo amin'ny filatroana amin'izao fotoana, ilay Senegaly vavy mpampiakanjo, Adama Paris, dia niketrika ny "Black Fashion Week" (Herinandron'ny Haingo Mainty) izay natao tao Dakar (Sénégal) nandritra ny 10 taona. Ny andiany voalohany dia natao tany Prague tamin'ny Novambra 2011.

09 Oktobra 2012

Kenya: Afaka Mividy Antsika Ny Vola Hoy Ny ‘Campus Divas for Rich Men’

Ny "Campus Divas For Rich Men" (Kalamanjan'i Campus ho an'ireo Lehilahy Manan-karena) dia pejy irao ao amin'ny Facebook natokana hanjonoana ireo tovovavy Kenyana mbola mpianatra ary latsaky ny 26 taona hiaraka amin'ireo lehilahy manan-karena, anatin'ny sokajin-taona rehetra. Ny adihevitra mikasika ilay pejy dia nampipongatra ny olana tahaka ny fanarahamaso ny tambajotra sosialy, VIH/AIDS, finoana sy fomban-drazana Afrikana, ny vintana ho an'ireo tanora Keniana, ny fahantrana, ny fitiavam-bola tafahoatra ary ny tsindrin'ireo mitovy amin'ny tena eo amin'ny samy Keniana mpianatry ny anjerimanontolo.

09 Oktobra 2012

Venezoelà: Mitombo Enintaona Amboniny Indray Ny Vanim-potoana Chávez

Taorian'ireo fifidianana notoherina fatratra sy henjana indrindra tato anatin'ny folo taona farany, hanampy enina taona amboniny indray ho an'ny fitantanan'Atoa Hugo Chávez Frías i Venezoelà. Faran'izay nifatrapatratra ny fifamezivezem-baovao tany anaty tambajotra sosialy, indrindra fa ny Twitter, indrindra moa fa tamin'ny fotoana nialoha ny fanambaràna tamin'ny fomba ofisialy ny vokatra

09 Oktobra 2012

Rosia: Resa-pinoana & Famonoana Ny Masoivoho Amerikana

Akon

Ho setrin'ireo fanafihana masoivoho Amerikana sy fari-ponenana diplaomatika manerana ny tontolo Miozolmana (indrindra fa ny namonoana ny Ambasadaoro Christopher Stevens su ireo olona telo mpiara-miasa taminy tao Libya), dia nijery ny firongatry ny resaka ara-pinoana any amin'ny taniny ireo Rosiana bilaogera, ary nampiasa iny zava-nitranga iny ho toy ny fotoana iray fanararaotra hiresahana ny fiantraika midadasiky ny tsy fitoniana ara-politika.

08 Oktobra 2012