Lahatsoratra farany an'i avylavitra tamin'ny Novambra, 2010
MalawiSoc: Manaraka ny vaovao sy ny bilaogy Malaoita
Clement Nthambazale Nyirenda diampianatra mamarana ny fianarany hahazoany ny doctorat ao amin'ny laboratoara Hirota/Sakurai, Department of Computational Intelligence and Systems Science ao amin'ny Ivontoerana momba ny Teknolojia any Tokyo no sady mpampianatra mpikaroka sy fakan-kevitra ao amin'ny Sampam-pianarana Elektronika sy momba ny haitaon'ny Solosaina ao amin'ny Malawi Polytechnic. Izy no namorona ny MalawiSoc, tranonkala sosialy anovana ireny 'bookmarking' ireny, voatokana ho an'ny vaovao sy ny bilaogy mikasika an'i Malawi.
Tonizia: Fanombohan'ny Fanentanana Manokàfa Bilaogy
Taorian'ny fito volana nipetrapetrahan'ny fitorahana bilaogy, noho ny faneriterena nataon'ny manampahefana niafara tamin'ny nandràrana bilaogy efa ho 100 mahery, namondron-kery ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ka nankahery ny olona mba hanomboka hizara ny eritreriny sy ny zavatra iainan'izy ireo eo anivon'ny aterineto. Vao natomboka nalefa mihitsy ny "Manokàfa bilaogy" hisarihana mpitoraka bilaogy vaovao ho ady amin'ny sivana.
Ejipta: Afaka i Kareem Amer!
Taorian'ny 1470 andro nolaniany tany am-ponja, afaka ihany nony farany ilay Ejiptiana mpitoraka bilaogy Kareem Amer. Nihoatra 10 andro amin'ilay efatra taona voatondro hohefainy noho ny faniratsirana ny Silamo sy ny Filohan'i Ejipta Mohammed Hosni Mubarak tao amin'ny bilaoginy (Ar) izany
Shina: Mafàna fo nohelohina herintaona hanao asa fanarenana noho ny sangy ratsy ara-politika

Araka ny bitsika nalefan'ireo Mpiaro ny Zon'Olombelona ao Shina, ilay mafàna fo amin'izany fiarovana zon'olombelona izany Wang Yi, Cheng Jianping 程建萍 no tena anarany, dia voaheloka herintaona hanao asa fanarenana...
Ejipta: Mponin'ny aterineto hiatrika Fitsara-miaramila noho ny fanangànana pejy Facebook

Fanindroany indray izao ao Ejipta no hisy mpampiasa aterineto hiatrika fitsara-miaramila. Ahmed Hassan Basiouny dia hiatrika fitsara-miaramila amin'ity volana ity, raharaha mitondra ny laharana 4405/2010, taorian'ny fanamelohan'ny mpampanoa lalàna miaramila...
Chiapas: fisamborana tsy misy didy natao tamina mafàna fo amin'ny Rindrankajy Malalaka (Logiciel Libre)

Chiapas no mpisava làlana tamin'ny fampiasàna ny zoto an-tserasera dizitaly tamin'ny hetsika sosialy be mpahalàla. Tamin'ny 1994 izy no nanomboka niaraka tamin'ny hetsiky ny Zapatista ary mitohy hatrany ho fitaovana fanomezana hery ireo mpihoko. Manome safidy vaovao ho an'ny haino amanjery dizitaly - gazety an-tsoratra sy fampitam-peo izy - manampy ireo Chiapanecos handrafitra ny rindrankajiny azy manokana izy - manna hatramin'ny hackerspaces ry zareo ao anatin'nyu vondrom-piarahamoniny mahaleotena toy ny Oventic sy ny Tzajala - ary mitombo hatrany foana ny vondrom-piarahamonin-dry zareo araka izay azonao jerena ao amin'ny Chiapatuit, Fedora sy ny vondrom-piarahamonin'ny rindrankajy malalaka (Logiciel Libre)
Shina: Sondro-bidy sy zaridaina an-tafontrano
Ny sondrom-bidy tao Shina dia nanosika ireo mpivarotra hitady ny metimety kokoa any Hong Kong, nefa hitondra mankany amin'ny fanjifàna maharitra ve ry zareo amin'izany?
Chile: Mpianatra Manao Dia Lavitr'ezaka Maherin'ny Arivo Kilaometatra ho an'ny Fanabeazam-Bahoaka
Mpianatra Siliana telo avy amin'ny Anjerimanontolo no nanomboka Dia lavitr'ezaka tamin'ny 30 Septambra lasa teo. Manao ilay Dia lavitr'ezaka ry zareo ho an'ny Fanabeazana Siliana ary hanàla 1000 km mahery manerana an'i Chili mandrapaha-tongany any Santiago renivohitra. Mandeha am-pilaminana ry zareo ho fanoherana ny fanomezana ny fitantànana ny fanabeazana ao amin'ny firenen-dry zareo ho an'ny tsy miankina.
Manàkana tranonkala 256,110 i Thailandy amin'izao fotoana

ny Mpifikitra amin'ny nentim-paharazana, ny Mpitarika ny fanapariaham-baovao mpomba ny Fitondram-panjaka dia samy voalohany avokoa namoaka ny fanambaràn'ny governemanta momba ny sivana mihatra amin'ny aterneto nanomboka tamin'ny Jolay. Sempotry ny fanasana atidoha avy amin'ny Mpitarika, fantatsika fa ny komandy vaovao ao amin'ny afika dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) tamin'ny minisitry ny TIC (Teknolojia Vaovaon'ny Fifandraisana) sy ny minisitry ny Fitsaràna ary ny kolontsaina. Tranonkala vaovao miisa 43.000 no voafaritry ny MOU fa tsy maintsy sakànana tsy misy hatak'andro ary 3.000 mihantona noho ny faniratsirana mpanjaka.
Malezia: Tratry ny tondradrano ny faritra avaratra
Tsy ela akory izay dia tratry ny tondra-drano ny faritra avaratr'i Malezia ao Kedah, Perlis sy Kelantan, nitarika fanalàna tamin'ny tranony ireo olona tokony ho 40.000 eo ho eo. Mizara ny tantarany sy ny fihetseham-pony ireo mponin'ny aterineto.