Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Marsa, 2021
Ao Azerbaidjana, nandrehitra indray ny resaka momba ny herisetra an-tokantrano ny nahafatesan'ny vehivavy tanora iray
Ao Azerbaidjana, ny tantaran'i Sevil dia akon'ireo herisetra ara-batàna sy ara-tsaina zakain'ireo vehivavy noho ny ataon'ireo olona iarahany monina, na ireo hafa mpikambana ao anatin'ny fianakaviany ihany.
Nandritra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, nisafidy hiatrika ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy ireo teratany ao Trinidad & Tobago (#ChooseToChallenge)
Taorian'ireo vono olona roa ireo, nanandra-peo ry zareo Trinbagoniana ny amin'ny tokony hisian'ny dingana mazava atao hiarovana ny vehivavy.
Mety ho voabahana tanteraka ao Rosia ny Twitter amin'ny volana ambony
Raha manohy tsy miraharaha ny fangatahany hanalàna anaty tambajotra ireo votoaty lazainy fa tsy ara-dalàna ny Twitter, dia nilaza ny Roskomnadzor fa efa niomanany ny hibahana tanteraka ny tolotra
Mpikatroka miaina an-tsesitany, manomboka ny ‘Satan'i Honk Kong 2021,’ vina iray ho an'ny hoavin'ireo hetsika mpandàla ny demaokrasia
"Ireo teratany avy ao Hong Kong, na ireo monina any ivelany na ireo ao anatiny, dia afaka tsy miraharaha izy endrika tantara soratan'ny fanjakana, ary ho solon'izany dia afaka mandray an-tànana hanoratra ny tantaran-dry zareo manokana."
Nandao antsika ilay kintan'ny reggae Bunny Wailer, ny farany tao anatin'ny tarika « Wailers » tena izy
Tsaroantsika amim-pireharehàna ny fomba nitondran'i Bunny, Bob Marley ary Peter Tosh ny mozika reggea ho any amin'ny lafivalon'izao tontolo izao
“Fotoana niadanan'ireo fanon-dranomasina” hoy ny ministera ao Trinidad & Tobago na teo aza ny fitomboan'ny fihazàna azy
Ao anatiny indrindra izao ny vanimpotoana fanatodizan'ny fanon-dranomasina 'luth', saingy mivonona hitolona ireo vondrona mpiaro ny fano manoloana ireo fepetra momba ny COVID-19, izay manakana amin'izao fotoana izao ny asa fisafoana isanalina ataon-dry zareo eny amin'ny torapasika mba hiarovana ireo sokatra.
Ny hatsaran-tarehy manjavozavon'ireo tendrombohitra manga ao Jamaika, azo sary
Fifaninanana maka saripika no nentina nankalaza ny faha-28 taonan'ny Valanjavaboary Nasiônalin'ireo Tendrombohitra Manga sy Havoanan'i John Crow, vao nampidirina tsy ela akory izay ho isan'ireo toerana lovan'izao tontolo izao ao amin'ny UNESCO. Indro ny topimaso tamin'ireo fampidirana nahazo loka.
Salvadaoro: Tsy mihena ny fitiavan'ny vahoaka ny filoha Bukele na teo aza ny fiampangana azy ho manao tsy refesimandidy
Handresy amin'ireo fifidianana solombavambahoaka hoavy eo ny antokon'i Bukele hoy ny tsapahevitra natao - vaovao tsara ho an'ireo manohana an'i Bukele, fa ratsy kosa ho an'ireo mihevitra azy ho mpanao tsy refesimandidy
MIVANTANA amin'ny 9 Martsa : Hiparitaka manerana an'i Amerika Latina ve ilay “Samonta Maitso” avy ao Arzantina momba ny zo hanàla zaza ?
Halefa mivantana amin'ny Facebook Live, YouTube, Twitch amin'ny fiteny espaniôla ilay fotoana
Japàna : miteraka ahiahy ilay fanapahankevitra hamarina any an-dranomasina ireo rano voapoizina avy ao amin'ilay toby famokarana herinaratra nisy fahasimbàna tao Fukushima
Misy 1,25 tapitrisa taonina eo ny rano voapoizina mitoby amin'izao fotoana izao ao amin'ny toeram-pamokarana herinaratra ao Fukushima-Daiichi.