avylavitra · Aogositra, 2008

Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Aogositra, 2008

Osetia Atsimo:Naka tàhaka an'i Kosovo ve?

  15 Aogositra 2008

Raha nanambara samirery ny fizakan-tenany i Kosovotamin’ny 17 febroary 2008, dia nizarazara be ihany ireo fiorenena maro manerantany ny amin’ny maha-aradrariny na tsia iny fihetsika iny Amin’izao fotoana izao, 45 amin’ireo firenena 192 mpikambana ara-dalàna ao amin’ny Firenena Mikambana no nankato tanteraka ny Repoblikan’i KosovoSinganina amin’izany ny firenena maromaro ao...

Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy

  13 Aogositra 2008

Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy “hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny...

Tany Arabo:Vehivavy, tokantena, handao ny akany?

  12 Aogositra 2008

Ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy tokantena arabo, ny hiaina sy hiasa na handranto fianarana lavitry ny fianakaviana dia safidy tsy mora atao, noho ny tahotra ny hoe “Dia inona no ho lazain'ny olona”. Manerana ny tontolo arabo, vehivavy mpitoraka blaogy maro no efa naneho ny ahiahiny mikasika ny olana sedrain'ireo vehivavy...

Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna

  11 Aogositra 2008

Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany,...

Cap_Vert:Politika ivelany sy ny zanany am-pielezana

  03 Aogositra 2008

Ao amin’ny blaoginy i Miguel Cruz Sousa [amin’ny teny portige] no mitondra fandalinana momba ny politika ivelan’i Cap Vert sy ny fifandraisan’ny firenena amin’ireo zanany ampielezana. “Ny tsy fananàna asa, ny elanelana ao anaty fiaraha-monina, ny tsy fandriampahalemana, ny karama varimasaka sy ny mety ho tsy fahampiana dia mitatao mandrakariva...

Arabia Saodita:Ny fisaraham-panambadiana, teny tsy misy dikany ve?

  03 Aogositra 2008

“Dia ho lasa teny maivana (tsy misy dikany) ve ny fisaraham-panambadiana?” hoy ny fanontanian’i 3abira Sabbel, vehivavy saodianina mpitoraka blaogy [amin’ny teny arabo], ao anatin’ny hafatra iray mandalina ny fahasamihafàn’ny vehivavy ankehitriny sy ny reniben’izy ireny, ary ny antony mahatonga ny tanora lahy sy vavy hieritreritra fa zava-mora ny manafoana...